Trinitera Malagasy
ALAHADY FAHA 15 MANDAVAN-TAONA – Taona B

ALAHADY FAHA 15 MANDAVAN-TAONA – Taona B

Njara Pascal
  • Amôsy 7,12-15
  • Salamo 84
  • Efezianina 1,3-14
  • Md Marka 6, 7-13

Nofidìn’Andriamanitra isika mba hirahiny

Avy nandinika ny andraikitra sahanin’ny Mpaminany isika, dia ny tokony hitoriany ny tenin’Andriamanitra na misy mpihaino na tsy misy! (Ez 2,2-5 jereo Alahady faha 14B) dia ambaran’ny vakiteny I amintsika anio ny tantaran’i Amôsy (7,12-15), Mpaminany avy amin’ny tapany atsimo (Tekoe, tananan’i Jodà) voairaka ho any amin’i Israely, tapany avaratra (Am 1,1) saingy, toa zary fanelingelenana ho an’ny vahoaka tavaratra… Mafy koa raha mafy ny teny nafitsok’i Amasiasa tamin’i Amosy: “mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Jodà, ka any ianao no mihinàna hanina”, izany hoe : mandehana miverina any an-tanindrazanao, fa any ianao no afaka maminany tsara ka ho voky. Heverin’i Amasiasa fa maminany ho filan-kanina manko i Amôsy. Ny zavatra tena ratsy, ary mitory fihatsaram-belatsihy, dia i Amasiasa mampirisika azy handositra, saingy izy ihany no nanasohaso ny Mpanjaka, hitati-bolana mba hankahala an’i Amôsy!

Raha vao miteny mikasika an’i Betela dia tsara tsaroana mandrakariva i Abrahama izay nanorina Otely teo (Jen 12,8) fa ny tena zava-dehibe dia ny nisehoan’i YHWH tamin’i Jakôba teo indroa miantoana hanavaozana ny fanekem-pihavanana tamin’i Abrahama (Jen 28,12-19; 35,7-15) ary nahatonga io toerana io ho toeran’ny safidy hanariana ny sampy rehetra tsy mifanaraka amin’ny fanompoana an’i YHWH. Mbola miverina moa ny filazana an’i Betela amin’ity taona ity.

Io toerana io moa no nofidìn’i Jerobôama I (931 tal. K.) hanorenana Tempoly ho an’ny Fanjakana avaratra tafasaraka ka naniry hanana toeram-pivavahana mifanetsaka amin’i Jerosalema, ary eo no isehoan’ny tantaran’i Amôsy, tamin’ny andron’i Jeroboama II (750 tal. K). Lasa tsinontsinona i Betela, hoy Amôsy (Am 5,5) satria tsy mifanaraka amin’ny fanompoam-pivavahana intsony ny fomba fiainana. Mazava loatra fa raha ny zavatra ataon’ny olona rehareha no tsinontsinoavina, dia hiakatra ny hambom-pony.

Tsy tokony ho sakana ho an’izay hiasa ho an’ny fahamarinana anefa izany. Mazava ny hafatr’i Kristy amin’izay te ho mpianany: mihevi-tena ho mpivahiny mandrakariva ka mivonona hanainga amin’ny fotoana rehetra. “Aza mitondra na inona na inona afa-tsy tehina ihany fa ny tongotra no asiana kapa”, mova tsy ny Jody nihinana ny sakafon’ny Paka mialoha ny hialana tany Ejipta! (Mk 6,8// Eks 12,11, momba ny fanamian’izay handeha hivahiny).

Tsy ho fitadiavan-kanina anefa no hiasana ho an’ny Tompo, saingy mendrika homen-kanina ny mpikarama (Mt 10,10) kanefa tsy tokony hifidy izay trano tsara fandray kokoa, fa hianina ao amin’izay trano nandray voalohany mandra-piala eo an-tanàna. I Matio moa, mamaritra ny iraka hampanaovina ny Apôstôly: “Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana” (Mt 10,8). Dia mety hanontany tena isika hoe: fa aiza izany fahefana izany? Sa sanatria tsy nifindra tamin’ireo dimbiny ny fahefana nomena ny Apôstôly? Angamba hoy aho, ny Evanjely tamin’ny heriny (Alahady faha-14B) no handinihantsika tena: “Afaka manao fahagagana eo anivontsika ve i Jesoa?” (Mk 6,5)

Ny Salamo 84 (jereo ny alahady II Fiaviana) ihany koa dia mampahatsiaro antsika ny adidy aman’andraikitra manandrify antsika, na eo aza ny Tompo milaza fiadanana ho an’ny olona mivavaka aminy raha tahiny tsy miverina amin’ny fahadalany indray izy ireo. (Sal 84). « Tafahaona ny fitiavana (חֶסֶד ḥesedh = hatsaram-po) sy ny fahamarinana (אֱמֶת ’emeth = fahatokisana, tsy fivadihana amin’ny teny nomena). Mifanoroka ny rariny (צֶדֶק- tsedheq = fitandrovana ny rariny) sy ny fiadanana (שָׁלוֹם shalōm = fahalavorariana); ny fahamarinana (‘emeth) mitrebona eto an-tany, ny rariny (tsedheq) kosa mitranga eny an-danitra. » (Sal 85,9-14).

