Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-25 mandavan-taona

Sabotsy faha-25 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Mpitoriteny 11, 9 – 12, 8 /Salamo 89
  • Tsy ankasa Zakaria 2, 5-15/Jeremia 31, 10, 11-12ab, 3
  • Md Lioka 9, 44b-45

Hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona. Fa tsy azon’izy ireo, na ny marimarina kokoa tsy tian’izy ireo ho azo izany teny izany.

Faniriana ao anatin’ny olona ny hitovy amin’Andriamanitra. Fahamasinana ny fiezahana amin’izany saingy fahafatesana kosa raha diso ilay endrik’Andriamanitra alain-tahaka. I Eva dia nalain’ny devoly fanahy, nilazany fa hitovy amin’Andriamanitra raha mihinana ny hazo (tsy hanaiky an’Andriamanitra), ary ny endrik’izany andriamanitra izany dia ilay mahalala ka mandidy manapaka izay tsara sy ratsy, tsy noho ny fitiavana fa noho ny fitia hanjakazaka, endrik’andriamanitra toa sanatria mialona ny olona raha hitovy aminy. Tsy fitiavan-tena anefa ny didin’Andriamanitra fa lalana (torah) atorony mba hizorantsika amin’ny fahasambarana. Ny Zanany, mitovy Aminy no miantso antsika mba ho lavorary, mba ho mpamindra fo tahaka ny Ray.

I Jesoa izany no mamporisika antsika hihinana amin’ny voan’ny hazo mba hahafahantsika hitovy endrika amin’Andriamanitra. Izy no manaiky ho tonga Voa, hotazana ho sakafon’izay te ho lavoray hanahaka ny fahalavorarian’Andriamanitra.  Andriamanitra vonona ny ho faty voafantsika amin’ny hazo, Andriamanitra vonona ny hanome hatramin’ny ainy ho fiainana ho an’ny mpanota: izany no tena endrik’Andrimanaitra marina.  Io no ivon’ny fanarahan-dia an’i Kristy. Tsy mampanantena antsika ny tany malemy hanorenam-pangady Izy fa kosa mampanantena ny fahasambarana, dia ny ety an-tany ka ho mandrakizay. Tsy fahasambarana arak’izay heverin’ny tontolo anefa fa fahasambarana amin’ny fahazoana fahasoavana hanolo-tena toa Azy, handray anjara amin’ny asam-panavotana natombiny ka iantsoany izay rehetra te ho mpianany. Tsy ezaka na finiavan’olombelona anefa no hahatanterahana izany ka hahafahantsika mahazo ka miaina ny maha-mpianany antsika fa fanomezana sy fahasoavana avy Aminy.

“Ataovy tsara ao an-tsofinareo izao teny izao.” Izay te ho mpianatra dia tsy maintsy mikolokolo tahaka ny “voa” nafafy fa ny fitovizana amin’i Kristy manolotra manontolo ny tenany hatreo ambonin’ny hazofijaliana no faratampon’ny voninahitra. Tsy afaka ny haniry zavatra tsara sy ambony noho izany izay te ho mpianany. Lazain’ny mpahay grika ka ny “mode imperatif aoriste positif” no ampiasain’i Lioka, hilazana ny fampianaran’i Jesoa mandidy ny mpianatra hiova fomba fiasa, hiala amin’ny mahazatra ka hanao zavatra tsy mbola nataony mihitsy. Tsy afaka ny hahazo izany fampianarana vaovao izany izay tsy mitahiry hihinana ny “voa” afafy dia ny Teny, hany manafaka antsika amin’ny mety ho fifangaroan’ny tsara sy ny ratsy.

Mora ny mitadidy ny ratsy, indrindra izay nianjady tamin’ny tena, ary mampijaly ny fahatsiarovana ny ratsy nataon’ny hafa raha tsy diovin’ny Fanahy amin’ny famelan-keloka, ary mety miteraka lolom-po sy mikotrika valifaty aza. Ny fitiavana sy ny famelan-keloka ihany no vahaolana mitondra amin’ny fiadanana, ary tsy endrik’Andriamanitra mety mahafinaritra antsika no asain’i Jesoa alaintsika tahaka fa ilay niTeny hoe: “maty eo ambony hazofijaliana ny Mesia nandrasana, ary ny loholona, ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna izay voaantso hanomana ny olona handray Azy no hanary Azy (Evanjely omaly) ary ny olona fatra-piandry Azy, efa nandray Azy teo am-pelatanany, saingy nanaovany izay tiany atao”. Manova ny fomba fiainana manontolo izany ka tsy ny rehetra no afaka handray sy hahazo izany teny izany ary mety tsy ho sahy akory aza hanontany hoe inona mety ho heviny, tahotra izay efa nahazo ny olona hatrany am-piandohana (Jenezy 3, 10).

Izay mihinana ny voan’ny Hazo ka manaiky fa ilay voa notazana teo dia santa-bokatry ny lanitra no afaka hahazo ny Hery hahafahana miaina araka izany. Ho fitehirizana sy famelomana ny aina avy amin’i kristy anie ny Komonio masina raisintsika ary ny fihainoantsika ny Teniny kosa hampitombo ao amintsika ny faniriana hanahaka Azy eo amin’ny lalan’ny Kalvery, tsy sanatria fitadiavana fijaliana fa kosa fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavany tsy mivadika.  

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-26 Taona A Mandavantaona
PREVIOUS
29 septambra :
Fetin’ny Arkanjely Misely, Gabriely ary Rafaely
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.