Trinitera Malagasy
Talata fahatelo mandavan-taona

Talata fahatelo mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa: Hebrio 10,1-10/Salamo 39/
  • Ankasa: 2Samoela 6,12b-15.17-19/Salamo 23/
  • Md Marka 3,31-35

Nivoaka hihazona an’i Jesoa ny havany satria noheverin’izy ireo ho very saina izy (and. 21). Dia nijanona tao alatrano ny reniny sy ny rahalahiny ka nampiantso azy. Tsy nifanaraka loatra amin’ny foto-pisainana nifandovana sy ny fahazarana andavan’andro manko ny fampianaran’i Jesoa ka nanahirana ny fianakaviany. Tsy manonona ny anarana Maria i Marka fa milaza ny renin’i Jesoa, milaza ilay Israely izay tsy niaina araka ny tokony ho izy intsony ny finoany, ka tsy afaka ny hahazo ny fampianaran’ilay tsy tonga handrava ny lalàna fa hanatanteraka azy.

I Masina Maria manko, nandray ny Teny reny, nanaiky ny sitrapon’ilay naniraka ny Anjeliny ka nitahiry tao am-pony ny Teny tonga nofo, tonga renin’ilay Zanak’Andriamanitra, tonga hamonjy ny olombelona rehetra ho afaka amin’ny fanandevozan’ny haizina.

Ambaran’i Marka fa tsy te hifandray amin’i Jesoa akory ireo havany fa iraka ihany no nalefany hampita ny hafatra any aminy: ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao. “Fa iza moa no reniko sy rahalahiko?” hoy i Jesoa: izay manao ny sitrapon’Andriamanitra. Ny Apôstôly nantsoin’i Jesoa mba hamory ny olon-drehetra hiara-mitoetra Aminy, ireo nihevitra ho havany kosa niantso Azy mba handao ny mpianany, fianakaviana vaovao natsangany, satria tiany hiray lova Aminy any amin’ny Fanjakany.

Iza ary no nanao ny sitrapon’Andriamanitra mihoatra an’i Masina Maria? Modely alaintsika tahaka isan’andro izy amin’izany, fa ny fampianarana tian’i Md Marka hampitaina amintsika kosa dia ny mba handinihantsika tena, sao sanatria entim-pahazarana ihany ka mihevitra fa renin’i Jesoa (mamera sy mopoera) sy rahalahiny (frera) na anabaviny (masera) satria vita batemy (kristianina), misoratra amin’ny registre, saingy ny fiainana sadasada, mifanalavitra amin’ny Evanjely ary tsy mihevitra akory ny hampifanaraka azy amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

Tsy fanarahana ny marina araka ny lohantsika na ny hitsiny araka izay saim-pantantsika anefa ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Misy olona manko mihevitra fa tsy mila mankany am-piangonana, tsy mila mamaky sy mandalina ny Teny, tsy mila mandalina ny finoana satria ampy ny manao ny marina sy ny hitsiny. Indraindray mamita-tena ihany izy ireny satria diso hevitra loatra ny amin’izany. Ny hiafarany dia izay rariny sy hitsiny araka ny saim-patany sy ny danin’ny kibony no ataony.

Fahendren-drazana ohatra ny hoe “tanana zatra mitsotra tsy afaka hivonkona intsony”, ny finoana kosa manambara fa ny maty aza mbola hitsangana, ny Fanahy Masina dia afaka manova ny fon’ny olombelona rehetra, hanala ny fo vato ka hanome fo nofo nohavaozina mba hitandrina ny lalàn’Andriamanitra (Ez 36,26). Fahendren’olombelona ny hoe “Andriamanitra tsy mihay izay tsy miahy ny tenany” fa ny Evanjely maneho ny endrik’Andriamanitra “mitady sy hamonjy ny very”. Tsy midika anefa izany fa afaka manao izay tiany ny olona fa kosa manampy antsika hizotra amin’ny lalam-pinoana vaovao atoron’i Jesoa.

Lalim-pandinihana ny razantsika saingy somambisamby ihany izany fahendrena izany, hoy ny Hira. I Kristy ary no modely ho an’izay te hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy sitrak’Izy Ray ny sorona dorana ka Izy no nanolo-tena hanao ny sitrapon’Andriamanitra (Heb 10). Ny fanahafantsika Azy no maha reny, anadahy sy anabaviny antsika.

Hitombo ao am-pontsika anie ny faniriana hihaino ny Tenin’Andriamanitra tonga nofo ao amin’i Jesoa Kristy ka hahafahantsika miditra amin’ny fiainana, dia ny fiombonan-dova Aminy, dia Izy ilay Zanaka tokan’Andriamanitra, ary hahafahantsika koa miombona amin’ny maha reny an’i Masina Maria, hiteraka an’i Jesoa, hahatonga nofo ny Teny eo amin’ny andavanandrom-piainana izay anirahan’Izy Tompo antsika.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia fahatelo mandavan-taona
PREVIOUS
Alatsinainy fahatelo mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.