Ny fahamarinana mitrebona avy amin’ny tany, fahamarinana, izay lazain’ny Papa Benoît XVI amin’ny taratasy ansiklika farany nosoratany (Caritas in veritate) fa fanilo manome heviny sy lanjany ny fitiavana mba tsy hijanona ho sentosento fotsiny ihany (n. 3). Dia izany fiezahana hampamokatra ny fahamarinana izany no hampitranga ny rariny eny an-danitra. Rariny izay nofaritan’ny Taratasin’i Md Paoly ho an’ny Efezianina ny amin’ny nifidianan’Andriamanitra antsika talohan’ny nahariana izao tontolo izao mba ho masina sy tsy hanantsiny eo anatrehany (Ef 1,3-14). Amin’ny fandavorariana izany fiantsoan’Andriamanitra (vocation) izany ihany, no handavorariantsika koa ny maha olona antsika, ka tsy ho fireharehana amin’ny ezaka vita sanatria, fa fankasitrahana sy fitoriana ny hatsaran’ilay “nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izay nanasoavany antsika tao amin’ilay Malalany, izay nahazoantsika ny Fanavotana tamin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotana araka ny haben’ny fahasoavany” (Ef 1,6).

  • Md Marka 6,6-13

Niantso ny roa ambin’ny folo ho eo Aminy i Jesoa ary nanome azy ireo ny fahefana hifehy ny fanahy maloto. Zarainy amin’ny Mpianany ny fahefana izay nasehony hatreto, saingy tsiroaroa no nanirahany ny mpianany mba hilazana fa tsy misy afaka hijoro ho mpianany raha tsy miombona amin’ny Eglizy, raha tsy miorina ao amin’ny fitiavana, raha tsy mandravona indray ilay firahalahiana noravan’ny avonavona sy ny fialonana tany am-piandohana. Naniraka azy ireo Izy hiaina ny fahantrana, hatoky ny fitsimbinan’Andriamanitra, ary tsy hanao tahaka ny mahazatra hatrizay, tsy hiandry ny olona any an-tempoly na any am-pianarana, na any an’efitra tahaka an’i Joany, fa hanatona azy ireo any an-tranony, hitondra any an-tranon’ny olona ny hazavan’ny Evanjely, “évangélisation de proximité”, hoy i Papa François, izay tsy zava-baovao izany fa miorina amin’ny Evanjely.

Tsy tokony hanavesatra ny dia amin’ny firongoana zavatra tsy ilaina izay te hitory ny Evanjely: tena ilaina ve ny miketrika finday iray manana batterie matanjaka, fiara sy moto matanjaka afaka amin’ny lalan-dratsy, akanjo sy kiraro hoentina mamonjy fety, vola hatao fiandry…? Ho an’i Matio, na ny tehina aza tsy ilaina, ka na dia ny hany fitaovam-piadian’ny mahantra aza dia tsy tokony hoentina (Mt 10,10), tsy hieritreritra hiaro tena amin’ny mety ho fanafihana manko ny mpianatra fa tonga hitondra fiadanana, eny fa na dia tahaka ny zanak’ondry alefa eo am-povoan’ny amboadia aza.

Tsy araka izay heviny ao amin’i Matio izay anefa ho an’i Marka: ny tehina, manambara ny herin’Andriamanitra no nentin’i Môizy hanafaka ny vahoaka hebrio teo ambany fanandevozan’ny Faraôna (Eks 7,9-12; 10,13; 14,16; 17,5-6) ka izay herin’Andriamanitra izay koa no tsy maintsy hitokisan’ny Mpianatra izay maniry hanafaka ny olona tsy handevozin’ny fanahy maloto. Ny Tenin’Andriamanitra no Sabatra entintsika mitolona, hoy i Md Paoly. Izay mihevitra fa arakaraka ny habetsaky ny vola sy ny fananana ampiasaina no hampahomby ny asa fitoriana dia ho sasa-poana ihany satria tsy hiasa araka ny fisainan’i Jesoa, tsy hiasa araka ny Fanahiny. Tsy midika izany fa tsy ilaina ny vola sy ny fitaovana, saingy tsy ireny no laharam-pahamehana. Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, hoy i Jesoa.

