Trinitera Malagasy
Talata faha-23 mandavan-taona  

Talata faha-23 mandavan-taona  

Njara Pascal
  • Ankasa 1 Kôrintiana 6, 1-11 /Salamo 149/
  • Tsy ankasa Kôlôsy 2, 6-15/Salamo 144
  • Md Lioka 6, 12-19

Taorian’ny filazana momba ny Sabata, andro hanaovan-tsoa, dia nivoaka teny an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka ary nivavaka tamin’Andriamanitra Ray. Raha raisina tsirairay ireo teny ampiasain’i Md Lioka dia manampy antsika kosa hahazo ny halalin’ny fampianarana tiany ampitaina.

Nivoaka i Jesoa, nanao ny “exode”, mba hiakatra (ἐξέρχομαι exerchomai) eny amin’ny tendrombohitra. Eny an-tendrombohitra no toerana hihaonana amin’YHWH, eny no nandraisan’i Moizy ny Teny Folo, eny no toerana hivavahana amin’ilay tena Andriamanitra marina. Izay mibanjina ny endrik’ilay Andriamanitra marina ihany no afaka hitoetra amin’ny hazavana ka hahavita handoaka alina, tsy hatahotra ny haizina satria “zanaky ny fahazavana”. Izay tsilovin’ny hazavan’ny vavaka marina ihany no afaka hitozo hiandry ny andro vaovao satria velomin’ny fanantenana.

Mialoha ny hihaonany amin’ny vahoaka eny amin’ny tany lemaka dia nifidy 12 lahy, antsoina hoe Apôstôly, iraka, i Jesoa. Olom-bitsy no anankinan’Andriamanitra ny iraka hamonjeny ny vahoaka, mba tsy hahafahan’izay voairaka mirehareha amin’ny herin’ny sandriny, tahaka ny nataony koa tamin’i Jedeona fahiny raha hanafaka an’Israely teo an-tanan’ny Madiana. Ny voalohany sy ny farany amin’ireo Apôstôly aza (Simona Piera sy Jodasy Iskariota) dia mpandà sy mpamadika (mpanolotra). I Jakoba izay tonga Israely aza moa, rehefa nazava ny andro, nandringa (Jenezy 32, 32) ary tsy mahagaga raha Apôstôly tsy tonga lafatra no sitrak’i Jesoa hanankinana ny Eglizy, saingy Apostoly tsy maintsy hiara-midina Aminy avy eny an-tendrombohitra. “Tsy ny mahavita zavatra, fa ny nanao azy tamin’ny anaran’ny Tompo” no hafalian’ireo mpianatra ireo, hoy ny Papa tamin’ny fihaonany tamin’ny Pretra sy Relijiozy Malagasy (08 septembra 2019).

Ireo no Apostoly, iraka: Simona 2, Jakôba roa (ny iray zanak’i Alfeo rain’i Levì ao amin’i Mk 2, 14), Jodasy 2, miaraka amin’i Andre sy Joany, Filipo sy Bartelemy, Matio sy Tomà. Anarana[1] sy toetra samihafa, saingy avondron’ny “iraka” iray noho ny firaisana aina sy vavaka amin’ilay miara-midina amin’izy ireo avy eny an-tendrombohitra: hitory ny Evanjely amin’izao tontolo izao.

Izay nahazo ny hazavana avy amin’ny vavaka, niara-nidina tamin’i Jesoa avy eny an-tendrombohitra ihany no afaka hitory ny hatsaran’ny fiakarana amin’ny vahoaka sy ny firenena monina amin’ny lembalemba ka tsy hazoto na oviana na oviana hanao ezaka hiala amin’ny mahazatra ka hananika havoana.

Eny amin’ny tany lemaka kosa dia indreo ny Mpianatra maro (ὄχλος ochlos vahoaka be) sy ny vahoaka betsaka (πλῆθος πολὺ τοῦ λαοῦ, firenena marobe) miandry ny hihaino Azy ka ho sitrana. Hihaino Azy ka avy amin’ny fihainoana ny teniny sy ny finoana Azy (fanatanterahana izay lazainy eo amin’ny fiainana) no hahazoana fanasitranana. Izay mihaino ka mitandrina ny Didy no ho velona (Det 11, 26-32). Izay tsy mihaino ny Teny dia mazava loatra, handre ny bitsiky ny bibilava ka haniratsira ny hafatr’Andriamanitra. Izany no nidiran’ny fahotana sy ny fahafatesana teto amin’izao tontolo izao, hoy i Md Paoly (Rom 5, 12). Ny herin’ny Teny, raha avelantsika haninteraka ny fiainantsika, no manavao sy mitondra fahasitranana tanteraka.

Izay “mikasika” an’i Jesoa kosa dia tafaray amin’ny misterin’ilay Andriamanitra mpamelon’aina, avy Aminy no hahazoantsika fahasoavana miampy fahasoavana, hoy i Md Joany (Jo 1, 16), ary hery mivoaka Avy aminy no hahafahana mandresy ny fanahy maloto.

Tsy ny fahendren’izay mpitory teny anefa no inona, izany no ilazan’i Md Paoly fa sitrak’Andriamanitra ny hamonjy ny mpino amin’ny tsy fahamendrehan’ny Mpitoriteny (1 Kor 1, 21). I Jesoa no ilay Teny tonga nofo, Teny velona, maranitra tahaka ny sabatra roa lela ka afaka haniteraka ny fon’ny olona rehetra.

Hanaiky hovan’ny Tenin’Andriamanitra anie isika.

[1] samihafa amin’izay lazain’ny Evanjely hafa aza : i Tade dia nosoloina an’i Jodasy zanak’i Jakoba, lazain’i Joany koa amin’ny Evanjeliny (Jo 14, 22).

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha-23 mandavan-taona
PREVIOUS
Alatsinainy faha-23 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.