Trinitera Malagasy
Zoma faha-14 mandavantaona

Zoma faha-14 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Osea 14, 2-10/Salamo 50
  • Tsy ankasa Jenezy 46, 1-30/Salamo 36
  • Md Matio 10, 16-23

“Indro aho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia”. Teny tsy misorona, ka izay vonona ny hihaina marina tokoa ny maha-irak’i Kristy azy, dia mahatsapa ny fahamarinan’io teny io, ary miombona anjara amin’ilay Zanak’ondry natolotra ho solo voina ho antsika, ilay mitondra (αἴρω airo, mivesatra) ny fahotan’izao tontolo izao” (Jn 1, 29). Ny zava-misy manko dia mazàna ny tsy manan-tsiny no mizaka ny voka-dratsin’ny fahotana, ka izay mijanona ho “zanak’ondry”, izay tsy voasarika hampiasa ny herisetra sy hamaly faty no mandresy ny ratsy.

Io “zanak’ondry novonoina” io no tokana afaka hanokatra ny tombokase fito, hoy i Joany. Ny Lakroà no fanalahidy hahafahana miditra ao amin’ny misterin’Andriamanitra: ny tsara dia mandresy amin’ny toa fahareseny, ny ratsy kosa dia resy rehefa tsy mivaly. Izay mety ho valifaty na herisetra araka izany dia fandresen’ny ratsy. Izay mijanona ho zanak’ondry no mpianatr’i Kristy, ka tsy hanam-po afa-tsy ny hanao soa, tsy hanao sorona ny hafa fa hanaiky hanolotra ny tenany, handresy ny ratsy amin’ny soa (Rom 12, 21). Izany no hanirahan’i Jesoa ny Fiangonany.

“Amboadia ho an’ny hafa ny olona”, hoy i T. Hobbes. Impiry moa no maheno olona mimenomenona ka miantso valifaty amin’ny ratsy nafitsoky ny hafa: “ataoko mahita iny…” Ny malemy fanahy, tsy manam-po afa-tsy ny hanao ny tsara (Sal 36) ihany anefa no handova ny tany (Mt 5, 5). Ny sasany mba mivavaka hono, ka “miandry ilay Andriamanitra tsy andrin’ny hafa”. Andriamanitra hampibebaka ny fon’ny amboadia ka hahasambatra azy miaraka amin’ny zanak’ondry (Izaia 11, 6) no Andriamanitry ny Kristianina.

 Ampahatsiahivin’i Jesoa fa ny hafetsena dia tsy sanatria natao hamitahana fotsiny fa azo ampiasaina ihany koa ho fahamalinana hahitana ny velam-pandrika ataon’ny ratsy ka hiarovan-tena, hitadiavana izay tsy hahafaty ny tena sy tsy hamonoana ny hafa; ny fahatsoran’ny voromahailala kosa dia tsy sanatria “naïveté”, hadalàna hitadiavan-doza, fa kosa fitokisana, tahaka ny zaza eo am-pofoan-dreniny (Sal 130). Ny ondry araka izany dia malina ka tsy mitady loza, mitsoaka any amin’ny tanàna hafa raha henjehina, saingy matoky kosa an’Andriamanitra mba hahazo hery handresena ny ratsy raha sanatria tojo azy ka tsy afa-miala intsony.

Ny hafa, mety hanohy ny maha-amboadia azy: hitory any amin’ny fitsaràny, hanendrikendrika, hanala baraka, ary mety hamono aza. Izany rehetra izany dia mitaky amintsika fijoroana ho vavolombelon’i Kristy. Raha amin’ny anaran’i Jesoa, noho izany fijoroantsika ho vavolombelony izany no hijaliantsika dia mahazo matoky isika satria miombona aina Aminy, mandray ny Fanahiny izay “Parakletos”, mpisolovava, ka hijoro ho “Martiry”, ho vavolombelona tsy hiaro tena fa hanambara ny marina. “Aza manahy izay fomba fandaha-teny”. Tsy ny hiarovana ny tena no tokony himasoana fa ny mba ho vavolombelon’ny fitiavana. Asan’ny Fanahy izany ka izay manaiky ho tarihiny no afaka miaina izany.

Tsy mahagaga raha toa ka halan’ny olona rehetra izay vonona ny hitondra ny “Anaran’i Jesoa”, ilay anarana hahazoan’ny olona rehetra ny famonjena (Rom 10, 13), ka hitondra fitiavana satria ho “fahazavana” hanelingelina ny fomba amam-panao tsy mifanaraka amin’ny Evanjely, ary mazava loatra fa fankahalana no ho setrin’izany. Izay haharitra (ὑπομένω hypomeno) hatramin’ny farany (εἰς τέλος Mt 10, 22), izany hoe hatramin’ny hafenoana, hatramin’ny tanjona nokendrena dia ny hitoriana ny Evanjely amin’izao tontolo izao (Mt 24, 24), ka matoky ny Fanahy Masina izay tompon’antoka amin’izany no ho voavonjy (σῴζω sozo). Izay mahatsiaro fa fanomezana ny aina dia hahafoy azy manontolo mba hampisy heviny ny fiainany ka hanahaka an’ilay “Zanak’ondry” handray ny satro-boninahitry ny fiainana (Fanambarana 2, 10).

Ry Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po ô, ataovy manahaka ny fonao ny fonay.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha-14 mandavantaona
PREVIOUS
Alakamisy faha-14 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.