Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-27 mandavan-taona

Sabotsy faha-27 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Galata 3, 22-29/Salamo 104
  • Tsy ankasa Joely 4, 12-21/Salamo 96
  • Md Lioka 11, 27-28

Andininy roa ihany ny Evanjely anio. Na eo aza ny fialonana sy ny fiampangana nataon’ny sasany, dia ao kosa ireo nigaga ny zava-bitan’i Jesoa amin’ny nampitenenany ny moana. Anisan’izany ity vehivavy izay maniry ny hanan-janaka tahaka an’i Jesoa ka mazava loatra niantsoantso hoe Sambatra ny kibo nitondra vohoka anao sy ny nono notsentsefinao. Ny valintenin’i Jesoa dia manampy antsika hahazo ny fahasambarana sitrak’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra. Tsy hoe tsy sambatra akory i Masina Maria, fa kosa ny fahasambarany dia miankina amin’ny fihainoana sy ny fitandremana ny Tenin’Andriamanitra.

I Elizabeta moa efa nilaza koa fa sambatra ilay nino izay nambaran’Andriamanitra (Lk 1, 45), i Masina Maria izay nekeny ho “renin’ny Tompony” (Lk 1,43). Tsy azo adinoina anefa ny vokatr’izany finoana izany amin’ny seha-piainana andavan’andro natrehan’i Masia Maria: nitoe-jaza raha mbola tsy miray trano amin’ny vadiny, ny fanilikilihana rehetra vokatr’izany, hatramin’ny niatrehana ny fatin’ny zanany voaheloka amin’ny sazy faratampony, natokana ho an’ny jiolahy raindahiny, dia ny famantsihana amin’ny Hazofijaliana.

Ny fiheverantsika matetika dia hoe natokan’Andriamanitra ho an’ny olom-bitsy ny fahamasinana sy ny fiainana ny finoana tahaka ny nataon’i Masina Maria. Lehibe sy tsara laza noho ny vehivavy rehetra i Maria noho ny finoany. Asain’i Jesoa hanahaka azy koa ilay vehivavy toa velom-pialonana nitsiriritra ny fahasambarany. Ny fahaizany nihaino sy nitahiry tao am-pony ny Teny no loharanom-pahasambarany, ary izay rehetra manaiky handray ny Teny afafin’ilay Teny Tonga nofo (kibo), sy mampamokatra azy eo amin’ny fiainany (nono) dia manohy ny asan’i Maria, mahatonga nofo ny Teny koa ao ami’ny fiainany ka hahafahany miha-Jesoa aloha, ary avy eo hitory izay amin’ny hafa, ka tonga fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny vokatra aterak’izany no voninahitra ho an’ny Ray, hoy i Jesoa. Tsy asan’olombelona anefa izany fa fahasoavana avy amin’ny Fanahy ary tohanan’ireo mofo telo, nampitomboan’ny lalivay ho tonga sakafo hahasambatra ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Ny fahasambaran’i Masina Maria dia izay irin’Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra. Hitombo ao amintsika anie ny finoana fa ny Tenin’Andriamanitra no hany fanilo hahafahana mizotra ny tena lalam-pahasambarana atoron’Andriamanitra antsika.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alatsinainy faha-28 mandavan-taona
PREVIOUS
Zoma faha-27 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.