Trinitera Malagasy
Zoma faha-32 mandavantaona

Zoma faha-32 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa 2 Joany 4-9/Salamo 118
  • Tsy ankasa Fahendrena 13, 1-9/Salamo 18
  • Md Lioka 17, 26-37

Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery.

Manahirana ihany ny mahazo izany teny izany, saingy fantantsika fa avy amin’ny fahafatesany no nampidiran’i Kristy antsika amin’ny fiainany. Amin’ny ora hialany aina no nanomezany antsika ny Fanahy (Jn 19,30). Tsy mahagaga raha ny andro hahafatesana amin’ity fiainana ity no antsoin’ny Fiangonana hoe “dies natalis”, andro fahaterahana, satria handrombahan’ny voromahery izay mety ho ‘nofo’, ary itondran’ny mpijinja any an-tsopitra ny voa tsara.

Ambaran’ny Evanjely anefa fa tsy tokony hivaky loha amin’ny embona ny lasa na ny fitsinjovana ny ho avy isika, tsy hierika tahaka ny vadin’i Lota, ary tsy hiverina haka izay mety hitsinjovana ny ho avy, tsy sanatria hidina indray ao amin’ny trano efa nilaozana.

Nôe sy Lôta moa no ohatra raisin’ny Evanjely. Ny iray navotana tamin’ny safo-drano, ny iray navotana tamin’ny afo sy solifara. Saingy ny olona kosa, ny tombontsoany sy ny hafinaretany no nimasoany. Taranaka fangoloka, hoy Md Piera (Asa 2, 40). Ny an’ireo manaiky ny Tenin’Andriamanitra kosa dia ho difotry ny ranon’ny Batemy ary hodiovin’ny afon’ny Fanahy Masina. Tsy ny handositra hiala eo amin’izao tontolo izao manko no sitrak’i Jesoa ho an’ny mpianany fa ny mba ho voaaro amin’ny Ratsy (Jn 17, 15). Ny fiovana toe-tsaina (metanoia, fibebahana) no takian’i Jesoa, ka hahatsapana fa ny fampiasàna ny fiainana ho laniana hanasoavana ny hafa no mampisy heviny sy mahatonga azy ho sarobidy, ho vary angonina any an-tsompitra rahatrizay. Very hasina ny fiainana heverina hotahirizina satria hakombon’ny fitiavan-tena tsy hahita afa-tsy ny soa ho azy. Tsy afaka ny hahafoy ny fiainany ho laniana ho an’ny hafa izay tsy mahatsapa fa fanomezana avy amin’Andriamanitra izay eo am-pelatanany.

Tsy ny fananana ihany anefa no tsy maintsy lavina (Lk 14, 33) fa ny tena mihitsy, ary izay nafoy dia tsy tokony hiverenana intsony, hoy isika teo aloha. Ny alika no miverina amin’ny nalohany, hoy ny ohabolana ampiasain’i Md Piera (2 Piera 2, 22), ka izay efa mitory eny an-tafontrano tsy hiverina noho ny alahelo ny fananana navela ao an-trano; izay efa nivoaka hiasa eny an-tsaha, namaly ny antson’ilay Tompon’ny voly, tsy hiverina haka izay nilaozany. Tsy sanatria hilaza fa hanao fakofako ny zavatra rehetra, toa an’i Md Paoly (Fil 3, 8) mihoatra amin’ny fahalalana an’i Kristy, kanefa amin’ny fiainana dia fakofakoina avokoa izay hita rehetra, na sanatria atao fitadiavana harena sanatria ny fampianarana momba an’i Kristy.

Tsara ny manamarika izay lazain’ny Evanjely fa olona roa miara-manao zavatra mitovy dia tsy mitovy ny hanjò azy. Midika izany fa tsy ny fanahafana ny ataon’ny olona (na izay ataon’ny besinimaro) akory no hahavonjy antsika sanatria, fa kosa ny fanekena am-pahalalahana hanome ny aina mba ho fandraisana anjara amin’ny fanehoana amin’izao tontolo izao fa fitiavana Andriamanitra, ary Izy no efa nitia antsika mialoha.

Hanampy antsika hanolotra ny tenantsika manontolo ho sorona ankasitrahany (Rom 12, 1) anie ny fihainoana sy ny fandinihantsika ny Teniny isan’andro.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha-32 mandavantaona
PREVIOUS
Alakamisy faha-32 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.