Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-20 mandavan-taona

Sabotsy faha-20 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Ezekiela 43, 1-7/Salamo 84
  • Tsy ankasa Bokin’i Rota 2, 1-17/Salamo 127
  • Md Matio 23, 1-12

Aza miantso olona ety an-tany hoe “mompera”, ho rainareo, fa iray ihany ny Rainareo dia izay any an-danitra. Aza mety atao hoe ῥαββί (mon grand, “Ngahy lehibehiko” raha ara-bakiteny, anaram-panajana entin’ny Jody maintso ny mpampianatra azy), fa iray ihany no mpampianatra  anareo dia i Kristy izay miantso ny mpanara-dia Azy rehetra ho “rahalahy”. Ny hoe Mpampianatra moa dia διδάσκαλος araka ny LXX fa καθηγητής (kathegetes) no fampiasa andavanandro, avy amin’ny ἡγέομαι (Hêgéomai) izay midika hoe mitarika, mialoha lalana, ary adika hoe “docteur” amin’ny teny frantsay ka ampiasain’ny dikanteny grika sasany (BYZ, par ex.), fa noho io teny io, anaram-boninahitra fampiasan’ny Farisiana dia tsy tian’i Md Matio ampiasaina ao amin’ny Eglizy manara-dia an’i Kristy. Ny vahoaka sy ny mpianany moa no nilazan’i Jesoa izany fampianarana izany. Ny antony voalohany dia ny mba tsy hahatafintohina izay mahita ny fiatsaram-belatsihy sy ny “incohérence” afitsok’ireo izay mipetraka eo amin’ny “sezan’i Moizy”.

Izay mihevitra ny hifehy ny hafa amin’ny fampiarana ny lalàna sy ny famaizana dia mamita-tena ihany ary mandoto ny endrik’ilay Ray niantso an’i Moizy hanafaka ny olona amin’ny fanandevozana. Izay manaiky an’Andriamanitra ho Ray dia mahatsapa fa ny Fanahin’Izy Tompo ihany, ilay Fanahy Fitiavana no afaka mitondra ny olona amin’ny marina ary ny fahamarinana no hanafaka azy ireo.

Antsoin’ny Evanjely isika mba handini-tena sao sanatria ny fahefana eo am-pelatanantsika ampiasaintsika hamoretana sy hampitondrana enta-mavesatra ny olona, satria “milaza fotsiny fa tsy manao”. Ny an’i Jesoa dia maivana ny entany ary ny jiogany no asainy entina.[1]  Rehefa miaina izay ampianarintsika isika no mitombo ao amin’ny fitiavana, tahaka an’Andriamanitra manome ny didiny ho antsika. Ny hoe nadika hoe “Didy” moa dia ἐντολή izay avy amin’ny hoe ἐντέλλομαι (entellomai: “en” – miaraka – sy “telos”), ka ny τέλειος (teleios) dia izay lavorary. Ny didy araka izany dia ny fahalavorarian’Andriamanitra miara-dalana amintsika satria te hizara ny fiainany amintsika ka ny fitiavana no hahafahana manatanteraka izany. Ho an’ny Mpianatr’i Jesoa, ny Evanjely toriany dia ny hafaliana vokatry ny fiainany araka ny fampianarana sy ny ohatra nomen’i Kristy, ary mahatsapa tena mandrakariva fa tsy tompony ka “tsy manao jàdona fa mpandray anjara amin’izany fampandrosoana ny hafaliana izany fotsiny” (2 Kor 1, 24).

Tsy sanatria ny fitondrana “filakitera” lehibebe kokoa noho ny hafa no hilazantsika fa tia ny Soratra Masina isika. Raha ny voninahitra eo imason’ny olona anefa no katsahintsika dia hamita-tena ihany isika satria na ho ela na ho haingana dia hanalavitra ny fitiavana ny fontsika, satria tsy ny hahasambatra ny hafa no hokatsahina fa ny hisehoana ho ambony noho ny hafa.

Ny κράσπεδον (kraspedon, צִיצִת – tsytsit, en hébreux) izay tiana ho lavalava kokoa (μεγαλύνω megaluno, mirentirenty) dia ny sahondran’akanjo jaky volomparasy didian’ny lalàna mba hatao amin’ny zorony efatry ny akanjo mba hahatsiarovana fa voaantso ho masina ho an’Andriamanitra ny vahoaka Izy no Tompo Andriamanitra nanafaka azy ireo avy amin’ny tanin’ny fanandevozana, ka tsy misy lalana hafa hahamasina afa-tsy ny fitandremana ny Lalàna (Fanisana 15, 37-41, Det 22, 12).  Sao sanatria mampiasa rano voahasina isika, miambozona lakroà, saingy tsy te hiala amin’ny olona tranainy nodiovin’ny batemy ary mandà mafy ny hitondra ny hazofijaliana takian’ny antsom-pitiavana amintsika isan’andro vaky. Tsy manao fahagagana ny zava-masina fa mampahatsiaro antsika kosa ny fahasoavana efa narotsak’Andriamanitra ao am-pontsika, fahasoavana tsy hiasa raha tsy miara-miasa amin’ny sitrapontsika.

Raha mba ho hitan’ny olona kosa no hanaovana izany rehetra izany dia tsara hotsaroana mandrakariva ny hafatr’i Md Paoly hoe: mifananinana hifanaja, προηγέομαι (proegeomai), hifaninana hanao tsara laza ny hafa noho ny tena (Rm 12, 10). Sarotra izany raha toa ka ny hantsoina hoe “Rabbì”, “mon grand” no himatimatesana. Tsy azo adinoina fa ao amin’ny Evanjelin’i Md Matio dia i Jodasy irery ihany no niantso an’i Jesoa hoe “Rabbì” (Mt 26, 25) fa ny mpianatra rehetra kosa niantso Azy ho “Tompo” (Κύριος, Mt 26, 22).

Hivelomantsika isan’andro anie ny tsiokan’ny Fanahy manangana antsika ho zanaka mpandova, ka handraisantsika sy hitiavantsika toy ny iray tam-po ny olombelona rehetra, ka hifaninanantsika ho lehibe, hanahaka ny halehibeazan’i Kristy Jesoa izay tsy nanao ho zavatra nobaboiny ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra fa naneho ny haben’ny fitiavany tamin’ny nietreny ho tonga olombelona mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra (Fil 2, 6-7). Tsy sanatria amintsika no hisy hihevitra ho ambony noho ny hafa ka hanadino fa “mpirahalahy avokoa isika rehetra”, miantso ilay “Ray any an-danitra”.

[1] ὁ γὰρ ζυγός μου χρηστὸς καὶ τὸ φορτίον μου ἐλαφρόν ἐστιν (Mt 11,30 Byz)ara-bakiteny : fa mifanaraka amin’ny zava-misy (mora entina) ny jiogako, ary maivana ny entako, satria Izy no mitondra azy mialoha antsika.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-21 Taona A Mandavan-taona
PREVIOUS
Zoma faha-20 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.