Trinitera Malagasy
Alakamisy faha-20 mandavan-taona

Alakamisy faha-20 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Ezekiela 36, 23-28/Salamo 50
  • Tsy ankasa Mpitsara 11, 29-39a/Salamo 39
  • Md Matio 22, 1-14

“Ry sakaiza, nahoana ianao no miditra eto nefa tsy miankanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?”

Maimaim-poana ny fiantsoana, ny rehetra no antsoina ka nahoana indray ary no hilàna vaniny izay miditra ao? Tsara ho fantatra aloha fa tsy araka ny fombantsika ny fomba nahazatra tamin’izany. Ny antsika dia ilay voaantso no mivaky loha mitady sy misafidy izay akanjo hanaovana. Tamin’izany kosa dia tolorana ny akanjo ho entina mamonjy izany fety izany izy ka tsininy sy tsy fivakian-doha kosa raha toa ka tsy miakanjo araka ny tokony ho izy. Amin’ny litorjian’ny Batemy moa dia averina io fanolorana ny akanjo fitondra amin’ny fampakarana io, ka ny fitahirizantsika ny “akanjo fotsy madio”, dia i Kristy no hahafantarana antsika ho zanaka ka afaka mandray anjara amin’ny fanasana sy hiara-mandova Aminy ny Fanjakana.

Fanoharana no ilazan’i Jesoa ny fanirian’ny Ray (tompon’ny tanimboaloboka sy Mpanjaka) mampiantso (καλέω kaleo) ny olona rehetra ho amin’ny fampakaram-badin’ny Zanany. Sambatra hoy isika izay voaantso amin’izany, isaky ny manandratra ny Hostia voavaky ny pretra. Ny Fampakaram-bady moa no endrika kanto sady lalina indrindra entin’Andriamanitra maneho ny fifandraisany amin’ny olombelona (Osea 2, 16-25): ny fitiavan’ny mpivady dia maneho ny fahafoizan-tena tanteraka hifanolorana haha-tena iray. Fony mbola mpanota isika, hoy i Md Poaly no maty ho antsika i Kristy (Rm 5, 6-11), nanandratra antsika ho vady, ho iray aina Aminy ary marika izany fa tia antsika Andriamanitra. Tsy ny rehetra anefa no manaiky handao ny zava-tsoa heveriny ho sarobidy (Mamôna) ka hanaiky handray Azy ho “mpampiakatra”, hanaiky ho iray aina Aminy. Mampalahelo aza fa ny iraka miantso azy ho amin’ny fahasambarana indray no tevatevaina sy atao maty vono.

Ny fandavan’ireo voaasa dia nanjary fisokafan’ny fanasana ho an’ny olona rehetra (asa saina nahazo an’i Paoly nanoratra ho an’ny Kristianina tany Roma novakiana tamin’ireto alahady nifanesisesy ireto moa izany). Ny fanenjehana tao Jerosalema no nahatonga ny Eglizy niely eran’i Samaria sy ny tany manodidina ka tonga hatraty amintsika koa aza ny Evanjely. Ny fandringanana sy ny fandoroana tanàna dia mety ho azo heverina mikasika ny fandravan’ny Romanina an’i Jerosalema ny taona 70, saingy ireo iraka (Apôstôly) kosa dia nasain’ny mpanjaka nankany amin’ny fihaonan-dalana, na ny marimarina kokoa hatrany amin’ny faran’ny lalala (διέξοδος diexodos), hatrany amin’ny faravazantany (Asa 1, 8) mba hiantso ny olona hilomano (batemy) ao anatin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra (Mt 28, 19 ss), ka nangoniny (συνάγω sunago) avokoa na tsara na ratsy, tahaka ny harato natsipy any anaty rano (Mt 13, 47-48).

Rehefa feno ihany ny trano fampakarana vao miditra hizaha ny mpihinana ny Mpanjaka. Tsy afaka ny hiditra ka hamono ny omby matavy manko Izy, hoy i Md Lioka (Lk 15) raha mbola misy zanany iray tsy tafaverina eo. Tsy afaka ny hitoetra ao amin’ny fanjakany anefa izay tsy miaina ny maha-zanaka, izay tsy afaka ny hifaly amin’ny fiverenan’ny zandriny nania, ka izay tsy mitafy an’i Kristy Zanaka lahitokana, izany hoe tsy miaina araka ny sitrapon’ilay Ray maniraka mba hiasa any an-tanim-boaloboka, dia tsy afaka ny hijoro an-kafaliana eo anatrehany. Tsy afaka ny hanome tsiny Azy anefa isika satria ny akanjon’io Zanany io aza dia nafoiny ho an’ireo namono Azy (Mt 27, 35).

Ny hahavonjy ny olona rehetra no sitrapon’Andriamanitra (1 Tim 2, 4). Tsy ho sanatria anie isika no hanary ny akanjo hoentintsika mandray anjara amin’ny fanasan’ilay Ray tia ny hampiombona antsika ho “Eglizy”, voaantso toy ny ampakarina mitsena an’i Kristy ilay Mpampiakatra.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma faha-20 mandavan-taona
PREVIOUS
Alarobia faha-20 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.