Trinitera Malagasy
Alakamisy II Paka

Alakamisy II Paka

Njara Pascal
  • Asa 5, 26-33
  • Salamo 33
  • Md Joany 3, 31-36

Natao an-tranomaizina ny Apôstôly satria olana ho an’ny Lehiben’ny Mpisorona sy ny mpiandany aminy na ny famantarana sy ny fahagagana nataony fa indrindra indrindra ny fitomboan’ny mpino isa isan’andro isan’andro. Ny Tompo anefa maniraka mandrakariva ny Anjeliny hiaro ny mpanompony.

Ny Apôstôly moa mitoky amin’ny Fanahy Masina, ny Lehiben’ny Tempoly kosa mila mpiambina mba hitondra ny Apôstôly eo anatrehan’ny fitsarana avo, na dia izy ireo ihany aza no hanadina ny Apôstôly. Adinon’izy ireo, hoy i Beda le Vénérable ny loza niriny ho an’ny tenany sy ny taranany momba ny ran’i Jesoa (Mt 27, 25).

Amin’ny valinteny nataon’ny Apôstôly, hoy i Md Jean Chrysostome dia hita ny fivoaram-panahiny. Tsy namaly intsony izy ireo hoe “aoka ianareo ihany no ho mpitsara” (Asa 4, 19) fa “Ilay natsangan’Andriamanitra, Izy no torinay”. Tsy ny hahazo voninahitra eo imason’ny Sanedrìna intsony no tanjon’ny Apôstôly fa ny hitady fomba rehetra hialan’ireo mpanadina amin’ny fahadisoany.

I Jesoa nasandratr’Andriamanitra ho eo an-kavanany no handrotsahany amintsika ny fahasoavana hibebahana sy ho voavela heloka. Tsy ny hampitomany na hahamenatra amin’ny heloka vita, araka izany no laharam-pahamehan’ny Apôstôly fa ny hanambara fa lehibe noho ny fahotantsika olombelona ny famindram-pon’Andriamanitra. Vavolombelon’izany izy ireo sy ny Fanahy Masina. Tsy afaka ny hijoro ho vavolombelona izay tsy atambatry ny Fanahy Masina.

Tsy afaka ny hanana izany fitokisana izany anefa afa-tsy izay efa nanandrana ny hatsaram-pon’ny Tompo (Salamo setriny) ka mahafantatra ary mino fa tsy manadino ny mpanompony Andriamanitra sy manafaka azy mandrakariva amin’ny sarotra, eny fa na dia amin’ny fandalovana amin’ny fahafatesana aza no anatanterahany izany, mba hampiharihariany ny heriny amin’ny fananganany ho velona.

Ny Evanjely (tsy tohin’ny resak’i Jesoa sy Nikodema intsony tahaka ny fampidirana ao amin’ny Boky Sorona Masina fa valintenin’i Joany Batista amin’ny Mpianany, taorian’ny nilazany fa i Jesoa tsy maintsy mitombo fa i Jesoa kosa tsy maintsy mihena) dia maneho amintsika ny fahalehibeazan’i Jesoa, ilay avy any an-danitra, tonga hampianatra antsika ny fisainana araka ny lanitra. Tsy izay hitany sy reny fotsiny, hoy i Md Jean Chrysostome, no nambaran’i Jesoa tamintsika fa ny maha-Izy Azy mihitsy, ny fiainan’Andriamanitra nivelomany, Izy no ilay Teny, Tenin’ny Ray, tsy maheno ny tenany Izy araka izany fa Izy mihitsy no ilay Teny tonga nofo, manana ny hafenoana tsy misy fetran’ny Fanahy, ilazan’ny Ray amintsika amin’ny tenany sy ny fiainany manontolo ny tsiambaratelon’ny Fitiavany. Izy no hafenoan’ny fanomezam-pahasoavana, ho antsika kosa, ratsam-batana miray ho tena iray ao Aminy dia samy mahazo ny fanomezam-pahasoavana handrafetana ny fiombonana (1 Kor 12,8).

Tia ny Zanaka ny Ray ka nanome Azy ny zavatra rehetra. Ka angaha tsy tia an’i Joany na i Paoly koa Izy, hoy Md Augustin, ka nahoana no tsy nomeny ny zavatra rehetra koa ireo? Dia izy ihany moa no manome ny valiny, milaza fa fitiavan-janaka lahitokana ny an’ny Ray, ary Zanaka mitovy Aminy amin’ny maha-Andriamanitra Azy no naterany (Fil 2, 6), tsy olona ambany fa mitovy Aminy amin’ny maha-Andriamanitra Azy, araka izany no nirahiny. Izany moa no finoantsika ny maha-Andriamanitra marina an’ilay Teny tonga nofo, tonga olombelona marina tokoa mitovy amintsika, atoron’i Joany Batista antsika.

Ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, izany hoe ny fiainana araka ny Evanjeliny no hidirana amin’ny fahasambarana. Izay tsy mino kosa dia hitoeran’ny fahatezeran’Andriamanitra. Mila alalinina ihany anefa izay hoe fahatezeran’Andriamanitra izay sao afangarontsika amin’ny fahatezeran’ny olombelona. Ny olona manko rehefa misy olona hafa mahatezitra azy dia famaizana (sazy sy kapoka) no tonga voalohany ao an-tsainy. Andriamanitra kosa, rehefa misy mahatezitra Azy,  Izy izay “mahari-po”, tsy malaky tezitra (Eks 34, 6) ary  “fahatezerana tsy maharitra hatramin’ny farany”, hoy ny Boky Fahendrena (Fah 16, 5; 18,20), rehefa misy zanany tsy manaraka ny lalàny, misy ondry nania lavitra ny vala, dia tsy mandry andro tsy mandry alina Izy mitady ny fomba hitondrana azy indray hiverina amin’ny fahasambarana, miandry am-paharetana ny fotoana hiverenany ao an-Tranon-dRay, ary ilay ondry very aza, hoy ny Evanjely, dia ataony an-tsangory hiverina ao am -bala rehefa hitany; rehefa tafaverina ny zanany mpandany dia anaovany fety tsy manam-paharoa (Lk 15). Asakasak’ilay zokiny anefa raha hino fa fitiavana Rainy ka hiditra hiaraka hifety na hijanona any ivelany, tsy hino (tsy hiaiky) ka hanandrana ny hamamin’ny Fitiavan’ny Rainy.

Ny fahasambaran’izay nandray ka niaina ny Teny no hahafahany mitia ihany koa toy ny itiavan’Andriamanitra ny zanany tsirairay avy.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
 Zoma II Paka
PREVIOUS
Alarobia II Paka
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.