Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-34 mandavan-taona

Sabotsy faha-34 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Fanambarana 22, 1-7/Salamo 94
  • Tsy ankasa Daniela 7, 15-27/Daniela 3, 82-87
  • Md Lioka 21, 34-36

Lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio fa noho ny tahotra ny fahafatesana dia nisy ny niharan’ny fanandevozana nandritra ny andro rehetra niainany (He 2, 15). Ny tahotra matetika dia manakana antsika tsy hiaina an-kalalahana, tsy hiaina am-pitiavana. Ny zava-doza dia izany tahotra mitondra amin’ny fanandevozana izay: fanandevozan’ny mason’ny hafa, fanandevozan’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao, araka ny hanafaran’i Kristy antsika amin’ny Evanjely anio.

Tamin’ny fanazavana ny momba ny fahasambarana, tamin’ny fetin’ny olomasina rehetra dia nolazaina fa tsy fahasambarana mandalo araka ny rendrarendran’izao tontolo izao no atoron’ny Evanjely, ary tsy sanatria koa fahasambarana mbola andrasana aorian’ny fahafatesana, fa efa andramantsika sahady dieny amin’ity fiainana ity.  Ny tontolo iainantsika dia manao fety mba hitadiavana hafaliana, mba “hanalana azy”; misy olona mahita hafaliana amin’ny fihinanam-be, misy ny sambatsambatra amin’ny fisotrosotroana, ao ny mitady hafaliana amin’ny rendrarendra sy ny hafinaretan’ny nofo. Tandremo, hoy i Jesoa. Mila itandremana ihany koa na dia fiahiana ny fiainana aza, satria hampahavesatra ny fo izany. Ny fo anefa rehefa mavesatry ny fahadisoam-panantenana amin’ny zava-mandalo, dia tsy te hijery ny tena zava-misy, ka aleony manery ny saina sy ny maso hijery zavatra hafa, hanary dia amin’ny zavatra hafa.  

Ny tontolo atoron’ny Evanjely dia manao fety satria faly, satria zanaka mpandova ny fiainana mandrakizay, manandrana isan’andro ny hafaliana sy ny fety vokatry ny fihaonan’ny “zaza mpandany” sy ny “Ray be fitiavana” (Lk 15). Tsy fitadiavana hafaliana ny fety (ny fihinanana, ny fisotroana) ho an’ny Kristianina fa fanehoana ny hafaliana. Raha sanatria hitadiavana hafaliana no hanaovana fety dia havesatra noho ny teo aloha ny fiatrehana ny fiainana rehefa vita ny “fanalana azy”. Ny “tsara vintana” no sambatra eo amin’izao tontolo izao, ho an’Andriamanitra kosa dia zanaka tiany avokoa, ka izay mahay mitahiry ny fahasambarana omeny, manaiky hiombom-piainana Aminy no antsoiny hoe “sambatra” (μακάριος makarios, béni de Dieu), nosoavin’ny Ray.

Tsy ampy ny mihevitra ho mahafehy tena fa mila mitandrina mba tsy ho lavo, ary mila miambina sy mivavaka mandrakariva anefa, hoy i Jesoa, satria fandrika mahavoa ny olon-drehetra ny fivarinan-ko lavo ao anatin’ny hafinaretana mandalo (mivarilavo). Ny tsy fahalalana mialoha ny andro hiafaran’ity fiainana ity ho an’ny tsirairay, sy ny fahataperan’izao tontolo izao ho antsika rehetra dia manampy antsika hiaina am-piheverana, mampisy heviny ny fiainantsika, tsy hiainana noho ny tahotra ny fahafatesana intsony fa  hono ny faniriana ny hiseho, hiseho tsy amin-tahotra (ἵστημι Histemi) eo anatrehan’ny Zanak’olona.

Miambina (ἀγρυπνέω agrypneo) sy mivavaka (δέομαι deomai). “Agrypneo” moa dia tsy hilazana ny fiambenana ivelan’ny trano fotsiny fa hilazana ihany koa ny tsy fahatongavan’ny torimaso, tsy mahita tory satria mivavaka, “deomai”, satria mifantoka amin’ny hevitra iray ny fo amam-panahy, mitady izay fomba hiainana araka ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy mahagaga raha toa ka amin’ny valo alina araka ny mahazatra dia efa mierotra ny olona iray, saingy ny fitiavana an’i “Barea milalao” (na ny mondial izao) ohatra, dia mahatanty tsy matory hatramin’ny misasak’alina aza, mijery baolina. Amin’ny fotoana rehetra no amporisihan’i Jesoa antsika hiambina sy hivavaka, vavaka zary fifantohan’ny fo amam-panahy amin’ny fibanjinana fa efa akaiky ny fahavaratra, efa niantomboka ao amin’ny misterin’ny Pakany ny famonjena antsika, ka na dia tsy mbola lavorary aza, dia efa azo hiotazana kosa voankazo, hatao tohana sy vatsy eny an-dalana mizotra mankany amin’ny fihaonana Aminy, any amin’ny mandrakizay.

Ny fiomanana amin’ny taona litorjika vaovao anie hampitombo ny hafaliantsika eto am-piandrasana ny hiaviany.  

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Taona Litorjika B
PREVIOUS
Zoma faha-34 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.