KRISTY MPANJAKAN’IZAO TONTOLO IZAO
Taona A
Ezekiela 34,11-12.15-17
Salamo 22
1 Kôrintianina 15,20-26a.28
Md Matio 25,31-46
Ny hampanjaka an’i Kristy no maha-kristianina antsika
Ny fandalinana izany rehetra izany no mahatonga saina antsika isan’andro handinika hoe : fa inona marina moa ity “Fanjakan’Andriamanitra” irintsika ho tonga isan’andro ity, isaky ny manonona ny Rainay any an-danitra isika ! Ho tonga anie ny Fanjakanao ! (Lk 11,2).
Azontsika halalinina ny pejy roa hanazavan’ny Papa Benoit XVI io vavaka io ao amin’ny bokiny. Ny tiako hifampizarana aminao etoana dia ny nilazany fa “i Jesoa no Fanjakan’Andriamanitra tonga nofo”, hany ka ny fangatahana ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra araka izany, dia ny faniriana mba hiombona bebe kokoa amin’i Jesoa, ho tonga vatana iray Aminy” (Ga 3,28), ary fangatahana mba hiombonan’ny olona rehetra Aminy koa (1Kôr 15,26-28), toy ny hanirian’i Kristy hamondronana ny zavatra rehetra ao Aminy, tamin’ny alalan’ny Rany teo amin’ny hazofijaliana (Kôl 1,2-20).
Ambaran’ny Litorjia anio fa raha Mpanjakantsika marina tokoa i Kristy dia hiezaka handresy ny fanandevozan’ny fahotana isika, ary matoky fa handresy ampian’ny fahasoavany ka vonona hampanjaka ny Fanjakan’ny Fahamarinana sy ny Fiainana, Fanjakan’ny fahamasinana sy ny fahasoavana, fanjakan’ny rariny sy ny fitiavana ary ny fiadanana, izay tanisain’ny Prefasy, antony hanaovana ny Sorom-Pisaorana.
Fanjakan’ny fahamarinana ka hahatsiarovantsika fa ny fahamarinan’Andriamanitra dia manao soa ho an’ny olona tsy an-kavanavaka na ny marina na ny tsy marina, na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy (Mt 5,45) ;
fanjakan’ny Fiainana ka izay rehetra tsy fiombonana amin’ny asam-pamonjena nataon’i Jesoa dia tsy fiombonana amin’ny Fanjakany : tonga Izy mba hananan’ny olona rehetra ny fiainana ary mba hananantsika azy amin’ny hafenoany (Jo 10,10) ;
ny fanjakan’ny fahamasinana : “Aoka ho masina ianareo satria Masina aho, YHWH Andriamanitrareo Lev 19,1-18”. Ny hoe masina moa dia heverintsika fa izay tsara fitondran-tena sy tsy misy kianina eo imason’ny olombelona. Ny hoe קָדוֹשׁ (qādhōsh) dia ilazana ny zavatra voatokana ho an’Andriamanitra, ka tsy ampiasaina amin’ny zavatra hafa intsony. Raha ny fitatazan-drano amin’ny alina no enti-matsaka vao maraina, hanahirana ihany. Masina izay manaiky hanaraka ny lalàna, na ny marimarina kokoa, ny torolanana (חֻקָּה, Houqqāh, voasoratra) omen’Andriamanitra azy. Tsy dia fitokana-monina loatra fa ny fiovan-toetra hanahaka an’Andriamanitra no mahamasina. Torolalana mitondra amin’ny fahasambaran’ny hafa sy ny tena no omen’i YHWH ho an’ny vahoakany. Ny halatra, ny fitaka, ny lainga dia mampitondra faisana ny hafa. Izay mahavanon-doza amin’ny hafa dia mifanalavitra amin’izany fahamasinana izany ;
Fanjakan’ny fahasoavana : azontsika kokoa amin’ny teny hoe : fanomezam-pahasoavana, charisme, izay avy amin’ny teny hoe χάρις (charis), χαίρω (chairō), mifaly. Izany hoe ny fahasoavan’Andriamanitra loharanon’ny hafaliana ho antsika. Amin’ny fiarahaban’ny Anjely dia izany no fintinin’ny hoe. χαῖρε – chaire, κεχαριτωμένη – kecharitōmenè (parfait passif de χαριτω – charitō), ὁ κύριος μετὰ σοῦ – ho kurios meta sou. (Lk 1,28), mifalia ianao ry ilay nohasoavina.
