Trinitera Malagasy
25 jolay: Md Jakoba Zokiny
Apostoly Martiry

25 jolay: Md Jakoba Zokiny
Apostoly Martiry

Njara Pascal
  •  2 Kor 4, 7-15
  • Salamo 125
  • Md Matio 20, 20-28

Apostoly zanak’i Zebede sy Maria Salôme, zokin’i Joany ary zafin’olom-pirahavavy amin’i Jesoa Kristy. Mpanarato niaraka tamin’i Zebede rainy izy no nantsoin’ny Tompo ho tonga mpanarato olona, hanaraka Azy amin’ny lalan’ny Evanjely. Araka ny lovantsofina dia talohan’ny fetin’ny paka ny taona 44 (43?) izy no nosamborina ary notapahin-doha araka ny didim-pitsaran’i Herôda Agripà.

“Siny tany no hitondrana ny rakitry ny fahasoavan’Andriamanitra” hoy i Md Paoly. Ambaran’ny Prefasy amin’ny fankalazana ny Martiry moa fa ny “herin’Andriamanitra no hanampiany ny fahosan’ireo olomasiny sy hankaherezany ny halemeny hitsanganany ho vavolombelona” ka ny ra afoin’ny martiry dia mampiharihary izany heriny izany. Ny halehiben’ny herin’ny Evanjely izany no ankalazaintsika amin’ny fankalazana an’i Md Jakoba izao.

Fanirian’ny olona ny hahazo voninahitra. Ny renin’ny zanak’i Zebede, na ny marimarina kokoa, tsy ny reniny -Salome- fa i Joany sy Jakoba mihitsy no nangataka (Mk 10, 35-40) ho tanan-kavia sy havanan’i Jesoa ao amin’ny Fanjakany, saingy nolazain’i Matio hoe ny reniny mba tsy hanalana baraka azy roalahy izay tsy notononiny anarana akory, mbola veloma manko i Joany tamin’ny nanoratany ny Evanjely. Tsy mbola azon’izy ireo ny fampianaran’i Jesoa. Tahaka ny ankizy  sasany hanao kômonio voalohany sy kônfirmasiô ihany io. Vitsy no mihevitra ny handà tena, hitondra ny hazofijaliana ka hiaina ny maha-kristianina isan’andro. Ny fety, ny sakafo sy ny fanomezana no mahamay ny sasany. Ny tsy hohadalaina amin’ny fianarana katesizy aza no ao an-tsain’ny sasany. Na ny maha-pretra aza, tsy afenina, fa indraindray tolona vao mahafola-tena hanompo tokoa araka ny Evanjely, indrindra rehefa tsy mifanaraka amin’ny sitra-pon’ny tena ny zava-misy takian’ny fitoriana ny Evanjely. Jesoa etsy an-daniny milaza ny hahafatesany, izy roalahy kosa eo an-kilany mbola mieritreritra ny seza fiandrianana ihany. Tsy fantany izay nangatahiny.

Iza no te hipetraka eo an-kavia sy an-kavanan’i Jesoa? Iza no te hihantona eo anilany amin’ny andro hanandratana Azy? Fantatsika fa jiolahy roa no teo. Mbola hisotro ny kapoaka (izay sazy ho an’ny mpanota Jeremia 25, 15; Izaia 51, 17; Salamo 75, 9) ihany izy roalahy fa tsy mbola amin’ity indray mitoraka ity aloha. I Jakoba maty martiry manodidina ny 41-44 tamin’ny nitondran’i Eroda Agripà I, araka ny voalazan’ny Asa 12, 2, izay efa natsiditsika teny ambony. Ho an’izay nanamboarana azy ny toerana, hoy i Jesoa. Ampahatsiahiviny isika fa tsy ny faniriana ny ho lehibe no ratsy fa ny fiheverana ny atao hoe lehibe no mety ho diso ka handiso koa ny fiainana sy ny fanantenana. Mandrafitra ny lalàna fototra tiany hijoroan’ny Fiangonany i Jesoa. Amporisihiny ho tonga “lohany” ny mpianany, saingy lehibe sy filoha hifaninana hifanompo.

Ny eo amin’ny Jentily, ny olona nahazo andraikitra hanompo ny vahoaka, mifehy azy fatratra, ary antsoina ho “mpanao soa”, sponsors (avy amin’ny teny latinina spondere, mampanantena am-pahibemaso) aza (jereo Lk 22,25). Ho an’izay te ho mpianatr’i Jesoa kosa, tsy ny fanjakazakana fa ny fanompoana no maha-lehibe, ka ny tanjona iombonana dia ny fanavotana ny olona rehetra, ary ny tambim-bidy hatolotra ho amin’izany (λύτρον lytron) dia ny tena manontolo. Tsy hamaly faty ny ratsy sanatria fa ho mpanavotra (גָּאַל, ga’al, jereo Joba 19, 25-27). Ny mpanavotra, “go’el” amin’ny teny hebrio, dia entina hilazana ilay havana mandray an-tanana ny trosan’ny olona iray (satria havany) tsy voalohany intsony, ka ny fandoavana izany (na ny fanolorana ny tena ho antoka aza) no hamerenana aminy ny taniny sy ny fahafahany ary hiarovana ny zony sy ny ainy. Izay te hanaraka an’i Jesoa araka izany dia tsy maintsy miditra amin’io toetsaim-panavotana io, ka ho tonga havan’ny olon-drehetra, indrindra ny mpanota, hanolotra hatramin’ny aina ho takalom-pahafahana ho azy ireo.  

Ho vonona hisotro ny kapoakan’ny Tompo anie isika ka hataon’Andriamanitra sakaizany (Tononkira Kômonio).

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha-16 mandavan-taona
PREVIOUS
Talata faha-16 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • 21 septambra: Md Matio, Apostoly sy Evanjelista
  • Alakamisy faha-24 mandavan-taona
  • Alarobia faha-24 mandavan-taona
  • Talata faha-24 mandavan-taona
  • Alatsinainy faha-24 mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    septembre 2023
    D L M M J V S
     12
    3456789
    10111213141516
    17181920212223
    24252627282930
    « Août    

    Archives

    Articles récents

    • 21 septambra: Md Matio, Apostoly sy Evanjelista 21 septembre 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.