Trinitera Malagasy
30 desambra

30 desambra

Njara Pascal
  • 1 Joany 2, 12-17
  • Salamo 95
  • Lioka 2, 36-40

40 andro aorian’ny fahaterahana araka ny lalàn’i Moizy (Levitika 12, 1-8) dia mila miakatra any an-tempoly ny renin-jaza mba hidio, ary araka ny Boky Eksaody kosa, indrindra ny Eksaody 34,20 dia mila havotana ny lahimatoa rehetra amin’ny zanaka. (Mbola ankalazaintsika manokana ny 2 febroary moa izany). Ny Evanjely voalahatra ho amin’ny 29 desambra moa no mifameno amin’ny androany mba hahazoana ny heviny.  Fanahy inian’i Md Lioka ve sa sanatria tsy fahaizana ny nanafangaro ny fanatitry ny fidiovana sy ny fanolorana ny zaza? Ataoko fa mba hilazany amintsika fa tsy azo avotana ny zanaka fa mijanona ho zanak’Andriamanitra mandrakizay, apetrany hokolokolointsika, ary i Jesoa kosa, natolotra mba ho “fahazavan’izao tontolo izao”, fahazavana hanilo ny Jentily (Tononkiran’i simeona) . 

I Jesoa no ilay masoandro miposaka mba hanazava ireo ao anatin’ny aloky ny fahafatesana (Lk 1, 78-79) no indro atolotra ka raisin’ireo niandry azy am-pitokiana: Simeona sy Ana. Raha ny tena marina anefa, ny alin’ny Paka no ankalazana an’i Kristy fahazavan’izao tontolo izao, izy ilay “hazavana natao hanilo ny firenena”, saingy tsy afa-misaraka ny misterin’ny fahatongavana ho nofo sy ny misterin’ny Paka nampisy heviny azy. 

Niandry ny Mesia Israely, saingy indrisy fa mpamonjy nifanaraka tamin’ny sitrapon’izy ireo no notadiaviny. Ambaran’i Lioka amin’ity sombin’ny Evanjeliny atolotry ny Litorjia hodininhintsika ity fa izay maharitra amin’ny vavaka sy ny fitiavana ihany no afaka hahalala ka hankalaza ilay Zanak’Andriamanitra, Mesia nirahiny hamonjy antsika, satria ireo ihany no manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina. 

I Simeona dia lehilahy marina sy tia vavaka ary niandry ny andro ampiononana an’Israely. Izay tsy maharitra, hoy ny Ntaolo dia vadin’ikotokely fa ny maharitra no vadin’andriana. Ny tsy faharetantsika manko mety haniraka hioty salohim-bary mbola tsy matoy, mety haniraka antsika hitady lalana any an-kafa ka hampivily lalana, hanjary hitoky bebe kokoa amin’ny herin’olombelona fa tsy amin’ny herin’Andriamanitra. Izay matoky fa tsy mivadika Andriamanitra no afaka higoka ny hafaliana avy amin’ny famangiany ka hiaina am-piadanana. Ny vavaka sy ny fiainam-pahamarinana mifanaraka amin’izany no lalana mitondra amin’izany fitokisana izany, tsy maintsy mandalo amin’ny fananpahan-kevitra hentitra sy matotra anefa, satria i Jesoa dia ho zary famantarana hotoherina mba hiseho ny hevitry ny fo maro (Lk 2, 35). 

Izany hevitry ny fo izany no hahafahana mahazo ka mandray ny torohevitr’i Joany amin’ny Vakiteny voalohany: aza tia an’izay tontolo izao na ny zavatra amin’izao tontolo izao, izay zavatra mandalo ihany, fa hikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra izay manorina sy mampaharitra antsika ao amin’ny fitiavany mandrakizay. Tsy misy lalana hahafahana mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra ka handresena ny ratsy anefa raha tsy amin’ny fiezahana hahalala an’Andriamanitra bebe kokoa, amin’ny fampitoerana ny Teniny ao am-pontsika. 

Sokajian’i Joany telo moa ireo ratsy manandevo ny olona: ny “filan’ny nofo” moa dia entiny hilazana ny filàn’ny vatana izay efa tsy voafehin’ny olona intsony, ny “fitsiriritan’ny maso” te hahazo izay rehetra tazany, ἐπιθυμία(epithumia) no ampiasain’i Joany, amin’ny hoe filan’ny nofo sy fitsiriritan’ny maso, izany hoe faniriana miverimberina ka tonga fijaliana ny tsy fahatanterahany, ny fototen’io matoanteny  io dia θύω (thuo), misy heviny roa: sacrifier- s’emporter, ka rehefa tsy mahazo izay ilainy araka izany ny nofo sy ny maso dia mety ho sorena na sanatria an’izany hahavita hanadino ny fitiavan’Andriamanitra mba hahazoana ny zavatra irina; ny zavatra fahatelo mampanalavitra amin’ny fitiavan’Andriamanitra dia ny “rehaka amin’izao fiainana izao” (ἀλαζονεία alazoneia), ny fitokisana amin’ny haren’ny tany hireharehana amin’ny mpiara-belona ka mampivily lalana sty hitokisana intsony amin’Andriamanitra. 

