Trinitera Malagasy
Alakamisy faha-34 mandavan-taona

Alakamisy faha-34 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Fanambarana 18, 1-2, 21-23; 19, 1-9/Salamo 99
  • Tsy ankasa Daniela 6, 12-28/Daniela 3, 68-74
  • Md Lioka 21, 20-28

Rehefa maheno ny teny hoe Apokalipsa isika dia indraindray faharavana sy fahapotehana no masaka ao an-tsaina, satria izany no be mpilaza sy mampiasa amin’ny fomba fiteny andavanandro. Fanambarana anefa no heviny, entin’ny mpanoratra hanehoana ny tsiambaratelon’ny zava-mihafina. Eto i Md Lioka dia manampy antsika handinika ny zava-misy sy hamaky izany amin’ny hazavan’ny Fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona mba hahafahantsika mandray ny fanambaran’Andriamanitra.  

Raha tsy izany dia hanahirana na dia ny hihaino sy hahazo izany hatezeran’Andriamanitra mafy izay handringana ny olon-drehetra amin’ny sabatra izany, satria tsy afaka ny hiambo ho tsara noho izay heverintsika ho tsy mpino isika. Izany no mahatonga ahy hamerina mandrakariva fa ny fotoana fiandrasantsika ny farandro dia fotoan’ny “tolona” – satria manosika hiasa – sady fotoanan’ny fandinihana, satria raha tsy mendrika ny maha-izy antsika ny fomba fiainantsika, dia ho zary andro mahatahotra ho antsika ny fiavian’ny Tompo.

Ny fizorana toy ny zanaky ny mazava anefa dia manembantsembana ireo izay nisafidy hitakiky ao amin’ny haizin’ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-boninahitra, araka ny efa nolazaintsika omaly. Tsy mahagaga araka izany ny fisamborana sy ny fanaovana an-tranomaizina. Tsy natao hampihemotra anefa izany, hoy i Jesoa satria “occasion” hahafahana mijoro ho vavolombelona. Ny manam-pahefana sy ny mpanjaka mety hanampatra ny fahefany dia tsy hahasakana antsika tsy hiaina ny fitiavana. Izany fitiavana izany no hahafahana mampiteny ny Fanahy, izay hanome antsika fahendrena tsy azon’ny fahavalo hotoherina, no sady hanome antsika kosa ny faharetana. Tsy azo adino na oviana na oviana, araka ny efa nolazaina omaly,  fa ny fahatsapana ho tia sy notiavina ihany no hahafahana miharitra fijaliana sy manohy “manantena na dia tsy misy tokony hanantenaina” aza (Rom 4, 18).

Tsara ho marihana fa efa rava ny Tempolin’i Jerosalema tamin’ny fotoana nanoratan’i Md Lioka ny Evanjeliny. Kanefa araka ny filazany, ny any Jodea handositra any an-tendrombohitra, ny any an-tanàna hivoaka any ivelany. Toa mifanohitra amin’ny fahendrena sy ny fanao mahazatra ny olona anefa izany, satria ny tanàna sy ny mandany aza no mety hiarovan-tena kokoa, noho ny fivoahana hifanehatra amin’ny fahavalo. Ny tiany holazaina amin’izany koa anefa dia ny hiakarana amin’ny toerana avo, hanakatra ny fijerin’Andriamanitra mba hahita toa Azy koa ny zava-misy; hiala ao an-tanàna, tsy hihainohaino fa hivoaka hiasa, hanohy ny fivelomana sy ny fiatrehana ny fiainana, fa koa hiala amin’ny mahazatra (ny tanàna moa ilazana ny toe-tsaina mikombona), ho sahy hanandrana fiainana vaovao, ka izay efa nanaiky hiasa any amin’ny saha, tsy hiverin-dalana halahelo ny tanàna efa nilaozana. Asan’ny Fanahy no manavao ny endriky ny tany, ka izay manaiky hiasan’ny Fanahy dia misokatra ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany.

Tsy famaizan’Andriamanitra anefa, Izy aza no fay, maty teo amin’ny hazofijaliana, fa famaizan’ny Romana, namalifaty, kanefa koa fanehoana fa tsy afaka ny hiantehitra amin’izay heveriny ho rehareha, ho tsara (tempoly tsy hisy vato mifanongoha), ho hery sy fiarovana ho azy ra-olombelona. Ny vehivavy bevohoka sy ny mitaiza kely anefa no hahita loza amin’izany (οὐαί ouai). Ny fanambaran’i Daniela (Dan 8, 13) ny amin’i Jerosalema hohitsakitsahin’ny tsy mpino, hitan’ny kristianina fa tanteraka dia entin’i Lioka hanampy antsika mba hiova famindra satria famonoan-tena ny tsy fanarahana ny lalam-pahasambarana atoron’ny Tompo. Tsy fiarovana izay heverintsika ho tsara sy sarobidy no maha-kristianina antsika, eny fa na dia mamirapiratra tahaka ny Tempolin’i Jerosalema aza izany, fa ny fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika mandrakizay.

Aoka tsy harebirebin’ny olona amin’izay loza etsy sy eroa isika. Rehefa mamirapiratra amintsika ilay Masoandro manazava ny olon-drehetra, hoy i Joany, dia tsy hila masoandro na volana hanazava azy intsony ny tanàna (Apok 22, 5). Izay mahita fa ny fahafatesan’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana ho fisehoany am-pahefana sy voninahitra no afaka hampitràka ny lohany ka hihira ny famonjena efa akaiky, hahafahany miala amin’ny fibanjinana ny zavatry ny tany, ka hibanjina ny zavatra any ambonin’ny rahona, any amin’izay itoeran’i Kristy, hoy Md Paoly (Kolosy 3, 1)

Hiara-mitsangana amin’i Kristy, ho amin’ny fiainam-baovao anie isika manaiky hanara-dia azy amin’ny lalam-pitiavana, eny fa na dia hitondrana fijaliana aza izany matetika.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
30 novambra: Md Andre Apostoly
PREVIOUS
Alarobia faha-34 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.