Trinitera Malagasy
Zoma faha-26 mandavan-taona

Zoma faha-26 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Joba 38, 1-21; 40, 3-5/Salamo 138
  • Tsy ankasa Baròka 1, 15-22/Salamo 78
  • Md Lioka 10, 13-16

[Hitondra fiadanana no antony anirahana ny mpianatra, ka izany fiadanana izany no rariany ho an’izay trano idirany. Izay mandray izany fiadanana izany ihany manko no afaka mandray koa ny Fanjakan’Andriamanitra. Tahaka ny zanak’ondry eo anivon’ny amboadia anefa ny mpianatra, ka tsy sanatria hivadika ho amboadia koa mahita ny amboadia. Raha maharitra amin’ny maha-zanak’ondry azy ny mpianatra dia mandresy ny fitiavana, ka izay heverin’ny ratsy ho fandreseny amin’ny famonoana ny marina no fahafatesany mandrakizay, ary izany no nataon’i Jesoa voafantsika teo amin’ny hazofijaliana. Izany no mahatonga ny mpianatra hanintsana ny vovoka amin’ny tongotra, hilazany fa tsy hanaraka ny mety ho faharatsian’izay tsy nandray ny Teny izy. 

Ny teny ampiasaina amin’ny grika nadika hoe: manintsana (ἀπομάσσομαι, ἀπομάσσω: apomassomai) sy miraikitra (κολλάω) anefa dia azo ilazana ihany koa ny fanamainana ny fery mba hijanonan’ny ra (ἀπομάσσω), sy ny fikatonan’ny fery rehefa sitrana (κολλάω, kollao). Ny ratrany no nanasitranany antsika, hoy Izaia Mpaminany (Izaia 53, 5). Mbola mitondra izany fery izany amin’ny tenako aho, hoy i Md Paoly (Gal 6, 17).]

Ny mpianatra araka izany, raha sanatria mandà ny tsy hitondra fiadanana dia mandray anjara amin’ny fandavana an’i Jesoa. Tsy ny fandavan’ny olona tolorana tsy akory no hanidy ny fon’izay vonona hizara. Tsy resaka “fanatisme” na filan-dera manko no antony hitoriana fa noho ny fo tsy afaka ny tsy hizara ny hafaliana amin’ny maha-zanaky ny Ray. Loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho, hoy i Md Paoly (1 Kor 9, 16). 

Izay tsy mandray araka izany dia tsy voahozona fa hitomaniana. οὐαί (ouai) moa amin’ny grika dia maneho ny alahelo amin’ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy, ny alahelon’ilay nanao izay tratry ny aina hanasoa saingy nolavin’ilay notiavina kosa. Na ny dikan-teny vaovao hoe “mila loza ianao” aza, tsy mahadika azy. Ny marimarina kokoa dia hoe “loza ho ahy noho ianao…”, ary izany no noporofoin’i Jesoa maty teo ambony hazofijaliana noho ny fahotan’ny olona. 

Ny fitiavana, na dia tsy valiam-pitia aza tsy mba mamaly faty, tsy miandry kendry tohina. Ny mpianatra, araka ny voalazantsika teny aloha, mijanona ho zanak’ondry na dia eny afovoan’ny amboadia aza. Tsy ny habetsahan’ny fahagagana no hampibebaka ny fo fa ny fisokafana amin’ny hazavana entin’i Kristy. Raha ny fahagagana natao tany Tira (צוֹר tsôr, vatolampy) sy Sidona (צִידוֹן Tsidôn, fanjonoana mioham-pampana) no natao tany Korozaïna (miafinkafina, maizin’ny setroka) sy Betsaida (צַיָּד tsayad, tananan’ny jono) dia efa ela no nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona (tahaka an’i Niniva, fahavalon’Israely nanirahana ny mpaminany Jonasa 3, 8). 

Izay tsy mandray ny fahasoavana azony araka izany ka mahay mampiasa azy araka ny tokony ho izy, dia mampalahelo ihany. I Kafarnaoma (tananan’ny fanalana alahelo), nanombohan’i Jesoa ny fampianarany, raha tsy mibebaka dia haetry hatrany amin’ny afobe (hades, toeran’ny maty), saingy ny fitiavan’Andriamanitra, ventesintsika amin’ny fiekem-pinoana dia manambara fa hatrany amin’ny “afobe” (שְׁאוֹל – shéol na ᾅδης hades: a-εἰδῶ eido, fiainan-tsy hita, hoy ny protestanta) dia nidinan’i Jesoa koa mba hitondrany ny hazavan’ny fitsanganany ho velona (KFK 633).

Izay manaiky ho iraka dia mahatsapa fa tsy azy fa an’i Jesoa, an’ny Ray ny fanirahana, ka Izy no mijaly kokoa noho izay iraka mety tsy nahazo fahombiazana ary Izy koa no sambatra kokoa noho ireo voasoratra anarana any an-danitra (Evanjely rahampitso). Himombom-po tokoa Aminy anie isika nofidiany ka hanana fo mangoraka tahaka ny Azy, malemy fanahy sy manetry tena. 

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha-26 mandavan-taona
PREVIOUS
Alakamisy faha-26 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.