Trinitera Malagasy
Zoma faha-dimy mandavan-taona

Zoma faha-dimy mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa Jenezy 3, 1-8/Salamo 31/
  • Ankasa 1 Mpanjaka 11, 29-32; 12, 19/Salamo 80/
  • Md Marka 7, 31-37

Tamin’ny fitantarana ny martirin’i Joany Batista, (tamin’ny Zoma IV Marka 6, 14-29) dia asian’i Md Marka tsindrim-peo ny lazan’i Jesoa, araka ny valin-teny nomeny ny mpianatr’i Joany: mahiratra ny jamba, sitrana ny mandringa, toriana amin’ny malahelo ny Evanjely (Mt 11, 5). Faminanian’Izaia moa izany: hitsangana ny maty (Iz 26, 1), handre ny marenina (Iz 29, 18), hahita hazavana ny jamba (amin’ny alarobia VI) ary hiteny tsara izay mibadabada fiteny (Iz 35, 5-6) araka ny henontsika amin’ny Evanjely anio. Izany rehetra izany dia fanehoana ny fitoriana ny Evanjely amin’ny mahantra (Iz 61,1).

Raha raisintsika ny fitantaran’ny Evanjely anio dia mbola any amin’ny faritanin’i Dekapoly ihany no mizotra ny tantara, tany no nandroahan’i Jesoa demony, ary any koa no mbola lazain’i Marka fa nahatanteraka ny faminanian’i Izaia. Tsy voafetra ho an’Israely ny famonjen’Andriamanitra. Tao no nisy lehilahy marenina (κωφός) no moana (μογιλάλος). Raha adika ara-bakiteny dia olona manana fahasahiranana amin’ny fihainoana ary raha ny fototeny κόπτω (koptò) no jerena dia olona tsy afaka nifandray intsony amin’ny hafa ka mijaly noho izany fisarahana izany. Tsy moana loatra izy fa manana fahasahiranana (μόγις) amin’ny fitenenana, mibadabada fiteny. Ary olona no nitondra azy teo amin’i Jesoa mba hametrahan-tanana. Mety mahazo antsika koa izany, rehefa tsy hita izay ambara dia manao roa lela, manao sotrbe lava tango.

Moa ve tsy ny fomba firosoana amin’ny sakramenta no lazain’i Marka amin’ny fitantaran’ny EVanjely anio? Tsy afaka ny hanatona an’i Jesoa sy handre ny feony isika raha tsy tantanan’ireo efa nahazo ka nandray ny teniny. Ireo no raiamandreny mpiantoka amin’ny batemy, ny katesista sy ny mpiandraikitra izay manana adidy hitarika ny olona ho any amin’i Jesoa. Mampalahelo anefa fa indraindray ny fandraisana andraikitra sy ny latsak’emboka no mahamay kokoa ny sasany, mihoatra amin’ny fampianarana ny Tenin’ny fiainana hahafahana mihaino sy miteny ka hiderana an’Andriamanitra.

I Jesoa kosa mitondra miavaka izay rehetra manatona azy, mba hahatonga azy tsy hifangaro intsony amin’ny vahoaka fa ho masina, voatokana ho Azy (קֹדֶשׁ=qodêsh). Tsy ny fahaizan’i mompera mitoriteny anefa na ny fahazotoan’ny katesista mampianatra no mampisokatra ny fon’ny olona handray ny fahasoavana fa:

Ireo no mamaha ny olona amin’izay manakana azy tsy hifandray amin’Andriamanitra sy ny olombelona. Ny fahasitranana avy amin’izany no hahazoany manavaka ny fampianaran’ny Evanjely amin’izay fampianarana hafa rehetra efa mety ho henony (par ouï-dire). Teny samihafa manko no ampiasain’i Marka fa samy nadika hoe sofina moa izy ireo: nokasihan’i Jesoa tamin’ny ratsantanany ny sofina (τὰ ὦτα, οὖς: sofina) ary nisokatra ny sofiny (αἱ ἀκοαί, ἀκοή: ny fandrenesana, fa entina hilazana ihany koa ny fampianaran’ny Evanjely): misokatra ny fandrenesana ka afaka mandre sy mandray ny fampianaran’ny Evanjely.

Izany no vavaka ἐφφαθά (ephphatha, פָּתַח) ataon’ny Eglizy amin’ny Batemy:  “I Jesoa mampalady ny marenina sy mampiteny ny moana anie hanampy anao hahazoanao mandre haingana ny Teniny sy mitory ny finoana Azy, hanomezana dera sy voninahitra an’Andriamanitra Ray”.

Lazain’i Md Marka fa arakaraka ny nameperan’i Jesoa azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa. Eo ihany ilay tsiambaratelo “secret messianique” averimberin’ny Evanjelista fa tiany asiana tsindrim-peo koa fa tsy afaka ny tsy hitory ny Evanjely izay nandray azy. Loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho, hoy i Md Paoly (1 Kor 9, 16).

Ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra anie ny teny aloaky ny vavantsika vita batemy ka tsy ho teny miolankolana (μόγις) fa ho teny mahitsy (ὀρθός) hitarika izay mandre azy ho amin’ny fahasambarana. Afaran’i Jesoa rahateo isika tsy hiroroa lela (Mt 5, 37).

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha-dimy mandavan-taona
PREVIOUS
Alakamisy faha-dimy mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.