Trinitera Malagasy
Talata II Paka

Talata II Paka

Njara Pascal
  • Asa 4, 32-37
  • Sal 92
  • Md Joany 3, 7-15

Ny Vakiteny voalohany moa dia ny famintinana faharoa mikasika ny fiainan’ny Kristianina (Asa 2, 42-47 ny voalohany, dia Asa 5, 11-16 ny fahatelo). Niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra. Ny finoana no mampiombona, hoy Md Fulgence de Ruspe, ary tsy fiombonana am-bava fa amin’ny fiainana manontolo: tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy fa niombonana avokoa ny zavatra rehetra. Fahasoavan-dehibe izany. I Josefa izay atao hoe Barnabe, zanaky ny fanalana alahelo koa dia nametraka ny vidin’ny taniny teo an-tongotry ny Apôstôly. Barnabe moa raha adika ara-bakiteny dia zanaky ny faminaniana no dikany (נָבִיא nabiy’ mpaminany, nabà), saingy adikan’i Lioka ho zanaky ny παράκλησις (paraklesis), teny fankaherezana, fanalana alahelo avy any ambony, avy amin’ilay “paracleto”, ny Fanahy Masina, izay manambara ny fahatanterahan’ny Tenin’Andriamanitra izay “lalina, marina sy tsy mivoana” (Salamo 92). Tsy mahagaga raha nantsoin’i Jesoa hoe Bar-Jona, zanaky ny voromailala, i Piera (Jo 21, 15), hoy Md Bede le Venerable, satria izay mahafoy ny zavatry ny tany no afaka hahazo ny fanalana alahelo amin’ny zavatry ny lanitra, ary izay manaiky hoentanin’ny Fanahy Masina ihany no afaka hitory ny fanalana alahelo, vokatry ny fanantenana, izany hoe ny fahitana ny zava-misy araka ny hevitr’Andriamanitra.

Ahoana anefa no hahafahana manala alahelo an’izay tsy hary nalahelo, tsy ary nahafoy, tsy mahafoy satria tsy te hino fa izay mahafoy dia hahazo zato heny? Ambaran’ny Salamo setriny fa tsy mivena fa tsara orina ny teny voalazan’Andriamanitra.

Eto amintsika, na ny anjara litorjia aza mampiady (mpamaky teny, mpanadio sy mpandamina sns), na ny zavatra faran’izay tokony hampiombona aza mbola manasaraka, ary ny an’ny sasany aza, toa heverina ho toy ny “ody” ny fivavahana ka ampivadiana amin’ny fomba amam-panao mahazatra, ka hanafangaroana ny fanompoan-tsampy sy ny finoana ka hihevitra hoe tsy hahavonjy ve izay andriamanitra mahery kokoa.

Mandinika ny momba an’i Barnabe, Levita avy any Sipra aho, dia mahatsiaro fa ny Levita raha ny marina dia tsy mba manana zara lova, tsy manana tany amidy. Vavak’izy ireo ny alina ny salamo 15, hiventesany fa YHWH no hany zara lova (מָנָה manah) ho azy ireo (Sal 15, 5). Ny fivarotana ny tany, araka izany ho an’i Barnabe, dia fidirana ao amin’ny hasambaran’ny Evanjely, fidirana ho “mahantra” (μακάριος makarios, béni de Dieu) araka ny Evanjely, ka tsy ho azon’ny fakam-panahin’ny fitahirizana ny harena ho zavatra azo ianteherana: “Andriamanitra irery ihany no azo hifefena (חָסַה Hacah, hihafenana mba hiarovan-tena), Izy irery ihany no tena fananana (טוֹב tob, Izy no soafanaperana)” (Sal 15, 1-2), izany hoe tsy misy soa mihoatra noho Andriamanitra. 

Amin’ny Evanjely dia mbola averin’i Joany ihany ny maha-zava-dehibe ny Eglizy, endrika sitrak’Andriamanitra hisehoan’ny maha-Iray ny Ray sy ny Zanaka, atambatry ny Fanahy. “Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay”. “Izahay” izay arafitr’ireo izay manaiky ateraka indray tamin’ny Rano sy ny Fanahy. Fa inona no fantatr’izy ireo ary inona koa no hitany?

Ny Evanjely moa manohy ny fampianaran’i Joany mikasika an’i Jesoa, tena Andriamanitra fa tena olombelona koa. Tsy afaka ny hahazo ny zavatry ny lanitra isika raha tsy mifandray Aminy, miray aina Aminy, miara-maty Aminy mba hiara-belona Aminy koa. Izy irery ihany no “nidina avy any an-danitra”, ka afaka manoro antsika ny lalana. Ny finoana entina mijery Azy nahantona tamin’ny hazo dia midika fanarahan-dia Azy. Ny Fanahy nomeny tamin’Izy nolefonina no manome antsika izany fanalana alahelo izany (Jo 19, 30).

Hijery izay nolefonina izy! (Jo 19, 37).