Izao no fampianaran’ny Eglizy mikasika ireo fanomezam-pahasoavana
799. Na mampitolagaga na tsotsotra sy ambanimbany, ireo fanomezam-pahasoavana dia fahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina, ka na mivantana na tsy mivantana, dia natao hahasoa ny Fiangonana, sy narindra amin’ny fandrafetana ny Fiangonana, amin’ny fanasoavana ny olombelona ary amin’ izay ilain’izao tontolo izao.
800. Tsy izay notolorana azy ihany no tokony handray amin’ny fo feno fankasitrahana ny fanomezam-pahasoavana noraisiny fa ny rantsambatan’ny Fiangonana rehetra koa. Araka izany, harem-pahasoavana mahatalanjona tokoa izy ireny ho an’ny hery amam-paharisihina maha-apôstôly sy ho an’ny fahamasinan’ny Vatan’i Kristy manontolo, raha toa ka tena fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina tokoa izy ireny, sy ho ampiasaina amin’ny fomba mifanaraka amin’ny fitarihana marina avy amin’io Fanahy io ihany, izany hoe ho ampiasaina araka ny fitiavana, izay mari-drefy azo antoka ho an’ny fanomezam-pahasoavana (1Kôr 13).
801. Asehon’izany lafin-kevitra izany fa ilaina lalandava ny fahaiza-mandanjalanja momba ny fanomezam-pahasoavana. Tsy misy fanomezam-pahasoavana na iray aza afaka tsy mandalo eo ambany filan-kevitry ny manam-pahefana sy ny fankatoavan’ny Mpitondra Fiangonana. “Izy ireo no manana anjara manokana, tsy hamono ny Fanahy, fa hizaha toetra ny zavatra rehetra ka hitana izay tsara”, mba hiara-miasa ny fanomezam-pahasoavana rehetra, amin’ny fahasamihafana sy ny fifamenoan’izy ireo, mba “hahasoa ny be sy ny maro” (1Kôr 12,7).
Fanjakan’ny rariny, ny fitiavana sy ny fiadanana.
Teny telo hita ao amin’ny Sal 85 ireo : « tafahaona ny fitiavana (חֶסֶד – ḥesedh = hatsaram-po) sy ny fahamarinana (אֱמֶת ‘ĕmeth = fahatokisana, tsy fivadihana amin’ny teny nomena) ; Mifanoroka ny rariny (צֶדֶק tsedheq = fitandrovana ny rariny) sy ny fiadanana (שָׁלוֹם shālōm = fahalavorariana) ; ny fahamarinana (’ĕmeth) mitrebona eto an-tany, ny rariny (tsedheq) kosa mitranga eny an-danitra. » (Sal 85,9-14).
Raha dinihana tsara izany ny zavatra lazain’io Salamo io dia hoe : avy amin’ny tany, ezaka avy amintsika ny mampitrebona ny fahamarinana, izany hoe takiana amintsika ny tsy fivadihana amin’ny teny nomena, fa ny rariny kosa, ny fitsarana izay marina sy hitsiny, ny fiheverana hamaly faty na hanasazy dia an’Andriamanitra. Indraindray anefa mampalahelo fa ny marina araka ny fiheverantsika no entintsika miaina ka vitsy ny olona afaka milaza tahaka an’i Md Paoly hoe : iriko ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy raha izay no hahavonjy ny rahalahiko. Tsy afaka ny hilaza ho tena mpianatr’i Kristy anefa izay tsy mbola vonona ny hiaraka hanjaka Aminy, eo ambonin’ny hazofijaliana.
Fanjakana mandrakizay no atolotr’i Kristy ho an’ny Ray, tamin’ny nanekeny hijaly teo amin’ny Hazo ho famonjena antsika : porofom-pitiavana izany, ary ambaran’i Md Paoly fa ny fahavalo farany horesen’i Kristy dia ny fahafatesana (1Kôr 15,25-26). Hamafisin’i Md Joany izany, fa i Jesoa ilay Lahimatoa amin’ny maty dia nanasa antsika tamin’ny Rany ka nanao antsika ho fanjakana Mpisorona hanome voninahitra an’Andriamanitra (Ap 1,5-8). Mampahatsiaro antsika ny hasin’ny Batemy noraisintsika izany, fa mampahatsiaro antsika koa fa izay mbola manaiky handevozin’ny fahotana sy ny fahafatesana dia manao tsinontsinona ny fandresen’i Kristy.
Taona vitsivitsy taorian’ny faharavan’i Jerosalema (587 tal. J.-K.) rehefa nanomboka nitombo ireo tsy mifaditrovana nanararaotra ny fahantrana sy ny fahorian’ny vahoaka, no nilazan’i Ezekiela ny faminaniana henontsika tamin’ny vakiteny I teo. Andriamanitra izay mampanantena fa hiahy ny ondriny sy handinika, hitady azy (בָּקַר bāqar), dia milaza ihany koa amin’ireo mpanararaotra ny vahoakany ireo fa tsy misy lalana hafa hahafahana mivelona afa-tsy ny famerenana ny natao antoka, ny fampodiana izay nangalarina ary manaraka ny lalana mahavelona sady tsy manao ratsy intsony (Ez 34,15, tsy novakiana).
