Trinitera Malagasy
Sabotsy anatin’ny havaloana fankalazana ny Paka  

Njara Pascal
  • Asa 4, 13-21
  • Salamo 117
  • Md Marka 16, 9-15

Eo anatrehan’ny fandrahònana sy ny fanjakazakana nataon’ireo manam-pahefana mahefa, momba ny raharahan’Andriamanitra, araka ny henontsika omaly momba an-dry Ana Mpisorona mianakavy, dia mazava ny valintenin’ny Apôstôly: izay marina eo imason’Andriamanitra no atao. Tsy fihainoana toriteny tsara rindra na fandalinana ny zava-miafin’ny Soratra Masina manko no tanjona. Lalana mitondra amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy ihany ireny fa ny fanaovana izay marina eo anatrehan’Andriamanitra no tanjona, izany hoe ny “ho velona hiantsa ny ataon’Andriamanitra” (Sal 117).

Ambaran’ny salamo setriny manko fa ny marina no miditra amin’ny varavaran’ny fahamarinana. Tsy ny marina araka ny saim-pantany na ny marina araka ny maro an’isa anefa, fa ny marina araka an’Andriamanitra. “Tsy iza isika fa izay eo anatrehan’Andriamanitra, dia izay ihany”, hoy i Mb Thérèse d’Avila amin’ireo mihevitra ny tenany ho zavatra.

Ny Evanjely moa (nalaina tao amin’ny Mk 16, 9-20 izay lazain’ny mpikaroka fa tsy nosoratana niaraka tamin’ny Evanjelin’i Marka manontolo fa fanampiny kosa, voasotatra nanodidina ny taona 60 ihany saingy samihafa na ny fomba fanoratra na ny voambolana ampiasaina, saingy efa tafiditra ao amin’ny Vulgate ka naraikitry ny Konsily tany Trente ho isan’ny Soratra Masina), dia manampy antsika amin’ny fahazoana sy fiainana ny finoana an’i Jesoa tafatsangan-ko velona.

Avy nilaza i Md Marka fa nandositra ny vehivavy ary tsy nilazalaza na inona na inona tamin’ny olona izay hitany tany am-pasana (Mk 16, 8, izay mifanohitra amin’ny fitantarana hafa), dia nilaza fa niseho tamin’i Maria Madelena i Jesoa, sy tamin’ny Mpianatra roa nankany an-tsaha, izay nitantara tamin’ny Apôstôly fa tsy nisy ninoany. Ilay nandroahana demony fito no nisehoan’i Jesoa voalohany, avy eo ireo nisintaka tamin’ny fiombonana, avy eo ireo Apôstôly niara-nisakafo. Tsy ny fahamendrehana na ny fanarahan-dalàna no lalana hahafahana mihaona amin’i Kristy tafatsangan-ko velona; ny tsy fahamendrehana na ny fiainana tsy lavorary nodiavina ihany koa, na tamin’ny tsara na ny ratsy, tsy sakana velively hahafahana mihaona Aminy.

Raha avondrontsika ireo fampianaran’ny herinandron’ny Paka dia azo fintinina toy izao: izay miara-maty amin’i Jesoa Tompo dia miara-belona Aminy kosa. Ny Apôstôly moa tsy nisy niara-maty taminy fa nitsoaka an-daharana avy. Jiolahy no niara-maty taminy ka niara-belona Aminy io andro io any am-paradisa: anio dia hihaona Amiko any am-paradisa ianao (Lk 23, 43). Mazava eo fa fotoana iray ny fahafatesany sy ny nintsanganany ho velona sy ny nandraisany an’io jiolahy io tany am-paradisa. Ireo Apôstôly sy ny olon-tiana kosa, taorian’ny fandevenana dia ny hanaja ny faty araka ny fomba jody no neritreretina.

I Maria naharitra nitady tany am-pasana no nihaona taminy voalohany: lalana mitondra amin’ny fihaonana amin’Ilay Velona ny fitadiavana Azy. Ahoana? Ao amin’ny Soratra Masina, ao amin’ny Eokaristia, eo anivon’ny Fiombonana (Evanjely rahampitso), fa indrindra indrindra amin’ny fanekena ny teniny, ka hanekena hitarika (hanjono) ny olon-drehetra ho any Aminy.

I Kristy kosa velona eo anivon’ny Fiangonany, mitana ny fampanantenany fa tsy hisaraka amin’ireo mpianany mandrapaha-tapitr’izao tontolo izao. Miara-misakafo amintsika Izy, na dia miandalana aza ny fisehoany amintsika satria manaja ny filanton’ny diantsika Izy; maniraka antsika hitory ny vaovao mahafaly Izy: izay nihaona taminy tafatsangan-ko velona tsy afaka ny tsy hitantara izany amin’ny hafa. Tsy manana porofo holazaina amin’ny olona afa-tsy ny hafaliana manenika ny fiainany novan’ny Evanjelin’i Kristy anefa ireo nahita Azy nitsangan-ko velona. Izay mbola vonton’ny alahelo sy ny tahotra tsy afaka ny hitory Azy koa (Mk 16, 8). Izay mahatsapa ny hafalian’ny Paka kosa dia afaka miteny toa an’i Paoly hoe: nataoko fakofako avokoa ny zavatra rehetra mihoatra amin’ny fahalalako an’i Jesoa Kristy izay nahafoizako ny zavatra rehetra.

Vavolombelona no ilain’i Jesoa kanefa tsy ho afaka ny ho tonga vavolombelony izay tsy mbola nahita Azy tafatsangan-ko velona, tsy afaka ny hahita Azy mitsangan-ko velona izay tsy hanaiky hanandrana ny fahafatesana miaraka Aminy: raha tsy maty ny voa afafy, tsy afaka ny hamokatra ho amin’ny fiainam-baovao. Izay te hitory ny Evanjeliny dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny fiainana araka ny Evanjely toriany. Izany no hahazoana hery hilazana tahaka ny Apôstôly hoe “Tsaroanareo na marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny manaiky amareo mihoatra noho an’Andriamanitra; fa raha izahay, tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay” (Asa 4, 20).

Ho fitoriana ny Evanjely anie ny fiainantsika manontolo.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faharoa fankalazana ny Paka (in albis),
Alahadin’ny famindram-pon’Andriamanitra.
PREVIOUS
Zoma anatin’ny havaloana fankalazana ny Paka  
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.