Trinitera Malagasy
Zoma fahafito fankalazana ny Paka

Zoma fahafito fankalazana ny Paka

Njara Pascal
  • Asa 25, 13-21
  • Salamo 102
  • Md Joany 21, 15-19

Nofofoin’ny Jody efapolo mahery hovonoina i Paoly saingy fantatry ny zanak’anabaviny izany, ka rehefa nampandrenesin’io izy dia nafindran’ny Komandy ho any Sezarea io alina io ihany. Tany no nanadinana azy mikasika ny fiampangana roa, dia ny fanakorontanana ny filaminan’ny fiaraha-monina sy ny fanimbazimbana ny tempoly. Ny fiarovan-tenan’i Paoly dia niangavy ny mpiampanga mba hanamarina hoe taiza no namoriany vahoaka mba hanakorontana tanàna: hitondra tolo-tanana ho an’ny kristianina tao Jerosalema sy hanao sorona ao an-tempoly no niakarany, fa raha ny marina, hoy izy, dia resaka fitsanganan-ko velona no hiampangana azy. Nolazainy am-pahibemaso kosa ny maha-Mpianatr’i Jesoa azy, mpanaraka ny Làlana izay antsoin’ny Jody ho sekta, kanefa izany hoy izy no hitandremany tena mba tsy hanan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehan’ny olona.

Afaka roa taona dia nosoloin’i Festosa i Félix, ka mba hamalifaliana ny Jody dia navelany tao am-ponja ihany i Paoly. Rehefa nandalo tany Jerosalema izy dia nodrokidrokian’ny Jody mba hitondra an’i Paoly any Jerosalema mba hamonoany azy eny an-dalana, saingy tsy nety nankany i Paoly, ary niangavy mba ho tsarain’i Sezara. Ny fahatongavan’i Agripà sy Berenisy hiarahaba an’i Festosa no tantarain’ny vakiteny anio, nilazan’ity farany fa adiheloka mikasika ny fivavahana sy ny momba an’i Jesoa no niampangan’ny Jody an’i Paoly. Naheno izany ny Mpanjaka Agripà dia naniry hihaino an’i Paoly ihany koa. I Festosa moa nilaza mazava fa tsy misy heloka tokony hamonoana an’i Paoly, ary na izy aza sahirana satria tsy hitany izay hosoratana amin’i Sezara mikasika an’i Paoly.

Rehefa niseho teo anatrehan’ny Mpanjaka Agripà i Paoly dia nitantara ny maha-farisianina azy, ny nibeazana azy tamin’ny fanarahan-dalàna sarotiny indrindra, ny nanenjehany ny Kristianina satria noheveriny ho fanimbazimbana ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’ny foko roa ambin’ny folon’Israely, avy eo dia notantarainy indray (fanintelony ao amin’ny Asa) ny nahitany ny hazavana, ny mitatao vovonana, izy dian’ny ho any Damasy, ka nibebahany ary ny tsy nahafahany intsony tsy hitory fa i Jesoa no ilay voalazan’i Moizy sy ny Mpaminany ho fahazavana ho an’ny vahoaka rehetra.

Rehefa vita ny lahatenin’i Paoly dia nolazain’i Festosa ho adala izy, fa hoy kosa ny navalin’i Paoly azy: zava-marina no nolazaiko ary anontanio ny Mpanjaka satria zavatra tsy niafina izany fa fantatry ny olon-drehetra. Ny faniriako hoy izy dia ny mba ho tonga kristianina toa ahy avokoa izay rehetra mihaino ny teniko anio. Rehefa vita izany dia nolazain’i Agripà an’i Festosa fa azo hafahana i Paoly raha tsy nangataka hotsarain’i Sezara.

Ao amin’ny Evanjely kosa (alahady fahatelo fankalazana ny Paka Taona D) dia tsara ny mampahatsiaro ireo hevi-dehibe tian’i Joany ambara amin’ny anjara toeran’i Piera sy ny Fiangonana amin’ny famahanana ny andian’ondry. Izy (Piera) no nanainga ny mpianatra handeha hanjono, amin’ny fiantombohan’ny toko 21, ary na dia “ilay mpianatra tian’i Jesoa” aza no nahalala fa ny Tompo io, dia izy no nisarika ny harato feno trondro ho eny amin’i Jesoa, kanefa tsy rovitra ny harato. Raha heverina dia misy heviny manokana izany amin’ny fomba fiainan’ny Fiangonana: na dia mety hahalala mialoha ny Tompo aza ilay “mpianatra Malala”, dia anjaran’i Piera no mitarika ny asa apostolika sy mitahiry ny firaisan’ny Fiangonana.

Mampalahelo ny mieritreritra ny zava-misy eo anivon’ny Fiangonana indraindray. Ny nangatahan’i Jesoa amin’i Piera, ka mazava ho azy amin’ny dimbiny sy amin’ny Fiangonana manontolo tarihiny, dia tsy “hitery ronono” fa hamahana ny ondry, tsy hibaiko fa hanasa tongotra sy hanompo, tsy hampianatra toy ny mpitari-bato vilam-bava fa ho fakan-tahaky ny ondry tarihina amin-kalemem-panahy (1 Piera 5, 1-4). Mialoha ny hampahatsiahivana ny kristianina ny adidiny amin’ny denier des cultes sy ny rakitra, dia mila mandini-tena ny Mpiandraikitra ao amin’ny Eglizy amin’ny fiezahany mamahana ny ondry amin’ny Tenin’ny Fiainana izay iezahany hiainana ihany koa. “Tsy mety raha hilaozanay mitandrina ny sakafo ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra”, hoy i Piera, manamafy izany andraikitra izany (Asa 6, 2).