Io ny toe-po nasehon’i Jesoa antsika amin’ny maha-Mpanjaka Azy : manana fo mangoraka (σπλαγχνίζομαι – splanknizomai; splanknon = raḥamîm; jer. Mk 1,40-41 : hahita ny vahoaka tahaka ny ondry tsy misy mpiahy ka hangoraka azy ireo). Ka tahaka an’ireo nantsoin’Andriamanitra hamahana ny ondriny (jer. Ez 34,23; 37,24; Môizy ao amin’ny Fan 27,15-17…), i Jesoa sy izay te ho mpianany dia voaantso hitari-dalana ny vahoaka ho any amin’ny vilo-maitso (Sal 22). Tsy mpitango ronono na mpitafy volonondry anefa no hiantsoana ny mpiandry (Ez 34,1-11snm). Mampalahelo ny maheno ny fitakiana ny adidy atao amin’ny kristianina amin’ny toerana sasany, kanefa ny tompon’andraikitra indraindray tsy mandini-tena akory raha nahavita na tsia ny adidy tokony natao amin’izy ireny : fitoriana sy fampianarana ny tenin’Andriamanitra sy ny finoana, izay fanalàna hetaheta sy hanoanana ny vahoaka.
Hitako matetika ary lazain’ny olona koa indraindray ka mila andinihan’izay mihevitra hamaly ny antso amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa (tsy resaka pretra sy lahika anefa izany fa fiainana amin’ny maha-kristianina) ny tsy fahazakana intsony ny resa-bola eo amin’ny sehatry ny Eglizy. Sarotra tokoa manko raha ny vahoaka efa sahirana amin’ny adim-piainana no takiana adidy (raha mandray andraikitra moa dia tokony ho adidy fa tsy didy izany) kanefa ny mpitantana sasany manam-bola hodorana amin’ny rendrarendra sy ny hafinaretana izay tsy mifanaraka akory amin’ny fitondran-tena kristianina aza indraindray !
Ny Evanjely dia mampahatsiaro antsika ny fiainana mifanaraka amin’izany toe-po maha-mpiandry ondry izany, ka hahafahana handova ny fanjakana voavoatra hatrizay nahariana izao tontolo izao. Ny zanaka no mandova, ka i Kristy no ilay zanaka lahitokan’ny Ray. Henontsika tao amin’ny Evanjely anefa fa ireo sokajin’olona enina miandry ny fanasoavana avy amintsika no antsoiny hoe “rahalahy” (ἀδελφός – adelphos), izay nadikan’ny vakiteny hoe “havana” moa. Ireo mahantra ireo no efa nolazainy, tany amin’ny fiandohan’ny Evanjely fa “tompon’ny fanjakan’Andriamanitra” (Mt 5,3), ka ny fanaovana soa amin’izy ireo dia mazava loatra fa fanaovana soa ho an’ny tena ihany.
Tsy ny halehibeazana araka an’izao tontolo izao no fahamasinana mitondra antsika amin’ny fahasambarana. Ho an’izao tontolo izao, raha tonga olo-malaza ianao, raha lasa mpanefoefo, na tsy hiraharaha ny hafa aza dia izay hieboeboana no tanjona. Tokana ny aina, ka lazain’i Jesoa fa ny fampiasana izany hanasoavana ny hafa, indrindra ny noana, ny mangetaheta, ny tsy mitafy sy ny tsy manan-tafo, ny marary sy ny voailikilika (voafonja) no mampisy heviny ny fiainana.
Tsy atao mba hahafaly ny hafa anefa izany, ary tsy atao mba hahafaly akory an’Andriamanitra aza. Lazain’i Matio mazava fa ireo mpanao soa ireo dia tsy nahalala akory fa i Jesoa no nanaovany izany. Izy ireo dia manao ny asa soany amin’ny anaran’i Jesoa, fa tsy ho an’i Jesoa. Ny soa sy ny harena eo am-pelatanantsika dia tsy azo adinoina fa fanomezana (talenta) avy amin’i Jesoa ka raha zaraintsika amin’ny hafa, dia tsy tokony hireharehantsika satria tsy maintsy hanao tatitra amin’ilay nandraisana izany talenta izany (tapany faharoa amin’ny Evanjely Md Matio toko 25 novakìna tamin’ny alahady heriny).
