Trinitera Malagasy
Zoma faha-25 mandavantaona

Zoma faha-25 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Mpitoriteny 3, 1-11 /Salamo 143
  • Tsy ankasa Akjea 1, 15b – 2, 9/Salamo 42
  • Md Lioka 9, 18-22

Taorian’ny filazana ny fieritreretan’i Herôda momba an’i Jesoa dia alefan’i Lioka any an’efitra indray ny fitantarana, fa manampy antsika kosa anefa izany hahazo ny hafatra tiany hambara: ao an-dapan’ny mpanjaka dia ny olona tsongoin’olom-bolo no afaka mihinana sy mahazo tombontsoa. Any an’efitra kosa dia ny vahoaka rehetra tsy an-kanavaka no hohasoavina. Ary ambaran’i Lioka mazava ny hafatr’i Jesoa: izay te ho mpianany no hanome hanina azy ireo. Ny boky dimin’i Moizy, ny bokin’ny Mpaminany sy ny Fahendrena, ny salamo etsy an-daniny, ny lalàn’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana etsy an-kilany. Mofo sy trondro amby ampy hozaraina ka hamelomana ny vahoaka.

Aorian’izay no manomboka ny Evanjely anio. I Joany amin’ny maha-mpaminany azy dia nanondro fa i Jesoa no Kristy saingy naniraka ny mpianany hanontany ny momba an’i Jesoa mba hanamarinany ny faminaniany; i Herôda naheno ny lazan’i Jesoa dia nanontany tena ny amin’izay filazan’ny olona ary naniry hahita Azy; fa i Jesoa kosa no manontany ny mpianatra, manentana azy ireo hanao dingana, miainga avy amin’ny filazan’ny olona (izay mitovy amin’ny henon’i Herôda ihany), mandalo amin’izay fahalalan’ny tena saingy tsy maintsy diovina sy hamafisin’ny misterin’ny Paka izany rehetra izany.

Ao anatin’ny vavaka, fanokanan-tena hitokana samirery miaraka Aminy no hahafahana mamaly izany fanontaniana rehetra izany. Io moa no ataontsika amin’ny laretirety na ny matsom-panahy sy ny fihatahana masina. Fa na ny fivavahana aza dia tokony ho izay fitokanana samirery miaraka Aminy izay, miresaka Aminy, mitombo fahalalana Azy sy ny Teniny, hihaino Azy sy hanaiky ny hotarihiny. Ny Vavaka narafitry ny Fiangonana mba hanehoana ny fiombonana (ny Litorjia indrindra indrindra) dia tokony hanampy antsika amin’izany firesahana Aminy izany. Ao amin’ny vavaka no mbola hanamafisantsika hoe “ataontsika ho iza Izy”, ao no hahafahantsika miandry sy manavao ny Paka, mba ho ny finoana Azy nitsangan-ko velona no ho ivon’ny fiainantsika sy izay rehetra ataontsika ka hitoriana ny Evanjeliny amin’ny voary tontolo, araka ny hafany.

Ny vavaka no ivon’ny fiainana kristianina, ka izay tsy manam-potoana hivavahana intsony dia ho azon’ny fakam-panahy tsy hanao intsony ny asany ho fiombonana amin’i Kristy ary mety hiafara amin’ny fieritreretana ho tompon’antoka fa tsy iraka intsony, ka hanompo ny tenany sy ny voninahiny fa tsy ny voninahitr’Andriamanitra, ary hahavita hatramin’ny famonoana ny tsy manan-tsiny mety hanembatsembana ny voninahiny, tahaka an’i Herôda, aza. Ao amin’ny vavaka no hialana amin’ny fitiavan-tena ka tsy hiheverana ho tompon’ny lalàna. Asian’i Lioka tsindrim-peo manokana ny fiombonan’ny Fiangonana: i Jesoa tsy nisafidy fa “namory” (συγκαλέω =syn-kaleo) ny Apôstôly, tsy manontany ny hevitry ny tsirairay fa manontany ny hevitra iombonana “ataonareo ho iza?”. Amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo no amalian’i Piera, ary tompon’antok’izany fiombonana izany izy sy ny solontenany.

Mora ny manaraka olona mahazo fahombiazana foana fa sarotra kosa ny hino fa olona iray maty novonoina amin’ny fahafatesana mahafa-baraka, tsy naharo ny tenany akory, no ilay “mesia”, ilay voafidin’Andriamanitra. Izay te hanaraka Azy araka izany dia tsy afaka ny hikendry ny voninahitra arak’izao tontolo izao intsony, fa hanaraka kosa ny fandaharan’Andriamanitra sy ny fahendreny, hanaiky ho Sorona, toa an’i Kristy, hanaiky hatramin’ny farany ny sitrapon’ny Ray, hanehoana fa na dia manoloana ny habibiana (Herôda, Romanina, Farisiana sy mpanora-dalàna), manoloana ny hakanosàna (mpianatra nitsoa-pahana avokoa) dia mandresy ny fitiavana, manohy mitia sy mamela heloka, ary izany no fitsanganan-ko velona.

Ho fandalinana ny finoantsika an’i Kristy tafatsangan-ko velona anie ny fotoana atokantsika hivavahana.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-26 mandavan-taona Taona D
PREVIOUS
Alatsinainy faha-25 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.