Trinitera Malagasy
Talata faha-31 mandavantaona

Talata faha-31 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Filipy 2, 5-11/Salamo 21
  • Tsy ankasa Romana 12, 5-16/Salamo 130
  • Md Lioka 14, 15-24

Nantsoin’i Jesoa hiezaka hiditra amin’ny varavarana ety ny mpianany. Amin’ny fitantaran’ny Evanjely anio anefa dia hoe irahiny ny mpikaramany mba hampandroso izay rehetra hitany teny amin’ny kihon-dalana rehetra mba hameno ny trano fihinanana. Ny fandraisana anjara amin’ny Fanasana any amin’ny Fanjakan’ny lanitra no mahasambatra. Saingy indraindray, ny avonavona sy ny fiheveran-tena ho manan-kaja sy manan-katao no handavana ny Fanasana ho any. Ny fiarian-karena, ny varotra hitadiavana tombony ary ny hafinaretana hilibana vokatr’izany no tanisain’i Lioka ho sakana.

Asain’i Jesoa manova ny lisitry ny olona hasaina ilay Farisianina, ary na izy aza dia manasa ny olona rehetra mba hameno ny efitranony. Ho an’ny mpanan-karena dia ny havitsian’ny olona mitavana kanefa handaniana be no mampanan-daza ny fety; ho an’Andriamanitra kosa, ny hahafeno ny trano nomaniny ho an’ny zanany rehetra no mahafeno fatra ny hafaliany. Tsy sakana tsy hahafeno ny trano ny mety ho kilema na sampona napetraky ny fiaraha-monina, nentina hanavakavahana.

Tsy manery anefa Izy. Ambaran’i Lioka fa miandalana ny fiantsoany: ho an’ny vahoaka voafidy (Israely), ho an’ireo madinika sy fadiranovana nokarakarain’i Jesoa manokana sy nantsoiny ho mpianany (Apôstôly) ary ho an’ny olombelona rehetra (Fiangonana). Na ny fomba fiasan’Andriamanitra aza anefa dia mivoatra araka izany: 1- miangavy, mampandre, 2- mitondra an-tanana ary 3- manery ny olona rehetra mba hahafeno ny trano fihinanana. Na ireo izay nandà aza moa ve, rehefa tavela any ivelany, hanirery any, tsy ho tonga “madinika sy voaikikilika” koa, ka ho voataona ho ao ihany!

Tsy afaka ny hiditra ao anefa izay mbola feno avonavona. Tsy afaka ny hidera sy hisaotra an’Andriamanitra izay mihevi-tena ho mahavita sy mieboebo ho tompon’antoka amin’ny zavatra vitany, izay mihevitra fa tsara kokoa ny mandeha mambony na ny mandeha hivarotra, na ny hanam-bady noho ny handray anjara amin’ny fihinanam-be, kanefa ny olona rehetra kosa efa lasa any ka raha voninahitry ny tena no tadiavina dia hanirery any ivelany any ihany amin’izany.

Ampahatsiahivin’i Md Lioka tany amin’ny toko faha-13  hoe handondòna ny varavarana ihany ireo mandà rehefa hitsangana hanidy ny varavarana ny tompon-trano (Lk 13, 25). Tsy hipetraka hihinana anefa izy, raha mbola misy zanany any ivelany. Raha ny mpanota aza ve itadiavany ny fomba rehetra hovonjena, mainka fa ny marina!

Ny Eokaristia no Fanasana iantsoan’Andriamanitra antsika mba handray anjara amin’ny hanina homaniny ho antsika. Tsy ho sanatria ny fitiavantsika ny zavatry ny tany, na ny fitadiavantsika tombom-barotra na sanatria ny hafinaretana mandalo no hanakana antsika tsy higoka ny hasambarana santarintsika sahady amin’izany fanasana izany. 

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
1 novembre
Fankalazana Manetriketrika ny Olontsambatra
rehetra
PREVIOUS
Alatsinainy faha-31 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.