Trinitera Malagasy
Zoma fahatelo fankalazana ny Paka

Zoma fahatelo fankalazana ny Paka

Njara Pascal
  • Asa 9, 1-20
  • Salamo 116
  • Joany 6, 53-60

Ny asa mahagaga ataon’Andriamanitra dia tsy ny fitaran’ny Evanjely ivelan’ny tananan’i Jerosalema ihany fa ny fifidianany koa ireo fitaovana araka ny fony, “fanaka voafidy” mba hitondra izany Vaovao Mahafaly izany hatrany am-paravazantany, eny fa na dia “sinitany mora vaky ihany aza” (2 Kor 4,7) izany fanaka izany. Tsy mahagaga àry raha in-telo no tanisain’i Lioka ny fisehoana azon’i Saoly (anio, avy eo Asa 22 sy Asa 26), ka nahatonga azy ho Apostolin’i Kristy tafatsangan-ko velona, hitory ny Evanjely amin’ny zotom-po mitovy amin’ny nanompoany an’YHWH sy ny Lalàna (Torah) teo amin’Israely.

Misy zavatra maromaro tsy hitovizan’ireo fitantarana 3 ireo saingy asian’i Lioka tsindrim-peo fa i Kristy sy ny Fiangonany, i Kristy sy ny Mpianany dia iray ihany. Izay manenjika ny mpianany sy ny Fiangonany dia manenjika Azy. Toy izany koa moa ny asa soa ataontsika amin’ny madinika sy ny tsy manan-kavaly, Izy no anaovantsika izany (Mt 25, 35).

I Saoly moa rehefa lavo tamin’ny tany ka niarina avy eo dia tsy nahita. Tsy afaka hisokatra amin’ny hazavan’ny finoana manko izay tsy maty amin’ny fahaizana sy ny heveriny ho fahendren’ny tenany, hoy i Bède le Vénérable. Izay miraparapa ao anatin’ny haizina no maniry ny hazavana, ka afaka manandrana koa ny fitsanganan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ho amin’ny fiainam-baovao. Andriamanitra mpamindra fo dia tsy mitsahatra mandefa ny “taratry ny famindram-pony” (dikan’ny hoe Anania) mba hitantana antsika ho amin’ny hazavan’ny Finoana, hanesotra izay mety ho sakana tsy hahitantsika ny hatsaran’ny hazan-drano (lanin-kazandrano), ka hanekentsika hanokana ny fiainana manontolo hanompoana an’i Kristy.

Toa an’i Paoly, voasakan’ny lanin-kazandrano ka tsy mahita ilay ICTHYS (ιχθυς = Ἰησοῦς Χριστός, Θεοῦ Υἱός, Σωτήρ », Iēsous Christos, Theou Yios, Sōtēr, Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra Mpanavotra), Trondro  izay voatono, vonona ho sakafontsika, toa ireo Jody mimenomenona amin’ny fampianaran’i Jesoa, dia toy izany koa isika indraindray: tsy te hiova amin’izay mahazatra, izay mety hanomezan-tsiny ny trondro no atao eo ambany maso ka tsy hatita ny hatsarany, hany ka matahotra ny hanome manontolo ity fiainana ity ho fanamby hahazoana ilay tena izy, tsy te-hitsakotsako (tsy mampiasa ilay φάγω – φάγομαι phago, mihinana intsony manko i Joany fa τρώγω, trôgô, mitsakotsako, maka fy) ny fiainan’i Kristy mba hahatonga ny fiainantsika hanahaka ny Azy. Tsy hanina atao telomoka araka izany ny Eokaristia fa hanina mila tsakotsakoina maharitra, ka na eny an-dalana mody tahaka ilay Eonoka avy any Jerosalema aza isika, dia tokony hisaintsaina izay hevitra fonosin’ny Eokaristia. Izay tia ny rahalahiny, hoy i Md Joany dia miala amin’ny fahafatesana ary miditra amin’ny fiainana (1 Jo 3, 14).

Tsy misy afaka mitia araka an’Andriamanitra raha tsy mandinika, mahalala ny fitiavana nitiavan’Andriamanitra azy, ary fantatsika fa ao amin’ny fiainana maha-olombelona an’i Kristy no nanehoany izany. Izay mihinana Azy dia ho velona ao Aminy. I Jesoa no tonga loharanon’aina, ka tsy afaka ny ho faly, tsy afaka ny ho sambatra intsony raha tsy misy heviny ny fiainana, ary ny fiainana misy heviny dia ny fiainana laniana amin’ny fitiavana, amin’ny fanaovan-tsoa sy ny fanasoavana ny rahalahy. Ny fankafizana ny nofon’i Kristy, izany hoe ny faniriana ny hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny Azy anefa dia tsy vokatry ny ezaka ataontsika fa asan’ny “ra omeny hosotroina”, dia ilay Fanahy Fitiavana nanangana Azy ho velona ka hahazoantsika ny fiainam-baovao (vavaka fangatahana).

Ambaran’i Jesoa fa toy ny hahavelomany ao amin’ny Ray no hahaveloman’izay mandray Azy ao Aminy. Ny fiainan’Andriamanitra araka izany no raisin’izay mandray Komonio, ka tsy afaka ny ho sambatra izy raha tsy mifanaraka amin’izany fiainam-piombonana sy fitiavana izany ny fiainany.

Hanampy antsika hizotra amin’ny fahasambaran’ny lanitra anie ny fandraisana komonio.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy III Fankalazana ny Paka
PREVIOUS
Alakamisy fahatelo Fankalazana ny Paka
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.