Trinitera Malagasy
Talata faha-33 mandavantaona

Talata faha-33 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Fanambarana 3, 1-22/Salamo 14
  • Tsy ankasa 2 Makabeo 6, 18-31/Salamo 3
  • Md Lioka 19, 1-10

Lehiben’ny poblikana ilay Zake (זַכַּי Zakkay, “tsisy fangarony”, raha Zakak no fototeny; “tsy nohadinoina” kosa raha Zakar), lehiben’ireo mamoritra ny vahoaka amin’ny fandoavana ny hetra ho an’ny mpanjana-tany, mpanakarem-be ary any Jerikô izy no nitoetra, any amin’ny toerana heverina fa iva indrindra eto ambonin’ny tany. Ity tantara ity no entin’i Lioka mamaly fa na dia sarotra aza ny idiran’ny mpanan-karena tahaka an-dry Zake ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra, fa sady tsy voavonjy araka ny Lalàna satria mpamadika tanindrazana, no sady mpanakarena mila loza, araka ny Evanjely.  Hain’Andriamanitra kosa anefa ny mitari-dalana azy ireo ho amin’ny lalam-pamonjena, hainy ny mamaly ny fanirian’izy ireo ho sambatra, fa izy ireo koa hitady ny fomba rehetra hahitana an’i Jesoa, hihaino ny feony, ka manaiky hidina faingana mba hanatanteraka izay andidiany.

Mety ny fahenoana ny fahasitranan’ilay Jamba nangataka ny hahita (ἀναβλέπω anablepo) teo amin’ny sampanana mankany Jerikô no nanosika an’i Zake haniry hahalala an’i Jesoa. Mety ho izy mihitsy koa aza no ilay jamba nangataka mba ho afaka hiandrandra teo. Tsy ny mason’ilay mpangataka ihany manko no afaka nijery lavidavitra kokoa, hijery ny zavatra any ambony, fa ny an’i Zake ihany koa. Manakana antsika tsy hahita an’i Jesoa anefa ny fitsiriritan-karena sy fahefana amam-boninahitra, ny olona mitangorona manodinina antsika. Saingy izay manana faniriana tena izy dia mahita ny fomba rehetra hanatanterahana izany.

Raha dinihina hoy i Md Augustin dia ny hazon’ny fiainana no niakaran’i Zake. Ny tampon’ny Kalvery no toerana tsy maintsy nolalovan’i Jesoa. Izay te hahalala an’i Jesoa dia mihazakazaka mialoha Azy, manaiky fa izay tia ny Ray dia tsy handà ny hizotra ho any Jerosalema, na dia ho kapoaka mangidy aza no hosotroina any. Any amin’ny toko 23 dia lazain’i Md Lioka fa tonga eo amin’io toerana io i Jesoa (Lk 23, 33), teo no niandrandra Izy (ἀναβλέπω anablepo) mba hijery ny olombelona rehetra, araka ny voalazan’i Md Paoly hoe niala (κενόω kenoo) tamin’ny fomba maha-Andriamanitra, nietry ho ambany indrindra mba hanandratra ny olon-drehetra.

Amin’ny Eokaristia raisintsika isaky ny lamesa dia miangavy amintsika mandrakariva i Jesoa mba hiantrano ao am-pontsika. Miangavy antsika mba hidina faingana. Tsy misy alaharo alaharo manko ny famonjena. Mila mihazakazaka mba hihanika ny amontana, mba hahalala bebe kokoa ny momba Azy, mba hamaliana ny faniriana hahalala Azy, kanefa miankina amin’izay fanapahan-kevitra raisintsika isaky ny avy mampiantrano Azy no hidiran’ny famonjena ao an-tranontsika na tsia :  toa an’i Zake ve ka hahafoy ny antsasaky ny fananana ho an’ny mahantra ary hanonitra avo efatra heny ny fananan’olona nalaina tsy an-drariny? Heverontsika ny fahasambarana ateraky ny fanampahan-kevitra tahaka izany, raha isika milaza ho mpino sy kristianina rehetra no mamerina (na tsy misy onitra avo efatra heny) izay zavatr’olona nalaina tsy an-drariny rehetra!

Manosika antsika hiova fiainana ny Eokaristia satria fihaonana amin’ilay Fitiavana mambabo ny fo, izay miantso antsika “haniry ny tsara sy hikatroka ny asan’ny finoana” (2 Tes 1,11 – 2,2). Ny fahasoavana tovozin-tsy ritra ao amin’io Sakramenta io no toky hahatsapantsika fa “antra sy mangoraka ny Tompo, tsy  malaky tezitra ary be fitiavana” (Sal 144) ka tsy ho kivin’ny kileman’ny tena, ary tsy ho sanatria ho tofoka amin’ny  fahalemen’ny hafa fa hanadra-bavaka tahaka an’ilay Poblikana nohamarinina tany an-tranony (Lk 18, 9-14) hanao hoe : Mamindrà fo amiko Tompo o!  fa koa toa an’i Md Paoly tsy ho sasatra hitalaho ho an’ny hafa mba samy hihaina ny fiainam-pinoana avy ny tsirairay.

Ny Poblikana sy ny mpivarotena no efa hialoha anareo ho amin’ny Fanjakan’ny Lanitra (Mt 21,31). I Zake, lehiben’ny poblikana sy Rahaba ilay mpivaro-tena (Josoe 6, 17ss), satria nanaiky ny fahosany ka natoky ny herin’Andriamanitra manafaka ny vahoakany, ka nanaiky hovan’izany hery izany ho tonga taratry ny fitiavana. Izay mihaona amin’Andriamanitra tsy afaka ny tsy hitia toa Azy. Samia ary mandini-tena amin’izay fiovana tandrify azy rehefa avy nampiantrano an’i Jesoa ao am-pony amin’ny Fandraisana anjara amin’ny Sorona Masina sy amin’ny fihainoana sy fandinihana ny Teniny.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha-33 mandavantaona
PREVIOUS
Alatsinainy faha-33 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.