Trinitera Malagasy
10 aogositra : Fankalazana an’i Md Laurent, Diacre Martiry

Njara Pascal
  • 2 Korintiana 9, 6-10
  • Salamo 111
  • Md Joany 12, 24-26

Diakra mpanampy an’i Sixte faha-21 i Md Laurent. Ny fizarany ny fananan’ny Fiangonana tamin’ny mahantra, araka ny tantara no naha-be fahavalo azy, araka ny tantarany, ka nisamborana azy sy namonoana azy tamin’ny fandorana azy ambony farafara vy. Ndeha ary hodiniantsika ireo vakiteny nosafidiana mba hankalazana ny fetiny. Ny fanomezana an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra, hoy Md Paoly, ny manome ny mahantra no maha-sambatra satria mifanaraka amin’ny fahamarinan’Andriamanitra, hoy ny Salamo 111. Tsy misy olona afaka hilaza koa anefa fa tsy manana omena. Ny fahasoavana feno omen’Andriamanitra ny tsirairay dia tsy natao hotazonina ho an’ny tena, ka ny fizarana azy amin’ny mahantra, amin’ireo tsy manan-kavaly no mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy mitaky amintsika zavatra tsy nomeny antsika Andriamanitra, saingy miangavy kosa ny hanomezantsika manontolo izay nomeny sy nampitomboiny teo am-pelantanantsika.

Izany no mifanaraka amin’ny “lojika”n’ny voambary afafy, ny fahafoizana na dia ny zavatra efa tsara aza, mba hahazoana ny tsaratsara kokoa. Vavolombelona no ilain’i Jesoa kanefa tsy ho afaka ny ho tonga vavolombelony izay tsy mbola nahita Azy tafatsangan-ko velona, tsy afaka ny hahita Azy mitsangan-ko velona izay tsy hanaiky hanandrana ny fahafatesana miaraka Aminy: raha tsy maty ny voa afafy, tsy afaka ny hamokatra ho amin’ny fiainam-baovao. I Jesoa no voa afafy, santatra mba hananan’ny mpamafy voa afafy sy ny olombelona rehetra hanina hahavoky ho amin’ny fiainana mandrakizay (Izaia 55, 10). Amin’ny fanekeny hilevina, amin’ny fanekeny ho faty mifantsika eo amin’ny hazofijaliana no hitarihany ny olona rehetra hanatona Azy (Jo 12, 32). Ampahatsiahivin’ny mpanatao Lakroà Masina antsika fa manohy manompo i Jesoa tafasandratra hiala amin’ny tany, mitafy ilay lamba famahoana nisikinany, nanasa ny tongotry ny Mpianany.

Izay tia ny ainy no hahavery azy fa izay mankahala ny ainy (ψυχή psyche) amin’izao fiainana izao (κόσμος kosmos) no hitahiry azy ho amin’ny fiainana (ζωή zoe) mandrakizay. Izay te hitory ny Evanjeliny dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny fiainana araka ny Evanjely toriany. Izany no hahazoana hery hilazana tahaka ny Apôstôly hoe “Tsaroanareo na marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny manaiky anareo mihoatra noho an’Andriamanitra; fa raha izahay, tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay” (Asa 4, 20).

Ny fampiasana ny fiainana araka ny tokony ho izy no mampisy heviny azy. Ampahatsiahivin’i Jesoa koa anefa fa ny fanompoana Azy no hahazoana voninahitra eo anatrehan’Izy Ray. Izay manompo (διακονέω diakoneo) Azy kosa dia tsy afa-misaraka Aminy. Roa ny zavatra tsara ho marihina amin’izay fiarahana aminy izay. Ny voalohany dia ny hoe: tsy hanao zavatra hafa ankoatr’izay efa nataony, ka handà ny tenany, hitondra ny hazofijaliany isan’andro ka hanara-dia (ἀκολουθέω akoloutheo) Azy amin’ny fizorana mankany an-tranon’ny Ray. Izany no hahafahana mihevitra araka an’Andriamanitra ka tsy hahazoana ny teny mafy nahazo an’i Piera hoe : “mandehana ao ivohako, ry Satàna” (ὕπαγε ὀπίσω μου, nadikan’ny baibolintsika hoe mialà amiko, Mt 16, 23).

Ny zavatra faharoa dia ny hahatsiaro mandrakariva fa “raha tsy Izy, tsy hahefa na inona na inona isika” (Jo 15, 5). Izay no iantsoan’i Jesoa antsika “hitoetra ao amin’ny fitiavany” (Jo 15, 9), hahatsiaro mandrakariva fa tahaka ny nitiavan’ny Ray Azy no hitiavany antsika ihany koa. Ka raha sanatria tahaka ny namelan’ny Ray Azy ho faty teo ambony hazofijaliana no mitranga, tahaka an’i Md Laurent eo ambony farafara mahamay, dia hatoky fa Izy Ray ihany kosa no hamelona ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Mora ny manao soa ho an’izay manan-kavaly. Fa sarotra kosa ny hahafoy ho an’ny mahantra, kanefa izany no “mampisambotra amin’Andriamanitra”, araka ny lazain’ny Soratra Masina, na ny marimarina kokoa, izany no fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra satria fampiasana ny zavatra napetrany eo am-pelantanantsika araka ny Sitrapony.

Ny fanompoana an’i Jesoa no hahazoana voninahitra eo anatrehan’ny Ray ary ny marika fa manompo Azy isika dia satria amin’izay itoerany no hitoeran’ny mpanompony. Mila manontany tena mandrakariva araka izany amin’izay atao rehetra raha toa ka miaraka amintsika eo i Jesoa na tsia, mila dinihina sao tsy ireo endrika tiany hisehoany no hitadiavantsika Azy. Izay manompo Azy dia hiara-mitoetra Aminy koa, dia Izy noana, mangetaheta, tsy mitafy, marary, an.tranomaizina sy mpivahiny. “Iriko ny Fiangonana mahantra ho an’ny mahantra”, hoy Papa François.

Hitombo ao amintsika anie ny fitokisana ny fitiavan’i Jesoa ka hahafahantsika mijoro ho vavolombelony amin’ny seha-piainana sitrany iantsoany antsika.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-19 mandavan-taona Taona A
PREVIOUS
Alakamisy faha-18 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia IV Paka
  • Talata IV Paka
  • Alatsinainy IV Paka
  • Sabotsy III ny Paka
  • Alarobia III Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia IV Paka 13 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.