Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-23 mandavan-taona

Sabotsy faha-23 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa 1 Kôrintiana 10, 14-22 /Salamo 115/
  • Tsy ankasa 1 Timôte 1, 15-17/Salamo 112
  • Md Lioka 6, 43-49

Ao am-pon’ny olona no hitsirian’ny zavatra rehetra, na tsara izy na ratsy, ka hitsaràna izay hita eny ivelany fa loharano ipohirany. Izany no hahafahana mampamokatra ny soa sy mamongotra ifotony kosa indray ny ratsy.

“Tsy misy hazo tsara (καλός kalos, beau, tsara tarehy) mamoa voa ratsy (σαπρός sapros, corrompu, pourri, marary, lò) ary tsy misy hazo ratsy (σαπρός)  mamoa voa tsara (καλός). Tsy mampiasa ny ἀγαθός amin’ny hazo moa i Md Lioka.

Mila manontany tena isiks araka izany hoe: karazana hazo inona aho, satria misy hazo mitondra amin’ny fiainana ary misy hazo mitondra kosa amin’ny fahafatesana. Avy milaza momba ny κάρφος (karphos: sombim-bozaka) eo amin’ny mason’ny rahalahy i Jesoa dia milaza kosa indray ny καρπός (karpos: voan-kazo) tokony hampamokarina. Ny voany no hahalalana ny hazo ka izay hazo tsy manome voa tsy mitovy amin’ny famindram-pon’Andriamanitra tokony halaina tahaka, dia tsy tsara.  Tsy afaka hahazo voaloboka avy amin’ny voaroitsilo. Tsy ho azo terena ho aviavy koa ny tsilo.

Avy ao amin’ny rakitra misy ao am-po no hamoahan’ny olona ny zava-tsoa asehony eo amin’ny fiainany. Raha dinihina tsara ny fomba filazan’i Jesoa azy, dia mety hisy ratsy ihany, ary izany no zava-misy, ao am-pontsika ao, saingy tokony hiezahana mba tsy ho avy amin’ny ratsy (πονηρός poneros, plein de contrarieté, périlleux, mampidi-doza, mahavaky loha)fa avy amin’ny rakitra tsara (ἀγαθός agathos, bon, tsara fanahy)  no hibaiko ny fisainana sy ny zavatra atao. Lazain’i Jesoa koa anefa fa “izay be ao am-po no itenenan’ny vava”. Ilaina araka izany ny mampitombo hatrany ny soa ao am-pontsika, satria ny vava dia mialoha mandrakariva ny tanana sy ny asa.  Ny lela, hoy Md Jakoba no hifandraisana amin’ny hafa ka hahafahana mandray azy na manangana rindrina hisarahana aminy. Ny lela dia toy ny afo, ka fototry ny haratsiana maro (Jak 3, 1-12).

Ny Tenin’Andriamanitra izay henointsika no raisintsika mba hanadiovana ny fo amin’izay rehetra mety ho faharatsiana, fa hitomboana amin’ny soa. Momba izany fandraisana sy fiainana ny Tenin’Andriamanitra  izany no  anohizan’i Jesoa ny fampianarany. Mandiniha tena, hoy Izy ny amin’ny fiantsoana hoe “Tompoko, Tompoko”, kanefa ny lazainy tsy tanterahana akory.

Ny fanatanterahana ny teniny  dia tahaka ny fanorenana trano eo ambony vatolampy, ka mila mangady lalina alohan’izany. mba hahafahana manorina eo ambon’ny Vatolampy dia i Kristy, dia mila manala izay “tsy Kristy” ao amintsika aloha isika, ary izay ihany no hahafahana matoky fa mafy orina ny trano. Ny fanorenana ambony vatolampy koa dia midika ny fifidianana toerana avo. Ny fasika manko dia amin’ny toerana iva indrindra itondran’ny ranon-driaka azy no hitobiany. Ny vatolampy kosa, tsy afaka ny hitoetra raha tsy efa mafy orina. Izay mihaino ny tenin’i Jesoa ka tsy manaraka azy dia olona manorina ny fiainany amin’izay itondran’ny riaka azy, ka mazava loatra fa loza no hiafaran’izany trano izany.

Ny tena mpianatr’i Kristy araka izany, dia hanala izay sakamandimby manakona ny masony tsy hahita an’Andriamanitra, tsy hahalala ny fetrany sy ny fahajambany, mba hahafahany manampy ny hafa; avy eo mila misafidy ny tany lonaka mba hahafahany mampitsimoka sy mampamokatra izay tsara ao aminy; fa mila mangady lalina koa mba hahitany an’ilay vatolampy hahafahany manorina ny trano hahatahirizana ny vokatra ho amin’ny mandrakizay.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alatsinainy faha-24 mandavan-taona
PREVIOUS
Zoma faha-23 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.