Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-21 mandavan-taona

Sabotsy faha-21 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa 1 Korinto 1, 26-31 /Salamo 32/
  • Tsy ankasa 1 Tes 4, 9-12/Salamo 97
  • Md Matio 25, 14-30

Ny Fitiavana no hitsaràna antsika ka miezaka isan’andro isika ho mendrika ny akanjo hirosoana eo anatrehan’ny mpampakatra, hitahiry menaka handrehetana ny jiro hahafahana miroso hitsehana azy. Mampitandrina antsika ny fampianaran’ny Virjiny folo fa eo am-pamakivakiana ny fiainana, eny an-dalana mankany amin’ilay Fihaonan’ny lanitra dia “hadalana ny mijanona hibanjina ny hakanton’ny zavaboary eny an-tsisin-dalana ka hanadino ny anton-dia“.  Tsy ho afa-miala tsiny amin’ny halavan’ny fotoana hiandrasana isika raha sanatria tsy maharitra amin’ny fijoroana ho fahazavana.

Ny Soratra Masina dia mamporisika antsika hiasa (Ohab 31, 10-31),  hiambina  (1 Tes 5, 1-6) ary mampiasa ny “talenta”[1] azontsika mba hahazoana tombony (Evanjely Mt 25, 14-30). Araka izany, tsy misy afa-mihambo ho efa tonga ka tsy mila manao ezaka intsony amin’ny fiainana am-panahy. Ianareo izay mihevitra ho mijoro, mitandrema tsy ho lavo hoy i Md Paoly (1 Kor 10, 12). Fa iza tokoa moa isika no sahy hilaza na afaka hilaza hoe “Fiadanana sy fandriampahalemana re izany” raha toa ka tsy mbola vonona ny hiseho anoloan’ny fitsaran’ilay “ho avy toy ny mpangalatra” (Apok 16, 15)! Asain’ny Evanjely miambina (grégoire) isika ary ny tokony hatao amin’izany fiambenana izany no hazavain’ny Evanjely anio.

Oharin’i Jesoa amin’ny olona iray andeha hivahiny lavitra ary ela vao niverina Andriamanitra izay manome antsika ny talenta. Izay ny setra-piainana sedraintsika matetika. Dia ho sanatria ve manome antsika ny talenta Andriamanitra dia hamela antsika irery hanao izay tiantsika hatao? Na hamela antsika ho irery amin’ny fampitomboana azy? Mba Andriamanitra Fitiavana ve izany fantatra fa “mijinja amin’izay tsy namafazany sy manangona amin’izay tsy nanahafany” izany?

Tsy maintsy ho eny ny valiny, saingy tsara dinihina hoe: nahoana?

Ny talenta dia omena antsika maimaim-poana, tsy mitovy isa, manambara fa tsy tokony hialona ny hafa isika na haniry randrana manendrika ny hafa. Tsy ho an’ny Tompo fa ho antsika ihany no hampiasana ireo talenta ireo. Ny andrasana amintsika dia ny ho tsara sy mahatoky, na be na kely no noraisina, ka hampitombo azy amin’ny fanaovan-tsoa.

Talenta, izany hoe harena mihavosa hanehoantsika ny Endrik’Andriamanitra “fitiavana sy famindram-po” no nomeny antsika, izany no hitsarana antsika (tapany farany amin’ny Mt 25), ka ny tokony hatahorantsika dia ny ho azon’ny fakam-panahy hanome tsiny an’Andriamanitra mba hanamarinan-tena amin’izay mety ho vokatry ny hakamoana sy avonavona. Tsy fifaninanana amin’ny hafa no hitsarana antsika fa ny fahaizantsika mampamokatra ny fitiavana amin’ny fomba fiainana.   

Tsy fahaiza-manao anefa (faculté, habilité) no lazaina amin’ny talenta eto, tsy talenta araka ny fitenintsika hoe manan-talenta io fa lanjam-bola hilazana ny fahafaha-manao (possibilité), izany hoe ny fitiavany sy ny famindram-pony izay harena hahafahantsika mamoky ny noana sy ny mangetaheta, mampitafy ny tsizarizary sy mampiantrano vahiny, na fahaizana sy fahefana hanampiana ny marary sy ny hiaran’ny tsy rariny, na ny fotoana hahafahana mitondra am-bavaka sy mankahery azy ireny!

“Ny Fiainana”, araka izany  no talenta noraisintsika tamin’Andriamanitra, tsy ny halavan’ny andro hiainana no inona, na ny fijaliana na hafaliana nogohina tao, fa ny fiezahantsika miaina sy mampanjaka ny fitiavana. Izay no hitsarana antsika, izay no hahafahantsika mihaino ny Ray rehefa miverina indray amin’ny fiafaran’ny fiainana ka hanambara hoe: “Ity tokoa no tena zanako”, handova ny fanjakako.

Alao hery ary, tsy hanjehy ny andro ho lava fa hiezaka marina tokoa hanao ny fiainantsika ho ikan’ny Evanjelin’i Kristy, ka hahafahan’izay mifanerasera amintsika milaza hoe: izany tokoa ka olon’Andriamanitra, fa tsy sanatria ny hoe izany hono no mba…

Ny fahatsiarovana ny soa noraisintsika avy amin’Andriamanitra araka izany dia loharanom-pisaorana amam-pivavahana tsy tapaka, izay havaozintsika amin’ny Fisaorana lavorarin’ny Eokaristia. Raha asaina hisafidy iray amin’ny “fahafatesana” sy “fiainana” aho, hoy ny mpanakanto iray, dia ny gitara no safidiako, hihirako hira ho an’ny Tompo. Anjaran’ny tsirairay ny misafidy izay heveriny fa hahafahany manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny famoazana be dia be amin’ny fitiavana (Jo 15, 8).  

[1] Ny Talenta iray dia karaman’olon-tsotra mandritra ny  16-20 taona (6000 denie, volamena 36 kg).

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-22  mandavan-taona Taona A
PREVIOUS
Zoma faha-21 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.