Trinitera Malagasy
Zoma faha-33 mandavan-taona

Zoma faha-33 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Fanambarana 10, 8-11/Salamo 118
  • Tsy ankasa 1 Makabeo 4, 36-59/1 Tantara 29, 10-12
  • Md Lioka 19, 45-48

Efa voasoratra fa ny tranoko dia trano fivavahana, nefa ianareo kosa manao azy ho zoin’ny mpangalatra.

Izay mandray ka mivelona amin’ny Teny voasoratra, izany hoe mitsakotsako sy mitelina azy, mandany fotoana mandinika azy, maka fy, maniry te hahafantatra ny heviny ary manaiky ny hovany, na dia mangidy ao an-kibo aza izany, dia tonga mpaminany, vonona hijoro ho vavolombelon’ny Fitiavan’Andriamanitra (Fanambarana 10, 8-11). Mivoatra tsikelikely satria manaiky hotefen’ny Tenin’Andriamanitra mba hahafantatra ka hanahaka ny Endriny. Mihoatra ny volamena sy volafotsy, hoy ny Salamo 118 ny hasarobidin’ny Lalàna sy ny Fanambaran’Andriamanitra ary mameno hafaliana ny fon’izay liana aminy ny baikon’Izy Tompo.

I Jesoa dia nanaiky hisedra ny fankahalan’ny lehiben’ny Mpisorona sy mpanora-dalàna ary ny loholona izay nitady hahafaty Azy. Izany fanekena izany dia mifototra amin’ny fanekena izay voasoratra fa “trano fivavahana ny tranon’Andriamanitra”.

Mampalahelo ihany ny mandinika ny fanampahan-kevitra sasany ara-pastoraly, handaniana fotoana bebe kokoa ao am-piangonana mba hitadiavam-bola fa vitsy ny fotoana laniana mbahitadiavana fomba hampianarana momba an’Andriamanitra sy hitiavana azy bebe kokoa ary mba hifankatiavan’ny zanak’Andriamanitra araka ny hitiavan’Andriamanitra antsika. . Fotoana zara raha misy na « occasionnel » no hamakiana sy handinihana ny Tenin’Andriamanitra sy ny finoana. Heverina ho vita tamin’ny fiomanana amin’ny sakramenta.

Vokatr’izany dia na ny fivoriana aza, indraindray, mifantoka amin’ny resa-bola fotsiny no andaniana fotoana, mba tsy hilazana ny fomba fitadiavam-bola sasany mifanohitra amin’ny Evanjely sy ny fitondran-tena kristianina aza indraindray. Ny an’ny sasany aza, ny Tenin’Andriamanitra no atao fitadiavam-bola, hoy i Md Paoly (2 Kor 2, 17).

Tsy ny fiangonana “trano ivavahana” ihany anefa no voakasik’izany fa ny fontsika ihany koa, izay tempoly onenan’ny Fanahin’Andriamanitra. Ny vavaka dia tsy famerenana tsianjery na sanatria an’izany famerimberenana piliavava fotsiny. Ny famakiana sy ny famerimberenana (sapile na sahala amin’izany, ny formules, ny rites), dia manampy be dia be ho an’izay te handalina ny finoany, ka mampiasa ireny ho fitaovana hahalalana sy hitiavana bebe kokoa an’Andriamanitra sy ny namana. Ny vavaka dia firesahana amin’Andriamanitra. Izay no mahatonga ny fahanginana ho sarobidy ho an’izay tena te hiroso lalindalina kokoa amin’ny vavaka.

Raha resaka, araka izany, ny vavaka, dia ny fahatsapana ny maha-eo ilay iresahana no fiantombohan’ny resaka. Azo lazaina ho fivavahana ary ve ny ataontsika manao tsianjery kanefa tsy misy saina na fo mba mahatsiaro sy mahatsapa fa eo anivontsika Andriamanitra! Ny antsoina hoe “recueillement” hiomanana amin’ny fivavahana araka izany dia mba hanaovana ny atao hoe “expérience de Dieu”, hanandramana ny hamamin’ny fiombonana amin’Andriamanitra hiantefan’ny resaka atao amin’ny fivavahana.

Trano fivavahana ny tranon’Andriamanitra. Trano ampianaran’i Jesoa antsika isan’andro mba hahalalantsika ka hibanjinantsika ny tena endrik’Andriamanitra marina, ary hanafaka ny fontsika amin’ny mety ho fanangolen’i Mamôna. Ekentsika hiantrano ao amin’ny tempolintsika anie ny Tenin’Andriamanitra ary angatahontsika Izy mba hampamiratra ny tavany amintsika ka hahafahantsika mibanjina Azy, tsy amin’ny misterin’ny Finoana ihany, fa indrindra indrindra eo amin’ny fiainana andavanandro: ao amin’ny madinika sy ny ory izay sitrany hisehoana mba hotiavintsika.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha-33 mandavan-taona
PREVIOUS
Alakamisy faha-33 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.