Trinitera Malagasy
Alatsinainy faha 15 mandavan-taona

Alatsinainy faha 15 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Izaia 1,11-17/Salamo 49
  • Tsy ankasa: Eksaody 1,8-14.22/Salamo 123
  • Md Matio 10,34–11,1[1]

Iza no “mendrika an’i Jesoa”? Ireo mpianatra nirahiny hitory ny Evanjely maimaim-poana, tsy hiantehitra amin’ny harena fa hitoky amin’ny fitahian’Andriamanitra (Mt 10,1-15), tsy hampiasa hery fa halemy paika toy ny zanak’ondry eo am-povoan’ny amboadia (and. 16-25), mitoky amin’ny fitiavan’ny Ray (and. 26-31) ka maneho ny maha iray tampo amin’i Kristy eo anatrehan’ny olona (and. 32-33) dia voaantso hitia ny Mpampianatra mihoatra ny zavatra rehetra, eny fa na dia ny fianakaviana, ny nahitana masoandro, ny menaky ny aina sy ny nifanapa-tsinay aza. Tsy afaka ny hiombon’aina Aminy, ho mendika Azy (ἄξιος – aksios) izay tsy tia Azy ambonin’ny zavatra rehetra, izay tsy tia Azy amin’ny fo manontolo (Dt 6, 5snm).

Ny hitondra fiadanana no anirahana ny Apôstôly, saingy fiadanana manosika ny ratsy handrovi-tsihy, toy ny zanak’ondry eo am-povoan’ny amboadia izany, ka hanery ny mpianany tsy hanara-drian-drano sanatria, fa hijoro amin’ny fahamarinana ampianarin’ny Evanjely. Adala izay miziriziry amin’ny heviny tsy misy antony, saingy manasaraka ny tsara amin’ny ratsy kosa izay mitàna ny Teny ho sabatra (μάχαιρα – machaira) roa lela (Sal 149,6), sabatra maranitra (Heb 4,12) ka na dia ho tafasaraka amin’ny havana aman-tsakaiza aza, dia hialoha lalana azy ireo kosa amin’ny lalan’ny Fiainana.

Tsy tonga hanova ny Lalàna sy ny Mpaminany i Jesoa (Mt 5,17). Tsy midika koa anefa izany fa tsy misy antony ny nahatongavany. Tsy hoe ny hampizara ny olona no kendreny fa vokatry ny fanatanterahana ny lalàna no hampizara ny fon’ny olona. I Mikea Mpaminany moa dia efa nilaza fa “ny mpifehy mitaky fanomezana, ny mpitsara mametra ny kolikoly ho azy, ary ny lehibe milaza an-karihary ny fitsiriritany…ny zanaka lahy manao an-drainy ho adala, ny zanaka vavy mitsangan-kanohitra ny reniny, ny vinantovavy hanohitra ny rafozam-bavy ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony” (Mi 7,3.6). Tsy afaka hisongona ny fitiavan’Andriamanitra anefa ny fitiavana ireo sombin’ny aina raha sanatria tsy mifanaraka amin’ny Evanjely, noho ny fitongilanana amin’ny ratsy.

Izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Azy dia tsy ho mendrika ny ho mpianany. Ny hazofijaliana, porofon’ny fitiavana, no fitaovana handresentsika ny ratsy, saingy tahaka an’i Simôna Sireneanina ihany isika, manaraka an’i Jesoa, mandray anjara amin’ny fitondrana ny hazofijaliany. Izy no mitondra ny mavesatra kokoa, Izy no mifantsika eo, ho solo voina ho antsika. Tsy afaka hiray aina Aminy izay mihevitra ny hanao tazan-davitra, ka hihevitra hanavotra ny ainy toy izany. Izay mahafoy ny fofon’ainy hiara-mitolona amin’i Kristy no mpianany, miombon’antoka Aminy ka afaka hiara-paly miombom-boninahitra Aminy koa, satria handray anjara amin’ny fandreseny.

Tsy afaka hanaraka Azy izay tsy mitondra ny Hazofijaliana (Lakroà). Eto no ampiasain’i Md Matio voalohany ny teny hoe “hazofijaliana”, izay mbola averiny avy eo amin’ny toko 16,24. Ny nadika hoe Lakroà moa, σταυρός (stauros), amin’ny teny grika dia entina ilazana ny tsatokazo (poteau) iray hiankinan’ny asa fanorenana. Avy amin’io ny teny latinina hoe in-staurare sy re-staurare, izay azontsika amin’ny teny frantsay instaurer/restaurer-restaurant (manorina, manarina). Izay te ho tonga mpianatra mendrika (ἄξιος) an’i Kristy araka izany dia tsy maintsy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanorenana (σταυρός) ny fanjakan’ny lanitra, izay andry iankinan’ny fahasambaran’ny olombelona rehetra. Ny fitondrana ny Hazofijaliana araka izany dia tsy inona fa ny fanekena hizaka ny vokatry ny fijoroantsika ho vavolombelon’ny Evanjely, ka hitia hatramin’ny farany fa tsy hanao tsobo-dranon-dRamiangaly ka raha marivo hirosoana, raha lalina hihemorana.

Fiombonana Aminy ny fanohanana ireo rehetra mitolona ho Azy. Mitovy valisoa, hoy ny Evanjely ny Mpamimany, izany hoe ireo mitory ny teny avy amin’Andriamanitra mba hiainana, sy izay nanao soa ny mpaminany, ary ny valisoa homena ny olomarina koa no homena izay olo-marina, izany hoe izay niaina araka ny Teny notorìn’ny Mpaminany; tsy ho very valisoa toy izany koa, izay nanao soa tamin’ireo mpianatra amin’ny maha mpianatra azy ireo, dia ireo madinika indrindra, satria mahantra am-panahy fa mpanan-karena amin’ny lova any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tsy voatery hahavita ny vitan’izy ireo fa izay mety ho fanohanana ataontsika ho an’ny hafa mba hahafahany manao soa dia fiombonana hafaliana sy hasambarana amin’ilay Tokana mandidy ny zavatra rehetra, ka tsy manana hafaliana afa-tsy ny mahita ny hasambaran’ny zanany ary manome ny Fanjakany ho lovan’izay miombon’antoka Aminy amin’izany famafazana hafaliana izany amin’ny fitoriana ny Evanjely. Ny valisoa omen’Andriamanitra antsika dia ny hiantsoany antsika ho zanaka mpandova ny Fianana miaraka amin’i Kristy.

Ambaran’ny fanombohan’ny toko faha-11 mamarana ny Evanjely anio moa fa i Jesoa no ilay iraky ny Ray, avy nampianatra ny mpianany 12 dia niala teo ka nandeha nampianatra sy nitory ny tanàna manodidina. Izy ihany no mampianatra sy mitory ao amin’ny Fiangonany.

Hahay hifanohana amin’ny Mpaminany sy ny olomarina mbamin’ny mpianatr’i Kristy rehetra anie isika mba handray ny valisoan’ny lanitra miaraka amin’izy ireo.

[1]Jereo Alahady faha-13 Taona A

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy faha 15 mandavan-taona
PREVIOUS
ALAHADY FAHA 15 MANDAVAN-TAONA – Taona B
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.