Trinitera Malagasy
9 JIONA

9 JIONA

Njara Pascal

ANNA MARIA TAIGI OLONTSAMBATRA

RENIM-PIANAKAVIANA, MPIARO NY TIERSIERA TRINITERA

Fahatsiarovana

Tao Siena any Italy no nahaterahan’i Ana Maria Taijy tamin’ny taona 1769. Nanambady an’i Dominika izy ary niteraka fito mianadahy, izay nobeaziny tamin’ny finoana katolika. Niorim-ponenana tao Roma izy ireo. Tsy nahasakana an’i Ana Maria tsy hiaina ny fitiava-namana ny fahasahiranana nosedrainy teo amin’ny tokantranony, fa nahavatra ny namangy sy namonjy ny marary izy. Nalaza ny fahatsaram-panahiny ka nahatarika olona maro, izay nisy nila hevitra sy fanohanana avy aminy, efa fa hatramin’ny Papa sy ireo eveka aza. Nanana fanomezam-pahasoavana manokana izy fa nibanjina ny misterin’ny Trinite Masina ho toy ny masoandro teo anoloany mandrakariva izy.

Ohatra tsara halain’ny renim-pianakaviana tahaka izy fa na tao amin’ny fanambadiana aza dia nanamasin-tena tamim-pahatsorana.

TONONKIRA FANOMBOHANA        

Ohab 31, 30. 28

Ny vehivavy matahotra an’ny Tompo ihany no hoderaina. Ny zanany mitsangana ka milaza azy hoe sambatra; ny vadiny koa mitsangana manome fankalazana azy. (VP : Aleloia)

VAVAKA FANGATAHANA

Ry Andriamanitra, Ianao no nanandratra ireo manetry tena ary nanolotra ohatra lavorary amin’ny fitiavana sy faharetana ho an’ireo renim-pianakaviana ao amin’i Ana Maria olontsambatra, enga anie, noho ny vavaka ataony dia ho sitrakao ny hitondranay am-piadanan-tsaina ny hazo fijalianay, manaraka ny ohatra nomeny, ka ho tia anao amin’ny fo mirehidrehitra izahay. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Tomponay, izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay.

Amen.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

VAKITENY I

Bokin’ny Ohabolana                                     

Ny vehivavy matahotra an’ny Tompo ihany no hoderaina.

Ohab 31, 10-11. 19-20. 30-31

10Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo ? Mihoatra lavitra noho ny an’ny voahangy, ny tombany. 11Matoky azy, ny fon’ny lahy, ary tsy mba handao azy ny tombony miditra.

19Mandray ny fihazonam-bohavoha ny tanany ; ary mihazona ny ampela ny rantsan-tanany. 20Manatso-tanana amin’ny ory izy ; ary mamela-tanana amin’ny mahantra.

30Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy ; fa ny vehivavy matahotra an’ny Tompo ihany no hoderaina. 31Aoka ny vokatra avy amin’ny tanany homena azy ; ary aoka hitory fiderana eo am-bavahady ny asany.

SALAMO

Sal 36, 3-4 ; 5-6 ; 27-28

Fiv. : Ny Tompo no mamonjy ny marina sy mpiaro azy amin’ny andro fahoriana

Na :  Sambatra anie aho ka sambatra manana an’Iaveh ho mpiaro

3Matokia an’ny Tompo, ary manaova soa ;

monena amin’ny tany ary manarana fo amin’ny fahatokiany.

4Iaveh no ataovy firavoravoanao,

dia omeny anao izay irin’ny fonao.

5Ankino amin’ny Tompo ny anjaranao,

dia matokia, azy, fa dia hanao izy ;

6hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao ;

ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.

27Halaviro ny ratsy ary manaova ny tsara,

dia mitoera mandrakizay ao am-ponenanao.

28Fa tian’ny Tompo ny rariny,

ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy.

Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny,

ALELOIA     

Lk 8, 21

Ny reniko sy ny rahalahiko dia izay mihaino ny tenin’Andriamanitra sy mankato azy

EVANJELIN’I JESOA KRISTY NOSORATAN’I MD I MD MARKA           

Izay manao ny sitra-pon’Andriamanitra, no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

Mk 3, 31-35

22Tamin’izany andro izany, dia 31tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso azy. 32Fa nisy olona maro nipetraka nanodidina azy, dia nilazana izy natao hoe : Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao. 33Fa novaliany hoe : Iza moa no reniko sy rahalahiko ? 34Dia nijery izay nipetraka nanodidina azy izy ka nanao hoe : Ireo no reniko sy rahalahiko ; 35fa na iza na iza manao ny sitra-pon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

VAVAKA FANOLORANA

Mba raiso, ry Ray, ireto fanatitray, amin’izao sorona fahatsiarovana ny fitiavan-Janakao tsy misy fetra izao ; ary enga anie ny vavaka ataon’i Ana Maria Taijy olontsambatra, mba hanampy anay haka tahaka azy, ka ho tia Anao sy ho tia ny namana amin’ny fonay tokoa.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Amen

TONONKIRA AMIN’NY KOMONIO   

Mt 11, 28

Mankanesa atý amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mavesatra entana, fa hanamaivana anareo aho, hoy ny Tompo.

VAVAKA AORIAN’NY KOMONIO

Enga anie, ry Ray ny komonio masina nandraisanay ny Vatana aman-dRan’ny Zanakao, mba hahasakana anay tsy ho voasodokan’ny zava-mandalo, fa haka tahaka an’i Ana Maria Taijy olontsambatra, handroso fitiavana anao sy ny namana, mba ho sambatra hahita Anao mandrakizay any an-danitra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Amen.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy fahasivy mandavan-taona 
PREVIOUS
Zoma fahasivy mandavan-taona   
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia V Paka
  • Talata V Paka
  • Alatsinainy V Paka
  • Alahady V Fankalazana ny Paka (Taona D)
  • Sabotsy IV Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia V Paka 20 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.