Trinitera Malagasy
SABOTSY I FIAVIANA

SABOTSY I FIAVIANA

Njara Pascal
  • Izaia 30,19-21.23-26
  •  Salamo 146
  •  Md Matio 9,35–10,1.6-8

Ambaran’ny vavaka fangatahana anio fa ny hanafaka antsika amin’ny toe-pahotana no nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo, hiara-monina amintsika. Sady hanome antsika ny hanim-piahiahiana sy ny ranom-pahoriana Izy (Vakiteny I), na ny marimarina kokoa, hanome hanina antsika ao anatin’ny fahaterena mampitebiteby (tsar amin’ny teny hebrio, tebiteby lalina) ary hanome rano raha sendra ny famaizana (laḥats na famoretana) [ Il vous donnera du pain dans la détresse, de l’eau dans l’oppression, (Is 30,20 TOB)], no hanome ny mpampianatra ho hitan’ny maso sy ho ren’ny sofina, hanoro ny làlana hombana na hiankavanana na hiankavia.

Ny famantarana lazain’i Izaia dia ny hanomezan’Andriamanitra ny orana amin’ny voa afafy ka hampahavokatra mofo ny tany sy hampifahy ny biby fiompy amin’ny vilom-bary matsiro. Izany no tanteraka, hoy Izaia, amin’ny andro handringanana sy hianjeran’ny tilikambo. Tandindon’ny avonavona moa ny tilikambo, ka ny fietren-tenantsika eo anatrehan’Andriamanitra araka izany no hahafahantsika mibanjina ny asa mahatalanjona ataony, dia Izy ilay manarina ny ory sy mampihohoka amin’ny tany ny olon-dratsy (Sal 146).

Ao amin’ny Evanjely dia lazain’i Matio ny fomba entin’ilay Emanoela manafaka antsika amin’ny toe-pahotana, araka ny vavaka tetsy ambony: mitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’ny Lanitra ary mamerina amin’ny laoniny indray ny simban’ny aretina sy ny rofy. Mampahory sy mampangoraka Azy (splanchnizomai amin’ny teny grika, Andriamanitra mamindra fo sy miantra – rahum vehanun amin’ny teny hebrio) ny mahita ny vahoaka toa ondry tsy misy mpiandry, tsy misy mpanangona.

« Ny vary hojinjaina be fa ny mpijinja no vitsy« .

Ny zavatra voalohany tokony hatao an-tsaina izany dia hoe “ny vokatra be dia be”. Tsy nantsoina hamokatra ny mpianatra fa mba hijinja: hioty ny vokatry ny Fanahy. Ambaran’ny Evanjely (Matio sy Lioka) fa asain’i Jesoa mitalaho amin’ny tompom-bokatra isika mba haniraka olona hiasa hijinja ny vokany. Maniraka moa no nandikana ny matoanteny grika ekballô eto, izay midika ara-bakiteny hoe “manipy any ivelany”, mpiasa “terena” ho amin’ny fijinjana (therismos), izany hoe amin’ny fanangonana ny olona rehetra ho ao an-tsompitry ny Fanjakan’Andriamanitra. Mila mivavaka satria tsy herin’olombelona no mampamokatra ny asa fitorina izay hiantsoana ny olona amin’izany Fiangonana izany fa fahasoavan’Andriamanitra. Tsy azontsika adinoina na oviana na oviana izany.

Ny fijinjana ankinina amin’ny mpianatra araka izany dia ny fitondrana ny famonjen’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra. Mba hanatanterahan’izy ireo izany dia ny fahefana nentin’i Jesoa nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra no nomeny ny mpianatra niaraka tamin’ny fahefana handroaka fanahy maloto. Io ilay fahefana ho entina mandresy ny ratsy amin’ny soa (Rm 12,21).

Izay mihevitra ny hamafy nefa tsy mbola nandray anjara tamin’ny fijinjana, dia tsy hamafy ny vokatra avy amin’ny Tompom-bokatra fa hamafy ihany ny vokatry ny avonavony sy ny fitiavan-tenany. Tadidiontsika ny lazain’i Izaia tao amin’ny vakiteny I fa ny fotoana hianjeran’ny tilikambo no hamirapiratan’ny voninahitr’Andriamanitra. Izay mandresy ny avonanona ihany no afaka handany andro hitady ny ondry very, ka eny am-pandehanana dia hilaza amin’ny olona momba ny fanjakan’ny lanitra. 

Irahina hijinja amin’izay tsy namafazantsika isika mba hiara-paly ny mpamafy sy ny mpijinja (Jo 3,38). Izany hafaliana izany no valisoan’izay nanaiky handray ka hitory ny Evanjely. Ny fitoriana ny famonjena sy ny fitiavan’Andriamanitra no manasitrana kokoa noho ny fametrahana ny rantsan-tanana eo amin’ny ratra, noho ny tsy finoana (tahaka an’i Md Tomà).

Zavatra roa no iantsoan’i Jesoa ny Mpianany ary omeny ny fitaovana sy ny fahefana entina manatanteraka izany izy ireo: hanasitrana sy hamelona (ho amin’ny fiainana miavosa) ary koa hanangona sy hitahiry (hanasitrana ny boka sy handroaka ny devoly izay mampisara-bazana).

Ho Apôstôly mamafy hasambarana sy hafaliana tokoa anie isika, ka hahay hizara maimaim-poana sy am-pitiavana izay fanomezana noraisintsika avy amin’ny Ray dia Fanahy Masina.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faharoa Fiaviana Taona B
PREVIOUS
ZOMA I FIAVIANA
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.