Trinitera Malagasy
Zoma manaraka ny lavenona

Zoma manaraka ny lavenona

Njara Pascal
  • Izaia 58,1-9a
  • Salamo 50
  • Md Matio 9,14-15

Omaly dia nasaina hisafidy isika na hanaraka ny lalan’ny fiainana na hisafidy ny lalan’ny ozona sy ny fahafatesana. Safidy malalaka izany fa tsy mora kosa anefa ny mitozo amin’ny lalana nosafidiana. Anisan’ny fitaovana atoron’ny Soratra Masina antsika mba hahafahana mizotra ny amin’ny lalan’ny fiainana, amin’ny fandavan-tena isan’andro, ny fifadian-kanina. Izany no iompanan’ny vakiteny sy ny litorjia anio.

Tsy fampijalian-tena fa famolahan-tena ny fifadian-kanina. Ny mpianatr’i Joany Batista, tahaka ny Farisianina dia nifady hanina ny alatsinainy sy ny alakamisy, ary natao ho rehareha izany, ary izay tsy manaraka ny fombany dia noheverin’izy ireo fa tsy nahazo na inona na inona mikasika ny fivavahana sy ny fanompoana an’Andriamanitra; nihevitra ny tenany ho hafa (ambony) noho ny olon-drehetra izy ireo (Lk 18,12). Izany no nampametra-panontaniana hatonga an’ireo mpianatra liana tamin’ny fampianaran’i Jesoa (saingy sanganehana ihany amin’ny toetran’ireo mpanara-dia Azy izay efa avy mpianatr’i Joany koa). Nahoana no tsy mifady hanina izy ireo?

Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampiakatra (υἱοὶ τοῦ νυμφῶνος= Houioi tou nymphônos zanaky ny trano fampakarana raha adika ara-bakiteny, ny naman’ny mpampakatra araka izany) raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Izy no ilay Mpampakatra ka hafaliana fa tsy alahelo no omeny izay mandray Azy. Raha sanatria ka hoesorina Izy dia hifady ihany koa ny mpianany. Eo amintsika mandrakariva anefa i Jesoa ka tokony hifady izany isika sa tsia?

Tsy ny fifadian-kanina amin’ny maha fifadian-kanina azy akory no olana, fa noho ity fomba ity tsy nitondra intsony amin’ny fanomanana ny hafalian’ny fampakarana fa amin’ny fanangejana sy ny lalàna mampieboebo sy mampiavonavona indray aza indraindray. Hafaliana no entina manao ny fifadiana ary hafaliana no tokony ho vokatra entiny, hoy i Jesoa (Mt 6,17). Hosorana zava-manitra ny loha ary atao tsara sasa ny tarehy satria handeha hihaona amin’ilay Mpampiakatra. Tsy fitsitsiana araka izany (satria ny “zava-manitra” lafo hono no novidìna fa ny sakafo tsy nohanina) fa fahafoizana. Izay navela araka izany (vokatry ny fifadiana) dia atolotra an-kafaliana ho an’ireo niangaran’ny vintana, mba ho fifaliana ho azy ireo koa, izany no hahatonga antsika ho mpitondra ny hanitr’i Kristy (2Kôr 2,15) amin’izay rehetra mifanerasera amintsika.

Sady miady mifanditra ianareo no mifady ary mamely totohondry an-katezerana aza, hoy i Izaia. Tsy izany no sitrak’Andriamanitra. Mazava ny antony hifadian-kanina sy ny fomba fanaovana izany araka ny fampianaran’ny mpaminany: manapaka ny famatorana tsy an-drariny, mamaha ny fehin’ny jioga, mandefa ny ampahoriana ho afaka, manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany, mizara ny hanina ho an’izay noana ary mampiantrano ny mahantra sy mampitafy ny miboridana ka tsy hanao an-tsirambina ny havan’ny tena.

Ny fifadian-kanina araka izany dia famolahan-tena mba hanesotra izay mety tsy hitovizantsika amin’Andriamanitra, ka hahafahantsika koa ho tara-pitiavana, ho zanaka taha-dRay, hahatonga antsika ho antom-pifalian’ny Mpampakatra. Mazava loatra fa ny vavaka ataontsika dia hohenoin’Andriamanitra faingana, satria Izy no miangavy antsika hamonjy ireo zanany miandry hotiavina, ary Izy rahateo no loharano hahazoantsika ny fahasoavana haharetana amin’izany.

Angatahontsika Aminy mba ho loharanon-kafaliana ho an’ny hafa ny fifadian-kanina ataontsika amin’izao karemy izao, ka haharitra sy ho tonga fomba mahazatra mandritra ny fiainana manontolo.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAHADY VOALOHANY KAREMY – Taona B
PREVIOUS
Alakamisy manaraka ny lavenona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.