Kisarisary maneho ireo mpiandry ondry teo amin’i Israely no ampiasain’i Jesoa mba hanazavana ny fanavahana ataony amin’ny fitsarana izay mety ho mendrika na tsia ny fanjakany. Rehefa hariva ny andro dia avahan’ny mpiandry ny biby fiompy, ny osy eo an-kavia- ary ny ondry eo an-kavanana, ny iray ao an-trano satria manifinify tsy dia misy volo loatra, ny sasany any an-tokontany satria manana volo matevina. Tsy famaliana soa araka izany no fomba fanavahan’Andriamanitra fa arakaraka ny filàna hanasoavana ny zanany. Izany no fahamarinany.
Ny fiainantsika tsy ampiasaintsika hanaovan-tsoa no mandrehitra ny afobe hivarinantsika ka hampijaly sy mety hanenenana mandrakizay. Tsy izaho sy ianao anefa no ondry sy osy fa ny fiainantsika miovaova. Sitrak’i Jesoa ho fanaovan-tsoa manontolo anefa ny fiainan’ireo mpianany satria fantany fa izany no lalam-pahasambarana ho azy ireo.
Amin’ny Vavaka nampianarin’i Jesoa antsika dia mitalaho isika mba ho tonga ny Fanjakan’ilay Ray any an-danitra. I Kristy no Tenin’Andriamanitra, tonga hanambara izany Fanjakana izany, ka ny fihainoana ny Teniny ihany no hahafahantsika mahatoky amin’ny fiorenan’ny Fanjakany eo anivontsika.
Indraindray anefa, ilay Tenin’Andriamanitra, noraiketina amin’ny Baiboly, dia mijanona ho Boky, tahaka ny boky hafa rehetra ihany, ka hovakiana mba hahalalàna an’Andriamanitra sy ny mombamomba Azy ! Indraindray adinontsika fa tsy Boky tsy akory ny Tenin’Andriamanitra, fa Andriamanitra tonga Olombelona toa antsika : i Jesoa no Tenin’Andriamanitra. Iezahantsika ary ny hamaky ny Tenin’Andriamanitra ho tahaka ny fihaonana amin’ny Mpanjakantsika, hihainoantsika ny feony, ka hanarahantsika ny marina ambarany. Tsy sanatria hisy baiko hafa ataontsika ambony noho izay lazain’ny Mpanjakantsika amintsika.
Ny Vavaka fangatahana dia mamintina izany rehetra izany. Andriamanitra izay loharanon’ny fahariana rehetra, nandefa ny Zanany mba handraisantsika anjara amin’ny Fanjaka-Mpisorona anie, hanilo ny fontsika ka hiekentsika fa fanompoana ny maha-mpanjaka, ka hanehoantsika amin’ny fahafoizan-tena hanompo ny rahalahy, ny tsy fivadihantsika amin’i Kristy, Lahimatoan’ny maty rehetra sy mpifehy ny tany tontolo, ka hitokisantsika amin’ny fandreseny ny fahafatesana ary hahatonga ny fiainantsika andavanandro ho fandraisana anjara amin’ny fanorenana ny fanjakan’ny fitiavana.
Ny hazofijaliana no seza fiandrianana nanandratana ilay mpitsara izao tontolo izao. Hiezahantsika ary ny hanao ny Famantaran’ny Hazofijaliana ho famantarana maneho fahavononana hanompo, ka hahatsiarovantsika ny fitiavana nanavotana antsika sy ny fahavononan-kanompo iantsoana antsika, ka hanekentsika hifantsika miaraka amin’ny Mpanjakantsika, tsy ho menatra na hatahotra hiaro ny marina… satria mihaino ny feony.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sitrakao ny hivondronan’ny zavatra rehetra ao amin’i Jesoa Kristy Tomponay Zanakao Lahitokana malalanao, ilay « nohosoranao diloilo firavoana ho Mpisorona mandrakizay sy ho mpanjakan’ny voaary tontolo mba hanolo-tena eo amin’ny Hazofijaliana ho sorona madio mpampihavana hanatontosa ny famonjena ny olombelona ary mba hampanaiky ny voaary rehetra » ; koa mihanta Aminao izahay, ry Ray mora fo : enga anie ny voaary rehetra afaka amin’ny fanandevozan’ny fahotana mba tsy hitsahatra ny hanompo Anao sy hankalaza Anao Avo indrindra ka ho afaka manolotra fanjakana mandrakizay manerana an’izao tontolo izao ho Anao avo indrindra, dia fanjakan’ny fahamarinana sy ny fiainana, fanjakan’ny fahamasinana sy ny fahasoavana, fanjakan’ny rariny sy ny fitiavana ary ny fiadanana (Vavaka Fangatahana sy Prefasy).