Trinitera Malagasy
 Sabotsy fahaenina amin’ny fankalazana ny Paka

Njara Pascal
  • Asa 18, 23-28
  •  Salamo 46
  • Md Joany 16, 23-28

Ny Asan’ny Apôstôly dia mitantara ny niverenan’i Paoly tany Jerosalema sy Antiokia rehefa avy any Korinto (Akaîa) ary nandalo tao Efezy. Tao Efezy no nahatongavan’i Apôlô, izay teraka tany Aleksandria, olona nahay nandaha-teny sy nandalina fatratra ny Soratra Masina. Araka ny fiheveran’ny mpandinika maro dia izy no nanoratra ny Taratasy ho an’ny Hebrio. Tsy mbola lavorary ny fahalalany an’i Jesoa sy ny fampianarany, saingy lehilahy nikatsaka ny marina sy fatra-pandalina izy, ka rehefa nampian’i Prisila sy Akilasy handalina bebe kokoa ny finoana an’i Jesoa sy ny Eglizy, dia niangavian’ireo avy any Korinto mba ho any aminy (Akaîa), ary neken’ny rehetra izany. Tsy azo adinoina ny fizarana nateraky ny fahombiazan’ny fitoriany teny, ankoatra ny fandresen-dahatra ny Jody amin’ny fampiarihariana amin’ny Soratra Masina fa i Jesoa no Kristy, ny amin’ny fiombonana nolazain’i Paoly amin’ny fiandohan’ny taratasy nosoratany ho any Korinto fa tsy izay mampianatra no inona fa ny fiombonana amin’i Kristy: tsy misy an’i Paoly na Apôlô satria tsy voazara i Kristy (1 Kor 1, 12ss).

Izay mety ho fahaizana na fahalalana, raha avy amin’ny Fanahy Masina dia natao hampiombona fa tsy hampizarazara. Mampalahelo indraindray, fa misy olona tsy mampiasa ny fahaizany na izay noratoviny na ny fampianaran’ny hafa itokiany tsy hahalalàna bebe kokoa an’i Jesoa Kristy fa mba hireharehana fotsiny ihany, na sanatria hitadiavana tombontsoa sy voninahitra. Ny ohatra nomen’i Prisila sy Akilasy dia tokony hotozoin’izay nomena fahasoavana manokana mandrakariva: hampianatra tsaratsara kokoa izay hita fa afaka hanao ny fitorianteny, mba hahafahan’ny “iray finoana” haniraka azy any amin’ny toerana hahafahany mamokatra, araka ny fanomezam-pahasoavana noraisiny kosa indray.

Ny Evanjely omaly moa (Jo 16, 20-23) dia mifarana hoe: “amin’izany andro izany dia tsy hanontany ahy na inona na inona intsony ianareo”. Ny Paka no hafenoan’ny fanambaran’Andriamanitra, hanomezany ny Fanahiny, ka hahafahan’ny Mpianatra mahazo sy mahatsiaro izay rehetra nampianarin’i Kristy. Amin’izay no hahafahan’ny Mpianatra mangataka zavatra amin’ny anaran’i Jesoa. Mialoha an’izay dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ny anarany ny Mpianatra. Fa Andriamanitra Ray nanome ny Zanany lahitokana ho antsika ve (Jo 3, 16) tsy hanome antsika ny zavatra rehetra miaraka Aminy (Rm 8, 32)?

Inona no angatahintsika amin’ny Ray ankoatra ny Fanahy maha-zanaka tanteraka? Ary inona ny hafaliana tanteraka (lavorary) raha tsy ny fahatanterahan’ny sitrapon’ny Ray, izany hoe ny hahasambatra antsika? Ary nahoana no tsy hangataka ho antsika i Jesoa? Tsy Izy ve no Mpisorom-be niakatra namakivaky lanitra (Hebrio 4, 14-16)? Tsy angataka ho antsika afa-tsy ny Fanahy Izy (Jo 14, 16) ary ny Fanahy kosa hanokatra ny fontsika, hivavaka ho antsika, ka hahafahantsika miresaka mivantana amin’ny Ray, hiantso azy hoe “Aba, Dada” (Gal 4,6; Rm 8,15).

Rehefa manazava ny hoe “mangataka amin’ny anaran’i Jesoa” amin’ny mpianatra katesizy aho, dia mitondra azy ireo eo anatrehan’ny Lakroà. Dia lazaiko azy ireo hoe: atao ahoana ny hiangavy olona iray mifantsika tongotra aman-tanana mba hamonjy anao? “Mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay mahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo an-kavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra” (Hebrio 12, 2). Ny mangataka amin’ny anaran’i Jesoa araka izany dia ny mangataka mba hahafahantsika misafidy ny lalana hahafahana manara-dia Azy any amin’ny voninahitry ny lanitra.

Tia antsika ny Ray (φιλέω fileo) noho ny fitiavantsika an’i Jesoa.  φιλέω (fileo) moa fa tsy agapeo no ampiasain’i Joany eto, hahafahantsika mahazo fa ny fitiavan’Andriamanitra antsika, ilay ἀγάπη (ἀγαπάω agapao, mitia tsisy tambiny) nasehony tamin’ny nanirahany ny Zanany ho antsika dia tonga fisaikazàna, efa nantsoiny hoe sakaiza (φιλος) isika ary namborahany ny tsiambaratelony manontolo (Jo 15, 15).  Isika kosa, toa an’i Md Piera, tsy sahy nampiasa ny ἀγαπάω agapao hilazany ny fitiavany an’Andriamanitra (Jesoa manontany raha tia, agapao, i Piera mamaly hoe fileo, jereo Jo 21, 15-19 vakiteny zoma 7 paka) dia antsoiny hahatsapa ny fitiavany, ka hizotra tsikelikely avy amin’ny fitia mifamaly (philos) ho amin’ny fahafoizana ny fiainana manontolo hamahanana ny ondry.

I Jesoa no ilay Teny nivoaka avy amin’ny Ray ka tsy miverina Aminy raha tsy mahatanteraka izay nanirahana azy (Iz 55,10s). Mazava loatra araka izany fa ny fiverenany dia ny fahatanterahan’ny “iraka” nampanaovina Azy: mba hananantsika ny aina ka hananantsika azy amin’ny hafenoana (Jo 10, 10). Ny ainy no nafafiny ho antsika mba hamokarantsika kosa vokatra mihavosa ho amin’ny fiainana mandrakizay, ho voninahitry ny Ray (Jo 15, 8). 

Irahiny hijinja izay nafafiny isika mba hiara-paly Aminy any amin’ny fiainana mandrakizay (Jo 4, 36). Ho haintsika anie ny hioty ny vokatry ny Fanahy. 

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-7 fankalazana ny Paka Taona A
PREVIOUS
Zoma fahaenina amin’ny fankalazana ny Paka
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.