Trinitera Malagasy
Talata faha-14 mandavantaona

Talata faha-14 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Osea 8, 4-13/Salamo 113B
  • Tsy ankasa Jenezy 32, 22-32/Salamo 16
  • Md Matio 9, 32-38

Avy nanasitrana ny jamba roa lahy ny Tompo (tsy vakiana amin’ny andavan’andro na ity na ny fahasitranan’i Bartimeo ao amin’ny Mt 20, 29-34) dia nitondran’ny olona moana sady azon’ny demony ka rehefa voaroaka ny demony dia niteny ny moana. Ny fanandevozan’ny ratsy no manakana antsika tsy hahay mihaino ny Teny mba ho afaka hitory azy. Manoloana izany zava-mahatalanjona izany anefa dia misy ny gaga ka mankalaza an’Andriamanitra, misy kosa ny manamafy ny fony ka mahita holazaina mandrakariva mba hanaratsiana: “ny lehiben’ny demony no androahany demony”. Tsy afaka ny handresy ny hazavana na oviana na oviana anefa ny haizina na dia handà tsy handray azy aza.

I Jesoa àry, manoloana izany, tsy kivy fa manohy mitety tanàna, mampianatra, mitory ny Evanjely ary manasitrana (Mt 4, 23, nitety an’i Galilea manontolo, izao mitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra – κώμη kome). Ambaratonga telo tsy afa-misaraka ireo. Ny fampianarana ao amin’ny sinagoga, miainga avy amin’izay mahazatra ny olona, manitsy izay mety tsy mifanaraka amin’ny tena izy, mba hahafahana mitory ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy afa-misaraka amin’ny fikolokoloana ny rahalahy azon’ny aretina sy ny rofy koa anefa ny fitoriana ny Evanjely. Azo heverina fa izany no antony nahatonga an’i Jesoa haniraka hilaza amin’i Joany izay zavatra re sy hita (Mt 11, 4), izany hoe hanambara ny fifanarahan’ny fampianarany teny an-tendrombohitra (Mt 5-7) sy ny fampiharany izany tamin’ny andavanandrom-piainana (Mt 8-9).

Ny Fiangonana dia tsy maintsy mampiseho mandrakariva fa tsy mifampisolo fa mifameno ireo zavatra roa ireo: “tsy tsara, hoy i Md Piera, raha ilaozanay mikarakara ny sakafon’ny mahantra ny fitorian-teny” (Asa 6, 2). Tsy fanilihana andraikitra izany sanatria fa kosa fampahatsiahivana ny ambaratonga tokony hananana amin’ny firosoana amin’ny finoana. Katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra dia homena anareo ho fanampiny ny sisa rehetra, hoy i Jesoa (Lk 12, 31).

Raha ny “fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona” no votoatin’ny Evanjely, dia mazava loatra fa mifanaraka amin’izany ny fomba fiainana sy ny fomba fisainan’izay vontony. Tsy mahagaga àry raha onena i Jesoa mahita ny vahoaka mijaly sy afoy toy ny ondry tsy misy mpiahy. Onena: σπλαγχνίζομαι (splanknizomai, miverina in-dimy ao amin’i Matio: 9, 36; 14, 14; 15, 32; 18, 27; 20, 34 fa efa ampiasain’i Marka ihany koa Mk 1, 41; 6, 34; 8, 2; 9, 22). Io no nandikana ny רַחוּם (raHùm). Izay mandray ny fampianaran’i Jesoa dia hahafantatra fa tsara fo sy miantra Andriamanitra (Eksaody 34,6). Tsy vitan’ny hoe mamindra fo Izy (רַחוּם raHùm) fa tsy afaka ny ho faly ary tsy mionona raha tsy mahita ny zanany miadana sy finaritra (חַנּוּן Hannùn). Ary izay te handova ny Fanjakany (te hiray aina amin’i Kristy zanany) dia hiala amin’ny toe-tsaina manavakavaka tahaka ny Farisiana (Φαρισαῖος, פָּרַשׁ parash: manavaka, manasaraka) izay mihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa ka mitady izay fomba rehetra hanaratsiana izay mahavita soa bebe kokoa noho izy; ny zanaky ny fahazavana dia tsy afaka ny ho faly manoloana ny fahorian’ny hafa, na fahoriana ara-panahy io na fahoriana ara-batana, ka hitady izay fomba rehetra hanasoavana azy ireo.

Ny antony mampahonena an’i Jesoa dia satria tsy tanteraka ny vavak’i Moizy ho an’i Josoe mba hisy mpiandry hitondra ny vahoakan’Andriamanitra hiditra sy hivoaka ho amin’ny fahasambarany (Fanisana 27, 16-17).

Izy Tompo no mpiandry, porofom-pitiavana Azy no hahafoizan-tena hamahana ny ondriny (Jn 21, 15-17) saingy tsy ireo rehetra mamahana ny ondriny no manao izany noho ny fitiavana Azy,  ary raha sanatria misongona io fitiavana io ny fitiavam-bola sy ny fitiavam-boninahitra dia loza no manjo ny ondry. Ampahatsiahivin’i Jesoa an’ireo te hanara-dia Azy fa Andriamanitra no maniraka mpiasa hikarakara ny ondriny, tsy manira-tena izay mamkeny an-tanimboly fa vokatry ny vavaka atao amin’ny Tompom-bary mba “haniraka” ny mpiasa hitondra ny vokatra any an-tsopitra. ἐκβάλλω (ekballo) moa no nadika hoe « maniraka », fa raha ny tena marina dia hoe manipy any ivelany, ary azo adika hoe: manery mihitsy aza. Tsy hambom-pon’ny mpianatra sanatria fa sitrapon’ny Ray, ary fitokisana avy Aminy (mandidy ny iraka) no hahafahana miasa ao amin’ny tanim-boalobony. Mila mivavaka araka izany, satria izay miombon’aina amin’Andriamanitra ihany no afaka hitia ny hafa araka ny fitiavan’Andriamanitra. 

Izany no mahatonga an’i Paoly hilaza fa ny fitiavan’i Kristy no manery ny Apôstôly (2 Kor 5, 14) ka loza ho azy raha tsy mitory ny Evanjely izy (1 Kor 9, 16). Hitombo ao am-pontsika anie ny fitiavana hahafahantsika hibanjina ny asan’Andriamanitra mampahavokatra ny zanany ho mendrika ny fiainana mandrakizay.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy faha-14 mandavantaona
PREVIOUS
Sabotsy faha-13 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.