Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-29 mandavantaona

Sabotsy faha-29 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Efezy 4, 7-16/Salamo 121
  • Tsy ankasa Romana 8, 1-11/Salamo 23
  • Md Lioka 13, 1-9

Ny fiantombohana sy ny fiafaran’ny toko faha-13 amin’ny Evanjely nosoratan’i Lioka dia resaka faty: amin’ny fiandohana dia mitantara ireo Galileanina novonoin’i Pilaty, ary any amin’ny farany milaza an’i Jerosalema mamono ny mpaminany; any amin’ny fiandohana milaza ny olona valo ambin’ny folo nianjeran’ny tilikambon’i Siloe, ary any amin’ny fiafarany milaza an’i Jerosalema tsy manaiky hovorian’i Jesoa mba harovany. Ireo fifampiantsoana ireo dia manampy antsika hahazo ny evanjely anio.

Moa ataonareo fa…!

Moa tsy afaka mba mitaky ny zony sy maneho ny heviny ve ny olona tsirairay? Izany no nataon’ny Jody sasany antsoina hoe Zeloty. Mora ny manome tsiny an’i Pilaty namono ireo Zeloty nikomy nanohitra ny fanjakana Rômana (mora ny manome tsiny ny Frantsay sy Senegaly namono ny maherifo  tamin’ny 1947)  fa sarotra kosa ny manaiky hihaino ny Mpampinany ka tsy hamono azy (sarotra ny tsy hamono an-dRatsimandrava ny 1975). Mety tsy hovonoina alatsa-drà ny mpaminany, fa vonoina kosa ny hasina maha-olona azy, alàna ny barakany sy ny voninahiny, endrikendrehana sy ampangaina mba tsy hinoan’ny olona azy ka hahafahan’ny feon’ny fieritreretana mandrimandry, tsy hibebaka. Tsy fiovan’ny fitondrana fa ny fiovan’ny fomba fisainana no atao hoe fibebahana. Tsy ny fanamelohana ny mpanao ratsy fa ny fankahalana ny ratsy ka itaomana ny mpanao ratsy hibebaka no idirana amin’ny fiainana.

Mora ny mitsetra ireo zeran’ny tilikambo, matin’ny loza, maty noho ny tsy fitandreman’ny hafa fa sarotra kosa ny miala amin’ny mahazatra sy amin’ny zavatra heverina ho fahafinaretana na dia mety hitondra amin’ny fahafatesana aza izany. Sarotra ny manaiky hambombaina tahaka ny zanak’akoho (Evanjely alakamisy faha-30). Na dia soratana aza hoe “mahafaty”, mbola hanina ihany, rehefa tsy ny fahazavana hanomezana hasina ny fiainana no manomboka mahazo laka. Izay tsy mibebaka dia hanimba ny fiainany, ho very toy ny izeran’ny tilikambo, maty “accidentés” fa tsy maty noho ny zavatra nisasarana sy notiavina mba hamelàna mamy ho an’ny hafa. Tsy sanatria sazim-pahotana ny fijaliana sy fahafatesana (ka heverina fa Andriamanitra no manasazy antsika); tsy sazy ireny fa vokatry ny fahotana. Mampahalahelo anefa raha ny tsy fitandremako sy ny fahotako no hitondran’ny hafa faisana sy fijaliana.

Tsy mila voa tsy hary anefa Andriamanitra amin’ny fiangaviana antsika mba hibebaka. Miandry telo taona toy ny mpamboly aviavy, ary mbola mihaino ny manompony koa hiandry taona hafa, hihevoana sy hanasi(v)ana zezika mba hamokarana, “raha tsy izany dia hokapaina ihany izy”. Anjaran’ny tsirairay araka izany ny manararaotra ny tany ambolen’Andriamanitra azy, ny fikolokoloana sy ny zezika omeny, tsy misy afaka ny hiala tsiny fa tsy novoleny na tsy nokolokoloina. Anjaran’ny tsirairay ny mandini-tena amin’ny vokatra tiany ampamokarina sy efa nampamokariny. Tsy fieboeboana eo anatrehan’ny olona anefa ny fahazahoana vokatra, fa antom-pisaorana.

Ho haintsika anie ny hanararaotra ny taom-pahasoavana omena antsika mba hanomezana hasina sy lanja ny fiainana

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-30 tsotra mandavantaona
PREVIOUS
Zoma faha-29 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.