Trinitera Malagasy
Talata I mandavan-taona

Talata I mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa Hebrio 2, 5-12 /Salamo 8
  • Ankasa 1 Samoela 1, 9-20/1 Samoela 2, 4.5.6.7 8abde
  • Md Marka 1, 21-28

Rehefa avy niantso ny mpianatra ho tonga mpanarato olona i Jesoa dia azo lazaina hoe tonga niorim-ponenana tao Kafarnaôma mihitsy (Mt 9,1), ny tranon’i Piera no zary ambohi-pihaonana. Izay te ho mpianany koa dia tsy maintsy mandray Azy ao an-tranony, hifanerasera Aminy. Tsy dia nifanalavitra loatra amin’ny sinagoga io tranon’i Piera io. Ny Sabata dia any amin’ny Sinagoga no hivondronan’ny olona mba hihaino ny Tenin’Andriamanitra sy handray ny fanazavana hahafahana miaina izany. Ny ankamaroan’ny farisiana sy ny lehiben’ny sinagoga dia manazava ny Soratra Masina amin’ny famerimberenana ny fampianaran’ireo olo-malaza, ary izay no mahazatra ny olona.

Dia nampianatra i Jesoa, ary gaga ny rehetra naheno Azy satria tsy toy ny mpanora-dalàna no nampianarany fa toy ny manam-pahefana. Tsy famerenana izay nolazain’ny hafa fa filazana izay hevitra lalina ambaran’ny Teny. Izay tsy gaga amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra dia tsy nahazo na inona na inona amin’izay voalaza, na nahazo ihany fa tsy ny hevitra lalina tian’Andriamanitra ambara aminy no azony.

Rehefa toriana araka ny tena izy ny Teny dia manafaka, mandrava ny velam-pandrika sy ny fanjakan’i Satana, toy ny hazavana ka mampihariary ny asan’ny maizina. Nisy olona iray tao amin’ny Sinagoga, azon’ny fanahy maloto. Mampandinika ihany izany. Sao manko isika mihevitra ho mpamonjy lamesa isan’andro, kanefa sanatria mbola andevozin’ny asan’ilay ratsy. Ny mino an’Andriamanitra sy ny mitsaoka Azy dia tsy midika fa efa miaina araka ny sitrapony isika, hoy Papa François (Fratelli tutti 74). Izay mandre ny Teny dia tsy avelany na oviana na oviana hipetrapetraka, hanontany tena sy hanontany an’i Jesoa hoe “ho avy hamongotra anay mialoha ny fotoana va ianao?” Ambaran’i Marka fa ilay fanahy maloto iray mampanalavitra antsika amin’ny fahasoavana dia milaza fa “hofongoran’i Jesoa”. Hamongotra “anay”. Saingy iray ihany no ampanginin’i Jesoa. Hoy Md Augustin: Aza dia mirehareha loatra amin’ny fiekem-pinoanao fa tsy misy mahasamihafa anao amin’ny demony raha ny amin’ny fitenenana izany fotsiny.

Mba hamitahana antsika dia lazain’ny demony fa hopotehin’Andriamanitra miaraka aminy isika raha toa ka roahina hiala tao izy. Firifiry ny olona tsy mahavita manapa-kevitra hiala amin’ny ratsy satria matahotra ny ho potika, matahotra ny ho afa-baraka, ny ho fadiranovana na sanatria ho voafongotra. Izay matoky an’Andriamanitra kosa mahalala fa ny ratsy no asoriny hamonjeny ny zanany na dia nanao ratsy, efa babon’ny fanahy maloto aza.

Masin’Andriamanitra izay mitory ny Teniny araka ny heviny. Tsy be resaka: “Mangìna! (φιμόω phimoo) – Mivohà”. Ambaran’i Marka koa anefa fa ady ny famongorana ny asan’ny ratsy, mampifanitontsitona, mitabataba mafy, saingy tsy maintsy avelan’ny ratsy ho afaka izay mandray ny Teny.

Izay te handresy ny demony dia tsy hiady hevitra aminy.

Ao am-piangonana no nanaovan’i Jesoa ny asa fanafahana voalohany, ary fanafahana antsika amin’ny fangejan’ny fanahy maloto izany, rehefa avy toriana amintsika ny Teniny ka raisintsika ho Tenin’ny fiainana mahavelona tokoa. Matoa tsy mandaitra amintsika ny Teny, matoa tsy manova ny fiainantsika, raha milamina ny fiainantsika satria tsy mbola mikiakiaka ny Demony, dia midika izany fa mbola ny toriteny mahazatra ny farisiana sy ny mpanora-dalana no henointsika.

Ny Tenin’Andriamanitra dia manafaka ary manampy antsika handray ny fahasoavan’Andriamanitra ka hizotra amin’ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana.

Izay vonona hanara-dia an’i Jesoa dia vonona ihany koa hitondra fiovana satria matoky ny herin’Izy ilay efa nandresy ny fahafatesana ka nanome antsika ho lova ny fiainana madrakizay. Angatahontsika ny fahasoavana mba handraisantsika ny Teny izay manana hery hanova ny fiainana ho amin’ny fahasambarana.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia I mandavan-taona
PREVIOUS
Alatsinainy I mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.