Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-26 mandavan-taona

Sabotsy faha-26 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Joba 42, 1-17/Salamo 118
  • Tsy ankasa Baròka 4, 5-29/Salamo 78
  • Md Lioka 10, 17-24

Ny valisoan’izay manaiky ho iraka dia ny hafaliana amin’ny fandraisana anjara amin’ny asam-pamonjena. Izay mahita ny “vokatra marobe” ihany anefa no afaka mifaly ka manadino ny harerahana sy ny mety ho fijaliana niaretana. Faly ny Mpianatra satria resy ny demony: mandray anjara amin’ny fandresen’i Kristy koa ny mpianany. Faly izy ireo satria nomen’Andriamanitra ny olona indray ilay fahasoavana nahariany azy, ka tsy hisy hampaninona azy intsony ny herin’ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny fahavalo rehetra. Fa ny antom-pifaliana lehibe indrindra, hoy i Jesoa dia satria efa voasoratra any an-danitra ny anaran’ireo manaiky ho mpianany, tonga fianakavian’Andriamanitra, mpiray lova amin’ny olomasina (Efezy 2, 19.22). 

Araka izany, tsy hoe any an-danitra akory vao ho faly ny mpianatra. Tsy valisoan’ny soa vita ny lanitra fa fiainam-pahasambarana kosa atolotry ny Ray hiainan’ny zanany rehetra, eny fa na dia aorian’ity fiainana ity ihany aza vao afaka migòka izany amin’ny hafenoany isika, saingy efa afaka manandrana izany sahady dieny ety an-tany. Ho amin’izany fahasambarana izany no anomezan’i Jesoa ny fahefana mba tsy ho simban’ny herin’ny maizina (Fahendrena 1, 14; 2, 24), ka izay mety ho fijaliana ateraky ny fahotantsika sy ny an’ny hafa amin’ity fiainana ity dia tsy hanaloka velively ny hafaliana ateraky ny Evanjely (Asa 5, 41). 

Amin’ny anaran’i Jesoa no mampanaiky ny demony sy handresena azy. Nomen’i Jesoa fahefana ny Apôstôly, fahefana (ἐξουσία exousia) moa no mitovy amin’ny Shaltan (araméen), niavian’ny sultan (Soltân) ampiasain’ny “musulmans”. Ny fahefany feno no ampitain’i Jesoa amin’ny mpianany. Amin’ny anaran’i Jesoa no mahatonga ny mpianatra ho mpitondra fiadanana marina ka hiantso ny Fanahy Masina na dia ho an’ny olona nifandrafy taminy taloha aza (Asa 8, 15-17). 

Ny andininy 21-22 kosa dia milaza in-dimy ny Ray, in-telo ny Zanaka ary indray mandeha kosa ny Fanahy Masina. Antsan-karavoana ataon’ny Zanaka amin’ny fitsinjovan’ny Ray manokana ny madinika, nanehoany ny tsiambaratelon’ny fanjakany, izany hoe ny fananganan’Izy Ray antsika rehetra ho zanany ao amin’i Kristy, nanaiky hidina hatrany amin’ny “afobe” (hades) mba hanavotra an’i Kafarnaoma. Hafaliana ao amin’ny Fanahy Masina, Ain’Andriamanitra, izany ka tsy azon’ny olombelona hotakarina amin’ny hoza-dohany. 

Amin’ny alalan’i Kristy ihany no hahafahantsika mahalala ny Ray ka ho sambatra amin’izany fahalalana azy izany, io no fiainana mandrakizay (Jo 17). Ny fibanjinana Azy sy ny fihainoana ny Teniny no lalam-pahasambarana ho antsika, satria mandio ny endrik’Andriamanintra tompointsika ka hampifanaraka ny fiainantsika amin’izany. Ny hazavany no hahafahantsika mibanjina ny hazavana (Salamo 36, 10) ka hahatonga antsika koa ho fahazavan’izao tontolo izao. 

Hitombo ao amintsika anie ny faniriana sy finiavana hihaino, handalina sy hiaina ny Tenin’i Kristy, hahalalantsika bebe kokoa ny Ray ka hizorantsika ny lalam-pahasambarana atorony ho an’izay mino. 

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha-26 mandavan-taona
PREVIOUS
Zoma faha-26 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.