Trinitera Malagasy
Zoma fahafolo mandavan-taona

Zoma fahafolo mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa 1 Mpanjaka 19, 9-16/Salamo 26
  • Tsy ankasa 2 Kor 4, 7-15/Salamo 115
  • Md Matio 5, 27-32

Raha tsy lehibe noho ny an’ny manora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo (and. 20).

Resaka fijangajangana sy fisaoram-bady no lazain’ny Evanjely. Misy zavatra enina lazain’i Jesoa (Mt 5, 21-48) raha tiantsika ny hihoatra ny fahamarinan’ny farisiana sy ny mpanora-dalana. Omaly ny voalohany, tsy izay mamono olona ihany fa koa izay manakana ny hafa tsy ho sambatra sy ireo manao tsinontsinona ny fahalemena sy ny mety ho kileman’ny hafa ka manambany azy, dia hohelohina amin’ny gehena.

Anio dia mikasika ny fianam-piombonana eo anivon’ny fianakaviana sy ny tokantrano. Tsy ny fijangajangana voararan’ny lalàna (Eks 20, 14; Det 5, 18) ihany manko no mety hanakorontana ny fiainam-pifankatiavana izay irin’ny olona handavorariana ny fiainany araka ny fandaharan’Andriamanitra fa poizina mamono izany ihany koa ny fitsiriritana, izay voararan’ny Lalàna ihany koa (Eks 20, 17; Det 5, 21). Ho an’i Jesoa, ny ati-fo lalina no ikotrehan’ny fahalotoana ireo poizina mahafaty avy aminy ka ipoiran’ny ratsy rehetra. Na ny maso na ny tanana, varavarana idiran’ireo fitsiriritana ireo, dia mila folahana sy beazina. Io moa no ampianarina amin’ny hoe “mortification”. Tsy zavatra mandeha ho azy ny fahaizana mifehy tena, indraindray mitaky fahafoizana sy fandavan-tena, hatramin’ny “fanesorana ny maso ankavanana” na ny fanapahana ny “tanana havanana”, izany hoe ny fahafoizana ny tsara (havanana) mba hahazoana ny tsaratsara kokoa.

Tamin’ny andron’i Moizy dia voatery manome taratasy fisaoram-bady izay mieritreritra ny hisaraka. Ny antony moa dia mba hiarovana ny zon’ny vehivavy izay matetika voaroaka, ka raha sanatria manambady tsy misy io taratasy io dia azon’ilay tompom-bady endrikendrehana ho nijangajanga, ka vonoina toraham-bato. Ny fanambadiana tsy maintsy sarahana araka ny lalàn’i Moizy dia izay mety mitranga amin’ny iray ra (mpihavana: Lev 18). Ny hamafin’ny fon’ny olona no nahatonga an’i Moizy hanome alalana hisao-bady, hoy i Jesoa (Mt 19, 8), fa ny fandaharan’Andriamanitra dia ny hiraisan’ny mpivady ho nofo iray mandrakizay. Mariky ny fitiavana ny faniriana ho doria. Matoa rava ny fitiavana dia satria fitiavan-tena no fototra nijoroany. Tsy misy olona tsy mendrika hotiavina ary arakaraky ny tsy fahamendrehan’izay tiavina no maha-lehibe ny fitiavan’izay tena tia. Fony isika mbola mpanota no maty ho antsika i Kristy, hoy Md Paoly (Rm 5, 8).

Tsy fanaovana tsinontsinona ireo mijaly am-panambadiana tsy akory izany, kanefa kosa eo indrindra no iantsoana sy hanohanana azy ireo hijoro ho vavolombelon’ny fitiavana, hanambara amin’ny fiainany sy ny faharetany fa “mahery noho ny fahafatesana ny fitiavana ka ny tondra-drano tsy hahafaty ny afony” (Tononk 8, 6-7). Izay mino an’i Kristy dia antsoiny hanambara amin’ny fiainana ny fitiavany izay ankalazaina ao amin’ny sakramentam-piombonana manambara ny nanolorany ny Tenany ho an’ny Eglizy, ary manokana amin’izany ny Fanambadiana, hoy i Md Paoly (Efez 5, 32).

Hahay hanomana ny tanora amin’ny fifankatiavana marina anie ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny Fiangonana, hampianatra azy ireo hahay “hanesotra ny maso” sy “hanapaka ny tanana” mety mitondra amin’ny fanafintohinana, ka hahaizan’izy ireo mifady ny lalana mankamin’ny filibana sy mifehy tena. Ho taratry ny fitiavan’i Kristy koa anie isika, hahay hanohana sy hikolokolo ny fifankatiavana ao an-tokantrano, ary ho tohana sy hery ho an’ireo misedra ny mafy noho ny fahalemen’olombelona tsy voafehin’ny fahendrena intsony.

Ho tsaroan’ny Fianakaviana tsirairay anie fa ny fiaraha-mivavaka no fanalahidy mampiposaka ny “masoandron’ny fiainana” ao an-tokan-tranony, satria na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarany dia eo afovoany i Kristy (Mt 18, 20).  

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Ny Fo Masin’i Jesoa
PREVIOUS
Alakamisy fahafolo mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.