Hanao kapa ireo voairaka. Ny andevo manko no tsy mikapa. Olon’afaka izy ireo ary miaina ny hafalian’ny Evanjely. Tsy an-tery fa an-tsitra-po no andehanany mitory. Tsy hitondra akanjo roa. Ny akanjo moa dia manambara ny fomba fiainana, milaza ny maha izy azy ny olona ety ivelany. Tsy tokony hiroaroa fiaina izany ny Mpianatra (double personnalité), fa ho tokam-po, hadio fo, hanokana ny fiainana manontolo ho an’ny Evanjely.

Ambaran’i Jesoa fa ny fisehoana ho malemy, tsy hahavita tena fa mila namana mandrakariva, avy eo mbola miankina amin’izay mampiantrano koa, mihinana izay harosony, mifampizara ny manta sy ny masaka, izany no lalana tokana hahafahana mitory ny teny. Ny fisehosehoana ho mahery, manam-bola na manam-pahaizana, hihevitra ho mahavita tena na hihevitra ho manan-karena hafa ankoatry ny Evanjely, dia sakana tsy hahafahan’ny Teny mitsiry, mamàka ary mamoa ka hitondra vokatra.

Ny tsy fifindrafindrana trano dia tsy midika sanatria fikatonana amin’ny fianakaviana iray, fa mba tsy hahazoan’ny fakam-panahy hisafidy izay metimety na izay tiatiana. Tsy zoviana amintsika ny fanafintohinana ateraky ny fanangonan-karena ataon’ireo mieritreritra ho mpitory ny Evanjely.

Ny tokony himasoan’ireo mamaly ny antso dia ny fomba fiainan’izy ireo maneho taratra ny Evanjely torìny. Raha mandray ny olona, arahaba soa arahaba tsara. Raha tsy mandray kosa izy, dia na ny vovoka manaraka ny tongotra aza mila hahintsana sao sanatria ny hatezerana noho izany tsy fandraisana izany no hahatonga antsika ho ratsiratsy kokoa noho izy ireo, tsy ho fiampangàna azy ireo araka ny dikan-teny ananantsika, fa ho fijoroana ho vavolombelona (μαρτύριον – marturion) ho azy ireo, hilazana fa na  eo anatrehan’ny amboadia aza, dia mijanona ho zanak’ondry, toa ilay Zanak’ondry ny Mpianatra.

Mampalahelo ny mahita tompon’andraikitra tokony haneho ny famindram-pon’Andriamanitra kanefa tonga mpanao didiko felehibe ka mamingavinga ny olona, lasa “liona”, mihevitra ny hafa ho fakofako sy tsinontsinona. Tsy ambony noho ny zo sy ny fahafahan’ny olona na oviana na oviana ny lalàna. Ny Sabata no natao ho an’ny olona. Ilay Ray “tsara” aza namela ny zanany handany ny fananany tamin’ny mpivaro-tena sy ny filibana, ary “manao fety” amin’ny fiverenany ao an-trano.

Mila fibebahana izany. Fibebahana ho an’izay te hamaly ny antso voalohany indrindra. Fa fibebahana ihany koa mba handraisantsika ny Teny. Izay ihany no hahafahantsika miaina ny fahafahana maha zanaka handroahana ny demony sy izay rehetra manakana ny hazavana tsy hihazo ny fon’ny olombelona. Tsy ny herintsika fa ny fahefan’i Jesoa nomeny antsika no hahafahantsika manitatra ny fanjakany. 

Isika tsirairay àry, hahatsiaro ho voafidy, ka tsy hanadino ny iraka hanendrena antsika, ho vavolombelon’ny Tenin’Andriamanitra, ho fitaovana hampiposaka ny hazavan’ny fahamarinany mba hampody lalana ny maniasia ka hitsipaka izay mifanohitra amin’ny anarana entintsika ka hifikitra amin’izay tena maha kristianina marina (Vavaka fangatahana).

Tompo mahery sady Ray be fitiavana lanao, ry Andriamanitra, ka amin’ny alalan’ny Vaovao Mahafaly no itarihanao anay zanakao hanaraka ny lalana tena izy. Koa avoty amin’izay mety hanampontsampona anay izahay; ary ny herin’ny Teninao sy ny Fanahy Masina anie no hanampy anay amin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa Tomponay.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alatsinainy faha 15 mandavan-taona
PREVIOUS
Sabotsy faha 14 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ALAHADY FAHA 6 MANDAVAN-TAONA – Taona A
  • Sabotsy fahadimy mandavan-taona
  • Zoma fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Alarobia fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • ALAHADY FAHA 6 MANDAVAN-TAONA – Taona A 14 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.