Modely ho amin’izay  fikatsahana sy fanananteraha ny sitrapon’Andriamanitra izany ilay mpaminany vavy tao an-tempoly: Ana, ilay “nosoavin’Andriamanitra” (חַנָּה), zanak’i Fanoela (פְּנִיאֵל Peniy’el, endrik’Andriamanitra) avy amin’ny fokon’i Asera (אָשֵׁר ‘Asher, sambatra, na ny marimarina kokoa, avy amin’ny foko izay mizotra amin’ny lalam-pahasambarana araka ny matoanteny hoe אָשַׁר ‘ashar) izay  nanokana ny tenany ho an’ny vadiny 7 taona, ary rehefa maty vady dia tsy maimay tahaka ny vehivavy sasany nolazain’i Md Paoly hoe maty vady tanora (1 Tim 5, 11)  fa nijanona nivavaka tao an-tempoly, ary efa 7X12 taona izy izao, hilazan’i Lioka ny fahamatoran’ny fitiavany, eny fa na dia anisan’ny fokon’i Asera izay foko kely indrindra ao amin’Israely aza izy. Izy no ilay Israely-Vady, izay tokam-po tahaka ny siny, naharitra tsy nivadika tamin’ny fitiavana. Sambatra ny toa azy, madio fo, fa afaka hahita an’Andriamanitra, haharitra amin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka, fanefitry ny fitsiriritana satria hahaizana mamola-tena sy manitsy ny faniriana amin’ny lalam-pahasambarana atoron’ny Tompo. Efa miara-maty amin’i Kristy ny amin’ny fahotana isika, hoy i Paoly (Kol 3) ka tokony hitondra tena mendrika ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina sy malala (and. 12).

Ny fanambaran’i Simeona ny misterin’ny “hazofijaliana” no nahafahany nidera an’Andriamanitra tsy nandiso ny fanantenany. Izay mahatsapa fa ny fahotana dia manandevo fa tsy mahasambatra no afaka hanao ny vavaka fangatahana amin’ny lamesa anio, hisaotra an’Andriamanitra fa ny fahaterahan’ny Zanak’Andriamanitra Lahitokana no hanafaka antsika sy hitondra antsika amin’ny tena fahafahana marina. 

Amin’ity Evanjely ity i Lioka no mamarana ny fampidirany ny Evanjeliny ka hahafahan’izay manohy mamaky azy hahazo ny hevitr’izay nosoratany mba hinoantsika fa i Jesoa no ilay “Zanak’Andriamanitra” (Lk 1, 32-35), Zanaky ny Avo indrindra (Lk 1, 32), Mpamonjy teraka, dia i Kristy Tompo (Lk 2, 11), hazavana hanilo ny Jentily sy voninahitr’Israely (Lk 2, 32), ho famantarana hotoherina (Lk 2, 34), kanefa fanalana alahelo (Lk 2, 25) sy fanavotana an’Israely (Lk 2, 38). Izany rehetra izany anefa dia ambaran’i Lioka fa ao anatin’ilay fiainana maha-olombelona azy. Izany no fiekem-pinoana amafisintsika amin’izao noely izao, satria ilay Zanak’Andriamanitra, Andriamanitra avy amin’Andriamanitra, nisy talohan’ny taona rehetra dia tonga olombelona mitovy tamintsika tamin’ny zavatra rehetra. Io moa no anombohan’i Joany ny Evanjeliny, izay dinihantsika rahampitso hamaranana ny taona. 

Izay mahatanteraka ny zavatra rehetra araka ny lalan’ny Tompo no ho afaka hiditra amin’ny hafenoan’ny fahendrena sy honenan’ny fahasoavan’Andriamanitra (χάρις charis), telopolo taona tao anatin’ny fahanginan’i Nazareta, no mandrafitra izany misterin’ny fahatongavana ho Nofo izany, nianarany ny fanekena, nitomboany fahendrena sy tena, ka nandrosoany mahate-ho tia tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona (Lk 2, 51-52) ka hahafahantsika mihanoka ao anatin’ny taom-pahasoavana ankehitriny. 

Ny fankalazantsika ny Eokaristia amin’izao Noely izao anie hampitombo antsika koa amin’ny fitiavana an’Andriamanitra. 

Toriteny
Noely

Post navigation

NEXT
31 desambra
PREVIOUS
NY FIANAKAVIANA MASINA TAONA A
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A
  • Sabotsy faha-efatra mandavan-taona  
  • Zoma faha-efatra mandavan-taona
  • Alakamisy faha-efatra mandavan-taona
  • 2 fevrier:
    ny nanolorana ny Tompo 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728  
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A 4 février 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.