Ny Fo Masin’i Jesoa
Ny Fankalazana ny Fitiavan’Andriamanitra nasehon’ny Fo Masin’i Jesoa antsika dia andro tsy manampaharoa ho antsika hanavaozana ny zoto-po hanamasin-tena ary tsy hoe kisendrasendra no nanokanana ity andro ity ho fanamasinan-tenan’ny Pretra.
« Ry Fon’i Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po, ataovy manahaka ny fonao ny fonay ». Izany no vavaka ataontsika matetika ho fanajana sy fangataham-pahasoavana amin’ny Fo Masin’i Jesoa. Tsy vokatry ny sentosentom-po anefa izany fa araka ny hafany ho antsika ihany : « Nomeko ohatra ianareo mba hanaovanareo tahaka ny nataoko taminareo » (Jn 13, 15).
Tsy mihanona amin’ny fahendren’ny Ntaolo fotsiny araka izany ny fifankatiavana Kristiana. Tsy mihanona amin’ny hoe tia ny namana tahaka ny tena. Mihoatra izany satria ho tia ny namana tahaka ny « hitiavan’i Jesoa ». Tsy ny tena sy izay mety ho fanendreny araka izany no handanjalanja izay tokony hatao. Ao amin’ny Fon’i Jesoa no hakantsika ny oha-pitiavana. Ao no higohantsika ny fitiavan’Andriamanitra, indrindra amin’ireo Sakramenta nomeny antsika hanamasinantsika tena, araka ny lazain’ny Prefasy hoe » niboiboika avy amin’ny Fon’i Jesoa, ny rano sy Ra, loharanon’izany Sakramenta izany. »
Sady miarahaba ireo Fikambanan-dRelijiozy mitondra manokana ny anarana sy ny Fanajana ny Fo Masin’i Jesoa ary isika androany, no hanavao ihany koa ny fitokisantsika ny fitiavan’Andriamanitra, izay miantso antsika hanankina ny Fijaliantsika eo am-pelatanany ka hahaizantsika hitondra izany tahaka ny nitondran’i Kristy ny Jioga nentiny nanavotany antsika. Ny fanolorantsika ny fahoriantsika sy ny fahorian’ny olombelona rehetra ho sorom-panavotana miaraka amin’ny Soron’i Kristy no manamaivana ny Jioga entintsika satria tsapantsika amin’izany ny hasarobidin’ny fitiavana ary izany no manamafy orina ny finoantsika.
Ireo Vakiteny ankalazana ny fankalazana ny Fetin’ny Fo Masin’i Jesoa dia manampy antsika hibanjina ny misterin’ny Fitiavan’Andriamanitra Ray asehony miharihary ao amin’ny Zanany.
Mampahatsiaro ny maha-olom-boafidin’Andriamanitra antsika ny Vakiteny I A (Det 7, 6-11), ka raha avy amin’Andriamanitra isika, hoy i Joany (Vakiteny II A 1 Joany 4, 7-16), dia ny « fitiavana » no hitsarana antsika, ka fitiavana tsy araka ny fiheverantsika fa araka ny nitiavany antsika ka izay mitoetra ao amin’ny Fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra. Didy iray mahafoaka be anefa ny Fitiavana, ka tsara ny hametsoventsointsika ny antsan’ny Fitiavana navelan’i Md Paoly ho antsika : Ilay fanomezana ambony indrindra (I Kor 13), mba hamelombelomantsika isan’andro ny Fitiavan’Andriamanitra asehony amintsika. Izay mahatsiaro ho notiavina no afaka hiantsa ny Salamo 102 (setriny A) satria sady manasitrana ny aretim-panahy Andriamanitra, sady mamela heloka no manasitrana ny aretina rehetra, manavotra ny aina amin’ny hady ary manolotra fitiavana sy indrafo.
“Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany”. Ny nadika hoe “misaotra moa eto dia ny teny hoe ἐξομολογέω (exomologeo) izay tsy fisaorana fe fisaorana fa ny fahafantarana ny olona iray araka ny maha-izy azy. Ny tsy fahalalàna ny tena endrik’Andriamanitra dia mety hampidi-doza tahaka ny nahazo an’i Betsaida sy Kôrazìn, satria hisafidy ny lalan-diso hitondra mankamin’ny fahaverezana.
Ambaran’i Jesoa amintsika fa rehefa sendra ny fijaliana isika satria manonja ny vesatry ny hazofijaliana, (σταυρός, stauros, amin’ny teny grika dia entina ilazana ny tsatokazo iray hiankinan’ny asa fanorenana) dia mila miverina amin’ny fibanjinana Azy, hany fanambarana (révélation) ny Ray, mba tsy hanompoana andriamanitra hamarina antsika any amin’ny fitorean’ny maty. Tsy fahalalana vokatry ny fiezahan’ny sain’olombelona anefa izany fa fahalalana asehon’ny Zanaka amin’izay tiany hanehoana ny Ray, ka ireo tso-po no nanambarany izany. Ny tso-po moa no nandikana ny νήπιος (nepios) fa raha ny marina dia hoe zaza bodo no tena dikany, ny ankizy tsy mahavita tena fa miankina mandrakariva amin’ny hafa. Zava-mahagaga sy mahatalanjona ataon’Andriamanitra ny hanafoana ny fahendrena sy hampanjavona ny fahalalana avy amin’ny ezaky ny olona (Izaia 29, 14) ka tsy hitoriana afa-tsy Kristy voafantsika tamin’ny hazofijaliana izay fanafintohinana ho an’ny Jody sy hadalana ho an’ny hafa firenena (1 Kor 1, 23). Io no fanambarana ny tena endrik’ilay Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy ka hahalalantsika (ἐπιγινώσκω epiginosko) Azy marina tokoa, hahafahantsika miray petsapetsa Aminy, tonga fianakaviana iray Aminy. Ny tso-po, ny νήπιος no afaka handova ny fanjakany, satria tsy hiankina amin’ny fahendrena amam-pahaizany fa hanankina ny aminy rehetra amin’ilay Ray tia ny zanany rehetra.
Mankanesa aty amiko (δεῦτε πρός με Mt 11,28 BYZ)) ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana. Antsoin’i Jesoa ho eo anilany ireo izay nantsoiny hanaraka Azy (δεῦτε ὀπίσω μου Mt 4,19 BYZ), antsoinymba hitondra ny jiogany. “Mora entina ny jiogany, ary maivana ny didiny »[1] (Evanjely Mt 11, 25-30). Atao ahoana anefa ny hahazo izany tenin’i Kristy izany rehefa sendra ny mangidy tsy telina sy ny patsa iray tsy omby vava?
Ny Jioga dia fantatsika fa tandindon’ny fanandevozana[2], fitaovana atao eo an-tsoroky ny biby ampiasaina, na mety hanambarana azy hiara-miasa. Ny jioka koa anefa, teo amin’ny fomba fiheveran’ireo mpampianatr’Israely dia nentina nilazana ny Torah, nisy ny nantsoina hoe “‘ol malkhout shama’ìm”, jiogan’ny fanjakan’ny lanitra hilazana ny fanarahana ny Lalàn’ny Fanjakan’ny lanitra (עָלַל, ‘alal, agir sévèrement). Raha miantso antsika hitondra ny jiogany ary i Kristy, jioga inona no tiany hoentintsika?
Izay mitondra ny jiogan’i Kristy aloha dia manaiky ny hiasa ho Azy. Izy rahateo no efa mitondra ny jioga. Ny jioga moa, amin’ny traikefam-piainana hitantsika no hahafahana mampiasa ny tanjaky ny biby zogaina araka ny ilana azy (sarety, angadin’omby…), io ny jioga manandevo, satria ny tombontsoan’ilay mpanjoga ny omby no tadiavina. “Sasa-poana ny mifoha maraim-be sy ny miari-tory tara fandriana mba hihinana ny hanim-pahoriana”, hoy ny Salamo 127, 2a. Ho an’i Jesoa dia efa tsinjon’ny Ray izay ilain’ny zanany tiany, ka “tolorany soa, dieny mbola matory am-pandriana” (Sal 127, 2b).