Teo amin’Israely dia fahotana lehibe ny fanompoan-tsampy sy ny fanaovana sarin’andriamani-tsy miteny hotompoina. Tsy sasatry ny mandika lalàna anefa ny vahoaka “mafy hatoka” (Eks 32, 9). Rahefa nanao sarivongana miendrika zanak’omby ho an’ny vahoaka nimenomenona i Aharôna, izay noheverin’ny Israelita fa tahaka ny andriamanitra Ptah (sarin’ombalahy, Bareà) tao Memphis ihany, mitovy amin’ YHWH ka hamaly izay nanaraka ny didiny amin’ny fahasoavana sy ny fahavokaran’ny tany ary hanafay kosa ny mpanota. Nandritra an’i Moizy nivavaka tamin’YHWH tany an-tendrombohitra no nanefen’izy ireo an’izany (Eks 32, 1-6). Fa nitalaho ho an’ny vahoaka i Moizy mba tsy hanafaizan’ny Tompo azy ireo. (Eksaody 32, 7-14). Tsy azo adinoina fa mbola nanjavozavo tao amin’ireo vahoaka ireo ny endrik’Ilay Andriamanitra “Ray”, nasehon’i Jesoa antsika.

Tsara hotsarovana ny tonom-bavaka nataon’i Moizy mba hangatahana fifonana ho an’ny vahoaka: tsy fialan-tsiny amin’izay ota be vava nataon’izy ireo fa fitanisana kosa ny fitiavana mandrakizay nasehon’ilay nampanantena ny fahasambarana ho an’ny vahoakany. Izany no atao hoe mivavaka: mampetraka ny fitokisana eo am-pelatanan’ilay Tia tsy misy tambiny, ilay tonga hitsara mba hanavotra fa tsy hamono (Evanjely rahampitso).

Na i Moizy aza anefa mba nanao sary hivavahana ihany koa (Fanisana 21), inona no mahasamihafa ny sariomby sy ny bibilava varahina? Nampahatsiahiviko tamin’ny fetin’ny nanadratana ny hazofijaliana fa i Ezekiasa, mpanjaka nanao izay mahitsy teo imason’YHWH dia nanamontsana ny bibilava varahina nataon’i Moizy satria fanompoan-tsampy ho an’ny zanak’Israely izany (2 Mpanjaka 18, 4), heverin’ny olona fa sazy avy amin’Andriamanitra ny vokatry ny hadalany sy ny fahotany; indraindray koa ny andraikitra tsy vitany na tsy tiany hatao dia heveriny hovahan’Andriamanitra amin’ny fahagagana vokatry ny fikasihana na ny fiambozonana zava-masina na vokatry ny vavaka piliavava; indraindray koa adino fa ny zava-masina dia famantarana ihany: tsy ny zavatra hitan’ny masony fa ilay Andriamanitra mpamonjy ny olona no nahasitrana ireo nibanjina ny bibilavan’i Moizy, hoy ny Bokin’ny fahendrena (Fah 16, 7), manome ny fanazavana ny amin’ny maha-samihafa ny bibilava varahina sy ny sarin-tsampy rehetra.

Izany no tokony havalintsika izay milaza fa manompo sampy isika amin’ny sary sy sarivongana mameno fiangonana: tsy ny zavatra hitan’ny masony fa ilay Andriamanitra mpamonjy ny olona no nahasitrana ireo nibanjina ny ireny sary mitory ny asan’Andriamanitra ao amin’ny olomasiny ireny. I Jesoa nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana no famantarana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra antsika, ka amin’ny fibanjinana Azy no hidirantsika amin’ny fiainana mandrakizay (izay lazain’i Joany fa ny Fahalalàna an’Andriamanitra Jo 17, 3) raha hinoantsika fa Izy no hafenoan’ny fanambarana ny Ray (revelation): Andriamanitra manaiky ho faty, toy izay hamaly faty. Izay mino (πιστεύω pisteuo) Azy, izany hoe izay mametraka ny fitokisany rehetra Aminy no hanana ny fiainana mandrakizay, hanandrana ny fiainam-pahasambarana ao amin’Andriamanitra, tsy aorian’ny fahafatesana (satria tsy ho faty intsony, evanjely amin’ny herinandro manontolo) fa dieny izao “anio” izao.

Anjarantsika ary ny mandray an-tanana ny fiainantsika, sao sanatria mbola fitadiavana ny haren’izao tontolo izao no mameno ny faniriantsika, ka mazava loatra fa ny fahazoana izany harena izany no ho fanalana alahelo avy eo. Raha fitadiavana ny Fanjakan’ny Lanitra kosa no imatimatesantsika dia ny harena avy amin’ilay Fanahy, tsy hita maso na renin’ny sofina fa miasa eo anivon’ny Eglizy no ho fanalana alahelo omeny, satria ny Fiainana Mandrakizay, ny tsy fahafatesana mandrakizay no valisoan’ny finoana.

Mila mandinika araka izany hoe aiza no hahazoana fanalana alahelo, ka hahaizantsika mizara ny haren’ny tany, hampanan-karena ny hafa sy hahazoana ny hafalian’i Barnabe, nahafoy ny taniny mba handovany ny harena tokana, dia Izy Tompo (Sal 15).  

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia II Paka
PREVIOUS
Alatsinainy II Paka  
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.