Trinitera Malagasy
Talata faha-16 mandavan-taona

Talata faha-16 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Mikea 7, 14-15.18-20/ Salamo 84
  • Tsy ankasa Eksaody 14, 21 – 15, 1 / Eksaody 15, 9-10.12.17
  • Md Matio 12, 46-50

Iza no reniko ary iza no iray tampo Amiko? Mazava ny valintenin’i Jesoa: izay miara-mihinana Aminy, miara-mitory ny Tenin’ny fiainana Aminy satria vonona ny hanao mandrakariva ny sitrapon’ny Ray. Ireo fianakaviana nipoiran’i Jesoa, nahita sy naheno ny fampianarany, toa mifanohitra amin’ny mahazatra sy amin’izay nangatahan’ireo mpitondra fahizay, dia nihevitra Azy ho very saina (Mk 3, 21) ka naniry hiresaka Aminy mba handresy lahatra Azy tsy hanao afa-tsy izay mifanaraka amin’ny mahazatra. Tsy mahagaga izany satria fahadalana ho an’ny olona ny fahendren’Andriamanitra, hoy i Md Paoly (1 Kor 1, 17 – 2, 16).

Mialoha ny hitantarana ity Evanjely anio ity dia mitantara ny mikasika ny fanahy maloto izay maniry hiverina ao amin’izay nivoahany i Md Matio, ka rehefa mahita azy voadio sy milamina dia mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa. Izay tsy manaiky handray ny famantaran’i Jonasa dia ho ratsy fiafara, na dia hihevitra ny tenany ho madio sy milamina tsara aza.  

Amin’ireo izay mihaino Azy no ilazan’i Jesoa hoe iza moa no reniny sy rahalahiny. I Maria dia reniny satria nanao “eny” hatrany tamin’izay nangatahin’Andriamanitra taminy. Izay toa azy, manaiky ho fitaovana ampiasain’Andriamanitra hanatanterahany ny fandaharam-pamonjeny no maha-tonga teny ny nofo. Ireo mihaino azy no anatsorany ny tanany (ἐκτείνω ekteino), omeny ny fahefana ihany koa handresy ny ratsy. Teo amin’Israely ny vehivavy tsy afaka ny ho tonga mpianatra, ho an’i Jesoa kosa, izay mihaino ny feony sy manatanteraka ny sitrapon’ny Ray, na lahy na vavy, dia tonga mpianany, lasa iray tam-po Aminy, iray aina Aminy.

Tsy azo adinoina ihany koa anefa ny nahazo an’i Jesoa, satria izay maniry hanaraka Azy dia tsy hanana lalan-kafa afa-tsy ny nodiaviny, ka raha tsy matotra ny fanapahan-kevitra, dia tahaka ny fanahy maloto ihany, hiverin-dalana hody any amin’izay nivoahana ihany koa. Fakam-panahy ho an’i Jesoa ny fahatongavan’ny fianakaviany. I Joany Batista nisalasala amin’ny maha-Mesia Azy (Mt 11, 2-15), ny taranaka niara-belona taminy tsy nahazo izay nolazainy (Mt 11, 16-24); ny Farisianina nitady izay hahafaty Azy (Mt 12, 14), lazain’Izy ireo fa mpiara-miasa amin’ny Demony (Mt 12, 24) ka angatahany famantarana (Mt 12, 38ss), ankoatry ny voalaza teny am-piandohana fa nolazain’ny havany fa very saina Izy (Mk 3, 21). Tsy irery anefa Izy, ka izay matoky ny fitiavan’ny Ray ary manaiky handray ny Teniny no afaka miombon’antoka Aminy, ho tonga fianakavian’Andriamanitra.

Raha sanatria fimenomenomana hamakiana teny voalahatra ny vavaka ataontsika na sentosentom-po hitanisana ny fahoriana na ny hafalian’ny olombelona fotsiny, tsy hitondra amin’izany maha-fianakaviany antsika izany. Ny reniny sy ny rahalahiny tao ivelany dia mba naniry koa hiresaka tamin’i Jesoa. Tsy ampy ny faniriana hiresaka, mila mihaino Azy koa isika. Izay mandray ny Teny no mahazo ny fahefana hahatongavana ho zanak’Andriamanitra hoy i Md Joany (Jo 1, 12ss). Ny hasambarana lehibe indrindra ho an’ny olona araka izany dia ny ho tonga reharehan’Andriamanitra satria zanany, miombon’antoka Aminy amin’ny fanitarana ny fanjakany.

Hitombo ao amintsika anie ny faniriana ho tonga zanak’Andriamanitra, hikatsahantsika sy hanatanterahantsika ny sitrapony ka nahatonga ny fiainantsika ho taratry ny fahamasinany.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
25 jolay: Md Jakoba Zokiny
Apostoly Martiry
PREVIOUS
Alatsinainy faha-16 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.