Mba hahazoana izany jioga, izay vesatra kanefa lazain’i Jesoa fa maivana izany, dia azontsika dinihina ny salohim-bary. Ny salohy manakofa dia mihatrana, manondro lanitra; ny salohy matoy kosa, miondrika an-tany, mitolefika, mizaka ny vesatry ny voa. Izay mahatsapa fa ny fahavokarana no mampilofika azy, ho sambatra satria tsy hitondra akofa ho pahon’ny rivotra sanatria fa vokatra hameno hafaliana ny mpamboly kosa.
Fa ny jioga koa no manambatra antsika amin’izay tsy maintsy hiara-miasa amintsika. Io ilay hazofijaliana[3] takian’ny fifankatiavana araka ny ambaran’ny Evanjely amintsika : « naniraka ny mpianany tsiroaroa i Kristy » (Mk 6, 7)[4], mba hampiseho ny hatsaran’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy (Sal 133,1) hahalalan’ny olona ireo mpianany.
Tsy zavatra mandeha ho azy anefa ny fanehoana izany fifankatiavana izany eo anivon’ny fiaraha-monina, araka ny fahendren-drazana hoe : « Ny havan-tiana tsy hiaraha-monina« , saingy niainany niaraka tamin’ny hoe : « ny ela maharay roa« . Ao amin’i Kristy malemy fanahy sy manetry tena ao am-po no hianarantsika mitia. Ny salamo setriny (Sal 144) dia mitanisa ny hatsaran’Andriamanitra, ilay miantso antsika ho lavorary tahaka Azy (Mt 5, 48 //Lk 6, 36) : hantra sy mangoraka, tsy malaky tezitra, tsara amin’izay atao rehetra, marina sy tsara fo, mamonjy izay miantso azy. Ny fiainana toy izany no hahazoantsika fiadanana ao am-pontsika.
Amin’ny Taona B dia ny Bokin’i Osea Mpaminany no vakiana, mampahatsiaro ilay fitiavan-dreny (rahamim) itiavan’Andriamanitra antsika na dia eo aza ny tsy fitandremantsika ny lalany, ka izay mahatsapa izany dia tsy hisalasala hiantsa sy hitory ny zava-bitan’Andriamanitra anehoany ny fahamasinany (Izaia 12, setriny B). Fahasoavana no hahafahana mitory amin’ny jentily ny haren’i Kristy ka hahafahan’izy ireo koa hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra (Efezy 3, 8-12.14-19 Taona B).
[1] ὁ γὰρ ζυγός μου χρηστὸς καὶ τὸ φορτίον μου ἐλαφρόν ἐστιν (Mt 11,30 Byz)ara-bakiteny : fa mifanaraka amin’ny zava-misy (mora entina) ny jiogako, ary maivana ny entako…
[2] Azo jerena ohatra Jen 27,40; Lev 26,13; Fanis 19,2; Det 21,3; 28,48; 1 Sam 6,7; 1 Mpanj 12,4, 9ff, 14; 2 Tant 10,4, 9ff, 14; Isa 9,4; 10,27; 14,25; 23,10; 47,6; 58,6, 9; Jer 2,20; 5,5; 27,8, 11f; 28,2, 4, 10ff; 30,8; Fitom 1,14; 3,27; 5,5; Ezek 30,18; 34,27; Osea 11,4; Nah 1,13; Mat 11,29f; Asa 15,10; 2 Cor 6,14; Gal 5,1; 1 Tim 6,1 milaza ny momba ny jioga.
[3] Jereo alahady faha-13 A
[4] Jn 13, 35