Trinitera Malagasy
Zoma fahadimy fankalazana ny Paka

Zoma fahadimy fankalazana ny Paka

Njara Pascal
  • Asa 15, 22-31
  • Salamo 56
  • Md Joany 15, 12-17

Ny Asan’ny Apôstôly dia mampianatra antsika handinika sao sanatria eo anivon’ny Fiangonantsika mbola misy olona tsy nahazo alàlana akory avy tamin’ny Apôstôly mampitabataba amin’ny teniny sy mampitebiteby ny sain’ny mpino, amin’ny fitakiana adidy tsy araka ny Evanjely akory. Mazava moa ny votoatin’ny Taratasy nosoratana ho an’ireo Jentily tany Antiokia, mamintina ny zavatra nolazain’i Piera sy Jakoba: fifadiana ny fijangajangana sy ny fanompoan-tsampy.

Misy fomba fiteny sasantsasany tiako asiana tsindrim-peo kely anefa amin’izay ampiasain’i Lioka amin’ny fitantarany. Ny Fiangonana no mifanara-kevitra fa tsy olona iray, izy no maniraka (izahay), ary miaraka amin’ny Fanahy Masina no ahapahany hevitra. Izay fiaraha-miasa amin’ny Fanahy Masina izay no hahafahana manapa-kevitra araka ny Evanjely, ka hahatonga izany ho loharanon-kafaliana sy fanalana alahelo ho an’izay mino.

Tsy azo adinoina anefa ny tanjon’ny fitoriana ny Evanjely sy ny ezaka rehetra atao eo anivon’ny Fiangonana: mba hifankatiavana bebe kokoa, izany hoe mba hahatonga ny olon-drehetra ho mpianatr’i Kristy, hitia tahaka ny itiavan’i Kristy azy, hahafoy ny aina ho an’ny hafa. Ny hahalalan’ny olona fa mpianatr’i Kristy isika dia ny fifankatiavana. Ilay fitiavana manambatra ny Ray sy ny Zanaka, dia ilay fitiavana nitiavan’ny Ray ny Zanaka no manambatra ny mpianany amin’i Jesoa ary tonga rohim-pihavanana koa mampiombona ny mpianatra samy mpianatra. Nahafoy ny ainy ho antsika Izy ka isika koa antsoiny hitia amin’ny hafenoan’ny fitiavana: mahafoy ny zavatra rehetra, hatramin’ny aina aza. Io no didy vaovao omeny izay te hanara-dia Azy.

Ny fiainana io didy io no hahatongavantsika “sakaizan’i Jesoa”, ary tsy azo adinoina fa ny “sakaiza” ihany no mahalala ny tsiambaratelo, mahafantatra izay nolazain’ny Ray, dia ny lalam-pahasambarana atorony ho an’ny olona rehetra tsy an-kanavaka. Ny fiezahana hiaina ny fitiavana araka izany no hidirantsika amin’ny fiombonam-po sy fiainana amin’Andriamanitra, amin’ny fahalalana Azy bebe kokoa hatrany. “Izay tsy tia tsy mahay na mahalala an’Andriamanitra”, hoy i Md Joany (1 Jo 4, 8).

I Jesoa no misafidy ny sakaizany sy nanendry (τίθημι tithemi, manamasina, vakio Fanisana 8,10) azy ireo mba handeha sy hahavokatra ary haharetan’ny vokany. Misafidy maimaim-poana tsy araka ny fahamendrehan’ny olom-boafidy Izy, fa araka ny haben’ny fitiavany, tahaka ny nataony tamin’Israely (vakio Deteronomy 7, 7-8). Tsy ho mpanompo fa ho sakaiza, ho zanaka mpandova no niantsoan’Andriamanitra antsika, ka tsy hihanona amin’izay mety ho baiko na karama, fa ho mpiombon’antoka amin’ny fanitarana ny famonjena tiany ho an’izao tontolo izao.

Izay no iraka ampanaovina ny Eglizy Fanasina sy Fahazavana (Mt 5, 13ss), mitondra ny hanitr’i Kristy amin’ny olon-drehetra (2 Kor 2, 14), ka tsy teny tsara lahatra fa ny fomba fiainana andavanandro izay hazavain’ny fitiavana no mitondra vokatra hahasarika ny olona hanatona (Jo 12,32) ka hanome voninahitra ny Ray (Jo 15, 8), hidera Azy vory vahoaka, hiantsa Azy anivom-pirenena noho ny halehibeazan’ny hatsaram-pony (Salamo 56).

Ho haintsika anie ny hampifanaraka ny toe-piainantsika amin’ny Paka ankalazaintsika, ka hitoetra ao amin’ny fitiavany, dia hivelomantsika amin’ny maha-sakaiza, amin’ny maha-zanaka, ary ho sambatra amin’ny fandaniana ny fiainana hikatsahana izay mahasoa ny hafa, tsy hitadiavana voninahitra ho an’ny tena fa hikatsahana ny voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy fahadimy fankalazana ny Paka
PREVIOUS
 Alakamisy fahadimy fankalazana ny Paka
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.