Trinitera Malagasy
Sabotsy voalohany mandavan-taona

Sabotsy voalohany mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa: Hebrio 4,12-16/ Salamo 18B/
  • Ankasa: 1Samoela 9,1-4.17-19; 10,1a/Salamo 20/
  • Md Marka 2,13-17

Tsy ny finaritra no mila mpitsabo fa ny marary: tsy tonga hiantso ny olomarina aho fa ny mpanota.

Sarotra ny mahita izay endrik’i Jesoa miara-misakafo amin’ny mpanota izay, indrindra rehefa mahazo laka ka mibahana ao an-tsaina ny fiheverana fa avy nikônfesy dia mandry ny kônsiansy, na dia tsy hanam-pikasana hibata ny fandriana akory aza fa hanohy hatory eo ihany, misy manko ny hanaovany kominio, tsy hiraisana amin’i Jesoa fa mba ho hitan’ny olona sy hampandry ny konsiansy,dia izay no antony hikônfeseny. Izay tsy mahita fa ratsy ary mitondra amin’ny fahafatesana ny fahotana dia sarotra koa ny hiadiany amin’ny fahazaran-dratsy, ary izay tsy manana tanjona hotratrarina koa, na ampahafantarina ny maha ratsy ny ratsy aza, hikiribiby hisafidy izany ihany.Tonga ao an-tsaiko ny valintenin’i Samoela tamin’ny Zanak’i Israely nangataka mpanjaka (1Sam 8,4-7.10-22a), azontsika alaina ho ohatra amin’izany.

Handeha hanao kômonio ianao dia mahatsapa fa tsy mendrika, mpanota, ary marina izany, hoy Md Jean Marie Vianney. Saingy izay indrindra no hanaovanao Kômonio satria mila Azy ianao. Tsy midika anefa izany fa haninkanim-poana ny Kômonio, sanatria. Tsy hanin’ny mpidonana-poana io, hoy Kardinaly Razafindratandra izay, fa hanin’ny mpanao zavatra. Ny olona raiki-tapisaka amin’ny fanangonan-karena (Levy, לָוָהlāvāh= miraikitra) dia nandao ny famorian-ketra ka nanaraka an’i Jesoa mba ho tonga fanomezana ho an’ny hafa (Matio). Ny fiaraha-misakafo amin’i Jesoa dia midika fanekena Azy ho namana, ho mpiray petsapetsa amintsika. Midika ho fankatoavana ny antsony hanaraka Azy. Tsy afaka ny hiray latabatra Aminy manko izay tsy manam-paniriana hanaraka Azy, izay mbola mifikitra amin’ny famorian-ketrany, na sanatria an’izany mbola miray tsikombakomba amin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina, ka tsy te hifangaro amin’ny poblikana sy ny mpanota. Ny fiaraha-misakafo ho an’ny Jody (ary tokony ho antsika koa) dia fanamafisana ny firaisan-kevitra sy fiombonana aina: “izay iray vatsy iray aina”.

Tsy afaka ny ho mpianatr’i Jesoa araka izany izay tsy miray latabatra Aminy, tsy miray aina Aminy ka hihevitra ny hahavita tena ka tsy hivelona amin’ny Teniny sy ny Tenany: raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo, hoy Izy.

Tsy mampivarahotsana an’i Jesoa ny haratsian-toetran’ny mpiray latabatra, eny fa na dia izay mpikiribiby amin’ny fahotana aza (ἁμαρτωλός – hamartôlos).Lazaiko matetika ny hoe: izay manana ny hazavana ao an-tranony dia tsy matahotra ny hamoha ny varavarany ho an’ny hafa any ivelany na dia maizina aza ny andro, satria tsy ny haizina velively no hiditra fa ny hazavana no tsy maintsy mivoaka manazava ny any halan-trano. Tsy ny fahotana no mifindra fa ny fahamasinana. Tsy ny tahotra ny fahotàna araka izany no tokony himasoana fa ny fikolokoloana ny fahamasinantsika, ny fibanjinana ny endrik’ilay Andriamanitra tiana hitovizana endrika.

Aleokomahita kristianina maratra nivoaka namonjy ny namana toy izay mahita ny sasany bobongolo amin’ny fikatònana an-trano, hoy i Papa François, hikombona amin’ny fitafiana ny fiatsaram-belatsihin’ny Farisianina, mihiboka amin’izay mahazatra sy mampiadana azy. Izay manana an’i Kristy sy miara-misakafo Aminy no manana ny fahazavana. Raha sanatria àry tsy izy no mampivondrona fa zavatra hafa na tombontsoa hafa, dia tsy hitondra fahazavana ho an’ny hafa na oviana na oviana isika fa hitondra fahafaham-baraka sy fanafintohinana aza, amin’ny mety fiheverantsika ny tenantsika ka hisehoantsika ho mpianatr’i Kristy (kristianina).

Enga anie Izy Kristy mandrakariva no hampiombona antsika, indrindra rehefa tafaray hankalaza ny Eokaristiaka hiezahantsika hifanampy tokoa hanamasin-tena amin’ny anarany. Enga anie mba ho amin’ny anarany mandrakariva no hivondronantsika satria izay no sakramenta hahafahantsika mahatoky fa miara-misakafo Aminy isika, ary Izy no aina ivelomantsika.

Tsy ho sanatria an’izany ny vola sy ny famorian-ketra no hibahan-toerana ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana sy nyFikambanana lazaina fa Masina.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAHADY FAHA 2 MANDAVAN-TAONA – Taona B
PREVIOUS
Zoma voalohany mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.