Trinitera Malagasy
Alakamisy fahefatra mandavan-taona

Alakamisy fahefatra mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa: Hebrio 12,18-19.21-24/Salamo 47/
  • Ankasa: 1Mpanjaka 2,1-4.10-12/Salamo 39/
  • Md Marka 6,6-13

Niantso ny roa ambin’ny folo ho eo aminy i Jesoa ary nanome azy ireo ny fahefana hifehy ny fanahy maloto. Zarainy amin’ny Mpianany ny fahefana izay nasehony hatreto, saingy tsiroaroa no nanirahany ny mpianatra mba hilazana fa tsy misy afaka ny hijoro ho mpianany raha tsy miombona amin’ny Eglizy, raha tsy miorina ao amin’ny fitiavana, raha tsy mandravona indray ilay firahalahiana noravan’ny avonavona sy ny fialonana tany am-piandohana. Naniraka azy ireo Izy hiaina ny fahantrana, hatoky ny fitsimbinan’Andriamanitra, ary tsy hanao tahaka ny mahazatra hatrizay, tsy hiandry ny olona any an-tempoly na any am-pianarana, na any an’efitra tahaka an’i Joany, fa hanatona azy ireo any an-tranony, hitondra any an-tranon’ny olona ny hazavan’ny Evanjely, “évangélisation de proximité”, hoy i Papa François, izay tsy zava-baovao izany fa miorina amin’ny Evanjely.

Tsy tokony hanavesatra ny dia amin’ny firongoana zavatra tsy ilaina izay te hitory ny Evanjely: tena ilaina ve ny miketrika finday iray manana batterie matanjaka, fiara sy moto matanjaka afaka amin’ny lalan-dratsy, akanjo sy kiraro hisoloana sy hoentina mamonjy fety, vola hatao fiandry…? Ho an’i Matio, na ny tehana aza tsy ilaina, ka na dia hany fitaovam-piadian’ny mahantra aza dia tsy tokony hoentina akory (Mt 10,10), tsy hieritreritra hiaro tena amin’ny mety ho fanafihana manko ny Mpianatra fa tonga hitondra fiadanana, eny fa na dia tahaka ny zanak’ondry alefa eo am-pofoan’ny amboadia aza.

Tsy araka izay heviny ao amin’i Matio izay anefa ho an’i Marka: ny tehina, manambara ny herin’Andriamanitra no nentin’i Môizy hahafaka ny Vahoaka Hebrio teo ambany fanandevozan’ny Faraona (Eks 7,9-12; 10,13; 14,16; 17,5-6) ka izay herin’Andriamanitra izay koa no tsy maintsy hitokisan’ny Mpianatra maniry ny hanafaka ny olona tsy ho andevozin’ny fanahy maloto. Ny Tenin’Andriamanitra no Sabatra entintsika mitolona, hoy i Md Paoly. Izay mihevitra fa arakaraky habetsaky ny vola sy ny fananana ampiasaina no hampahomby ny asa fitoriana dia ho sasa-poana ihany satria tsy hiasa araka ny fisainan’i Jesoa, tsy hiasa araka ny Fanahiny. Tsy midika izany fa tsy ilaina ny vola sy ny fitaovana, saingy tsy ireny no laharam-pahamehana. Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, hoy i Jesoa.

Hanao kapa ireo voairaka. Ny andevo manko no tsy mikapa. Olona afaka izy ireo ary miaina ny hafalian’ny Evanjely. Tsy an-tery fa an-tsitra-po no andehanany mitory. Tsy hitondra akanjo roa. Ny akanjo moa dia manambara ny fomba fiainana, milaza ny maha izy azy ny olona ety ivelany. Tsy tokony hiroroa fiaina izany ny Mpianatra (double personnalité), fa ho tokam-po, hadio fo, hanokana ny fiainana manontolo ho an’ny Evanjely.

Ambaran’i Jesoa fa ny fisehoana ho malemy, miankina amin’izay mampiantrano, mihinana izay harosony, mifampizara ny manta sy ny masaka, no lalana tokana hahafahana mitory ny teny. Ny fisehosehoana ho mahery, manam-bola na manam-pahaizana, manan-karena hafa ankoatry ny Evanjely, dia sakana tsy hahafahan’ny Teny mitsiry, mamàka ary mamoa ka hitondra vokatra.

Ny tsy fifindrafindrana trano dia tsy midika sanatria fikatonana amin’ny fianakaviana iray, fa mba tsy hahazoan’ny fakam-panahy hisafidy izay metimety na izay tiatiana. Tsy zoviana amintsika ny fanafintohinana ateraky ny fanangonan-karena ataon’ireo mieritreritra ho mpitory ny Evanjely.

Ny tokony himasoan’ireo mamaly ny antso dia ny fomba fiainan’izy ireo maneho taratra ny Evanjely torìny. Raha mandray ny olona, arahaba soa arahaba tsara. Raha tsy mandray kosa izy, dia na ny vovoka manaraka ny tongotra aza mila hahintsana sao sanatria ny hatezerana noho izany tsy fandraisana iznay hahatonga antsika ho ratsiratsy kokoa noho izy ireo, tsy ho fiampangàna azy ireo araka ny dikan-teny ananantsika, fa ho fijoroana ho vavolombelona (μαρτύριον – marturion) ho azy ireo, hilazana fa na eo anatrehan’ny amboadia aza, dia mijanona ho zanak’ondry, toa ilay Zanak’ondry ny Mpianatra.

Mampalahelo rehefa mahita tompon’andraikitra tokony haneho ny famindram-pon’Andriamanitra no tonga mpanao didiko-fehy-lehibe ka mamingavinga ny olona, lasa “liona”, mihevitra ny hafa ho fakofako sy tsinontsinona. Tsy ambony noho ny zo sy ny fahafahan’ny olona na oviana na oviana ny lalàna. Ny Sabata no natao ho an’ny olona. Ilay Ray “tsara” aza namela ny zanany handany ny fanany amin’ny mpivaro-tena sy ny filibana, ary “manao fety” amin’ny fiverenany ao an-trano.

Mila fibebahana izany. Fibebahana ho an’izay te hamaly ny antso voalohany indrindra. Fa fibebahana ihany koa mba handraisantsika ny Teny. Izay ihany no hahafahantsika miaina ny fahafahana maha zanaka handroaka ny demony sy izay rehetra manakana ny hazavana tsy hihazo ny fon’ny olombelona. Tsy ny herintsika fa ny fahefan’i Jesoa nomeny antsika no hahafahantsika manitatra ny fanjakany.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
2 fevrier:ny nanolorana ny Tompo 
PREVIOUS
Alarobia faha-efatra mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.