Trinitera Malagasy
1 janoary: Masina Maria Renin’Andriamanitra

Njara Pascal
  • Boky Fanisana 6,22-27 /
  • Sal 66/
  • Galata 4,4-7/
  • Md Lioka 2, 16-21

Amin’ny fankalazana ny taona vaovao, talohan’ny Konsily dia nankalazaina ny famorana ilay zanak’i Maria sy ny fanomezana ny anarana hoe Jesoa. Anarana izay ankalazaina ny 3 janoary ankehitriny, ary henontsika o amin’ny evanjely ankalazaina anio, araka ny fitantaran’i Md Lioka. Ary hatramin’ny 1968 dia natokan’ny Papa Md Paul VI ho andro iraisam-pirenena ho an’ny Fiadanana sady ankalazana an’i Masina Maria, Renin’Andriamanitra. 

Dia izay tsodrano izay no ambaran’ny vakiteny voalohany indrindra: “hitahy anao sy hiaro anao anie ny Tompo, hampamirapiratra ny tavany aminao anie izy sy hamindra fo aminao. Hampitodika ny tavany aminao sy hano me fiadanana anao anie ny Tompo”. Ny tsodrano zava-mahery , hoy ny fombandrazantsika, satria mitondra fiadanana. 

Ny hevitry ny barak (tsodrano) moa dia hoe miteny tsara, mankalaza. Izay nahazo soa dia tsy afaka ny tsy hidera ny mpanao soa, ary izay te hanao soa kosa dia mitalaho ny tsodranon’izay mahery kokoa noho izy mba hahaleo hahalasana. Teo amin’Israely dia zava-dehibe izany tsodrano izany. Tsy azo adinoina ny tantaran’i Esao sy Jakoba, naka ny tsodranon’i Abrahama (Jen 27-28).

Voalaza ao amin’ny Evanjely fa afaka havaloana dia noforaina ny zaza ary nomena ny anarana hoe Jesoa, Andriamanitra mamonjy, araka ny voalazan’i Md Matio hoe hamonjy ny olona ho afaka amin’ny jiogan’ny fahotany (Mt 1,21). Tsy hoe entina hanavahana fotsiny manko ny anarana amin’ny fomba tatsinana fa manambara ny maha-izy azy ny olona, maneho ny iraka ampanaovina azy na andrasana aminy. 

Ny famorana moa dia nentin’Israely hanamarihana ny fanekem-pihavanana nataony tamin’YHWH. Tsara ho marihina anefa fa tsy mahatoky tamin’izany fanekem-pihavanana izany ny vahoaka, nalaky nivadika, manaraka andriamani-kafa. Fifanekena an-kalalahana ka najain’Andriamanitra marina tokoa izany fahalalahan’ny vahoakany izany. i Jesoa kosa, nanaiky ho teraka tambanin’ny lalàna, no nirahiny mba hanafaka izay rehetra tambanin’ny lalàna mba hatsangany ao amin’ny Fanahiny ho zanaka mpandova (Ga 4, 4-7 Vak II). Ilay Teny tena Andriamanitra, tonga Israely vaovao, araka izany no nentin’Andriamanitra nandavorary ny Fanekem-pihavanana, ka ao amin’i Jesoa no hahafahantsika manantena ny “eny” avy amin’Izy Tompo sy avy amintsika olombelona. 

Jesoa no anarany, Andriamanitra mamonjy, satria mampahafantatra antsika ny tena endrik’ilay Andriamanitra tsy hita, maneho amintsika ny halehiben’ny voninahiny, ary izany rehetra izany dia amin’ny fitondrany antsika amin’ny fahasambarana maha-zanaka, amin’ny famonjena. 

Dia io Zanak’i Maria io no zanak’Andriamanitra, voatsodranony, ary avy aminy no hahazoantsika ny Fanahy hahatongavantsika ihany koa ho mpiray lova aminy (Vak II). Izay finoana ny maha-zanak’Andriamanitra an’i Jesoa izay no ankalazantsika an’i Masina Maria ho Renin’Andriamanitra. Izy no ilay zanaka “iray fomba amin’ny Ray” (Homousios), izay nanoheran’ny Konsily tany Nicea ny taona 325 an’i Arius izay nihizingizina fa tsy misy hifandraisany amin’ny Ray i Jesoa, ary noho ny fampianaran-dison’i Nestore izay nilaza fa fiombonan’ny olon-tsotra amin’ny olona ao amin’ny Trinite Masina i Kristy hany ka nohamafisin’ny Konsily tao Efezy fa i Jesoa, Ilay Teny tonga nofo, dia tsy hafa fa ilay olona faharoa ao amin’ny Trinite Masina ka nanambarany miezinezina ny 421 fa i Masina Maria dia Theotokos, Renin’Andriamanitra, ankalazaintsika anio. Ary ny fiekem-pinoana ataontsika dia mbola nohamafisina fa tsy misaraka ary tsy mifangaro ny maha-olona sy maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy (Calcédoine 451), nialana tamin’ny hevi-dison’ny monophysite. 

Ho tonga tsodrano ho antsika ho an’ity taona vaovao ity anie ny fanavaozantsika ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, tena Andriamanitra sy tena olombelona, iray fomba amin’ny Ray ary nidina avy any an-danitra ho famonjena antsika. 

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny
Masina Maria, tsodrano

Post navigation

NEXT
2 janoary :
PREVIOUS
31 desambra
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ZOMA I FIAVIANA
  • ALAKAMISY I FIAVIANA
  • ALAROBIA I FIAVIANA
  • TALATA I FIAVIANA
  • ALATSINAINY I FIAVIANA

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    décembre 2025
    D L M M J V S
     123456
    78910111213
    14151617181920
    21222324252627
    28293031  
    « Nov    

    Archives

    Articles récents

    • ZOMA I FIAVIANA 4 décembre 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.