I Jesoa moa manontany an’i Piera raha toa ka tia (ἀγαπάω agapao) Azy, i Piera mamaly fa valim-pitia (φιλέω phileo) no hany azony ampanantenaina. Moa ve tia ahy ianao? Fantatrao fa tiako ianao. Samy tia no nandikana ny hoe “agapao” sy “fileo” ao amin’ny dikantenintsika. Na dia tsy afaka ny hitia (ἀγαπάω agapao) araka ny hitiavan’Andriamanitra azy aza i Piera, dia eken’i Jesoa ny hitiavany (φιλέω phileo) araka izay vitany. Amin’ny fanontaniana fanintelony dia tsy manontany azy ho tia (ἀγαπάω agapao) intsony i Jesoa fa mampifanaraka ny fanontaniana amin’izay vitan’i Piera: moa tia ahy (φιλέω phileo) va ianao!  Hery ampy hanosika an’i Piera hamahana ny ondrin’i Kristy izany. Ambaran’i Joany mazava fa i Kristy no Mpiandry ondry (Jo 10, 11) ary antsoiny hamahana ny ondriny izay nahatsiaro no tiana ka mamaly fitia Azy.

Isaky ny avy mihinana isika (avy mandray ny Teniny sy ny Tenany) no anontanian’i Jesoa ka antsoiny hifaninana amin’ny fitiavana Azy isika, “moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?” Dia mazava loatra fa amin’ny fanomezana sakafo hahavelona ny ondriny no hifaninana amin’izany fitiavana izany.

Tia antsika ny Ray, φιλέω fileo fa tsy agapeo no ampiasain’i Joany ao amin’ny Jo 16, 23-28, vakiteny Sabotsy 6 Paka) noho ny fitiavantsika an’i Jesoa.  φιλέω (fileo) moa no ampiasain’i Joany eo, hahafahantsika mahazo fa ny fitiavan’Andriamanitra antsika, ilay ἀγάπη (ἀγαπάω agapao, mitia) nasehony tamin’ny nanirahany ny Zanany ho antsika dia tonga fisaikazàna, efa nantsoiny hoe sakaiza isika (φιλος) ary namborahany ny tsiambaratelony manontolo (Jo 15, 15).  Isika kosa, toa an’i Md Piera, tsy sahy nampiasa ny ἀγαπάω agapao hilazany ny fitiavany an’Andriamanitra. Araka ny nolazaintsika teo hoe i Jesoa manontany raha tia, agapao, i Piera mamaly hoe fileo, kanefa antsoiny hahatsapa ny fitiavany, ka hizotra tsikelikely avy amin’ny fitia mifamaly (philos) ho amin’ny fahafoizana ny fiainana manontolo hamahanana ny ondry. “Manaraha Ahy”, no amaranan’i Jesoa ny teniny amin’i Md Piera.

Ny hoe “Manaraha ahy” koa dia mampahatsiaro antsika fa tsy mpiandry ondry arahina i Piera fa ondry manaraka an’ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra manala ny fahotany (Jo 1, 36-37), ilay namindra fo taminy tamin’ny fandavany Azy. Manara-dia an’i Jesoa izay tia azy ka miezaka isan’andro hampitovy ny fiainany amin’ny fiainan’i Jesoa.

Tsy valisoa sy fankasitrahana anefa no setrin’izany fanarahan-dia izany, fa “fandehanana amin’izay tsy tiana aleha”, i Piera ilay tsy nanaiky ny hosasana tongotra, fony izy tanora (Jo 13, 6. 36), satria tsy ny mpampianatra velively no ho hilatsa-tena ho mpanompo, dia hiraviravy (ἐκτείνω ekteino= hanampatra) ny tanany eo amin’ny hazofijaliana toa an’i Jesoa (ny taona 64, ary lazain’i Eusebe fa ny lohany no nataony ambany, nasainy natsongoloka ny lakroà namantsihana azy fa tsy mendrika ny hitovy amin’ny Mpampianatra azy izy), ka izany fahafoizany ny ainy ho fijoroana ho vavolombelona ho an’ny andian’ondry voaenjika toa azy izany koa no nanaporofoany ny fitiavany an’i Jesoa (Jo 15, 13). Izany rehetra izany dia mba ho voninahitr’Andriamanitra, tahaka an’i Kristy niditra amin’ny voninahitra, tamin’Izy nasandratra teo amin’ny Hazo (cf. Jo 12,26-33).

Ny Fanahy masina anie hampitombo ny zotom-pontsika hihaino ka hankato ny Tenin’Andriamanitra ary hampihatra azy amin’ny fanompoana Azy ao amin’ny olombelona rehetra (Vavaka fangatahana).

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy fahafito fankalazana ny Paka
PREVIOUS
Alakamisy fahafito fankalazana ny Paka
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.