Trinitera Malagasy
ZOMA II FIAVIANA

ZOMA II FIAVIANA

Njara Pascal
  • Izaia 48,17-19
  •  Salamo 1
  • Md Matio 11,16-19

Modely ho antsika i Jesoa, ilay Mpanavotra. Ny hevitry ny hoe Tompo mpanavotra (gā’al), izay miverina matetika ao amin’ny Bokin’i Izaia (omaly koa tao amin’ny toko 41) dia entina hilazana ny hetsika ataon’ny olona entina hanavotana ny havany, na velona na maty. Raha maty dia hotakiana ny rany (Fan 35,19-27), raha tsy nanan-janaka dia homena taranaka (Rt 3,12-4,14, sy ny lalànan’ny Levirà). Raha lasan-ko babo na bokan’ny trosa kosa dia aloa ny vidiny na efaina ny trosany (Lv 25,23-28.47-49). Dia henontsika amin’ny vakiteny voalohany fa Andriamanitra no manavotra ny vahoakany, izany hoe mitolo-tena ho havantsika, tsy menatra ary tsy manary ny vahoakany, na inona na inona hadalana vitany, na inona na inona hamafisan-dohany hatrizay. Efa nohamarininy maimaim-poana isika hoy i Md Paoly (Rm 3,24).

Tohin’ny fananarana nataon’Andriamanitra amin’ny vahoakany izany, nambarany ny tsy fahamendrehan’ny vahoaka ary asehony fa ho voninahitry ny anarany no hamonjeny antsika. Ny fampianarany anefa dia tsy ho azy fa entiny hanasoavana antsika ihany, mba hahitantsika ny lalana hizorana.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, hoy ny Salamo: toy ny hazo maniry amoron-drano velona, tsy malazo ravina ary izay rehetra ataony mahomby avokoa. Tsy fahombiazana araka ny fisainan’izao tontolo izao anefa izany, sanatria, fa fahombiazana mampisy heviny ny fiainana, ka tsy hampanakofa azy. Misy heviny ny fiainana rehefa mandeha araka izay irin’Andriamanitra ary rehefa mifanaraka amin’izany faniriany izany ny faniriantsika. Misy heviny ny fiainana, hoy ny torohevitry ny Evanjely, rehefa hatolotsika ho sorona, hanasoavana ny hafa. Ny fanirian’Andriamanitra dia ny hahasambatra ny zanany rehetra.

Inona tokoa moa no atao raha toa ka mila voa tsy àry ny olona? Hitsofana mozika tsy mandihy, hanaovana hiram-pisaonana tsy mitomany. Ao am-pontsika ao manko no mifandipatra ny alahelo sy ny hafaliana, ka raha tsy haintsika ny misafidy izay tian-kotompoina dia manjary filam-baniny sy filan-kisa amin’izay ataon’ny hafa fotsiny ny fiainana. Ny fo tsara dia mahay mifaly amin’ny tsara ary malahelo amin’ny mety ho fahorian’ny hafa; ny fo ratsy kosa dia mifaly amin’ny fahavoazan’ny sasany ary tsy mahita hafaliana rehefa tsy izy no ivon’ny firavoravoana.

Fa ankoatra izany, ny fibebahana atoron’i Joany, asainy ampamokarintsika dia tsy tiantsika arahina satria hoe mafy loatra, ny hafaliana omen’i Jesoa kosa dia tsy raisina satria hoe tsy mifanaraka amin’ny fahamendrehana, tsy rariny. Tokony ho haintsika anefa ny manavaka ny alahelo marina, vokatry ny fahatsapana ny haratsin’ny fahotana sy ny alahelo mety ho vokatry ny fitiavan-tena diso toerana; tokony ho haintsika ny misafidy ny hafaliana maharitra mandrakizay ka tsy ho sodokan’izay hafaliana mandalo sy miserana miaraka amin’ny fiseran’izao tontolo izao.

Ho haintsika anie ny hitomany manoloana izay mety ho fahasimbana ateraky ny fahotana, hiditra amin’ny alahelo mampibebaka araka ny lazain’i Md Paoly (2Kôr 7,8-10) ary hifaly amin’ireo soa rehetra aorin’ny zanaky ny fanjakana kosa mba hanohizany ny asan’ilay Mpanavotra, mitady mandrakariva ny fomba hanavotana ny olombelona harin-tanany.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
SABOTSY II FIAVIANA
PREVIOUS
  ALAKAMISY II FIAVIANA
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.