Trinitera Malagasy
Dingan’ny Katekomena

Dingan’ny Katekomena

Njara Pascal

Raha raisina ireo dingana irosoan’ireo maniry ho Kristianina dia hahazoantsika koa ny dingana tokony harahintsika isan-taona amin’ny fanavaozana ny safidy sy ny hafaliana maha-kristianina. Ataoko eto ireo satria betsaka no manafangaro ny Dingana sy ny Dinika, ary araka izao manaraka izao no firafitr’izy ireo araka ny nandaminan’ny Fiangonana azy. Ny Mpitondra kosa, arakaraka ny heveriny fa mahasoa ny Vahoakan’Andriamanitra no mandamina ny fanatanterahana sy ny fankalazana azy. Ialana araka izay azo atao anefa ny manaraka ny fahazarana efa nanalavitra itony fandaminan’ny Eglizy itony.

  1. Ny fandraisana ireo maniry ho kristianina sy ny fitoriana ny Evanjely amin’izy ireo.

Mahita ny fomba fiainana sy ny fahasambaran’ny kristianina izy ireo ka voasintona (sympathisants) ary mangataka hiroso ho Kristianina. Ny fandraisaina ny Evanjely toriana amin’izy ireo no hidirany amin’ny varavaran’ny finoana rehefa manaiky hohazavain’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo ka mamela ny fahasoavana hanova ny fomba fisainana sy ny fomba fiainana hifanaraka amin’ny lalam-pahasambarana atoron’ny Evanjely, ary mizotra tsikelikely ho fola-kevitra hanara-dia an’i Kristy, hitombo fahamatorana ary hanapa-kevitra hangataka hatao batemy.

Ny fitondran-tenantsika sy ny Eglizy mandray azy ireo dia manana ny anjara toerany manokana amin’ny firosoan’izy ireo, ary singanina manokana amin’izany ny vavaka tsy tapaka ataon’ny tompon’andraikitra (pretra, katesista, mpiantona sy ny kristianina rehetra) ho azy ireo.

Io no tokony ho taona voalohany amin’ny fiomanana ho azy ireo.

  • Ny katekomena izay ahitana firosoana telo sy fanolorana telo ihany koa.

Rehefa fola-kevitra izy ireo dia mangataka amin’izay ny hatao batemy, ary rehefa nolanjalanjain’ny mpiandraikitra sy ny mpampiofana ary ny mpiantoka ny fitondran-tena sy ny fiovana hita ary ny fahavononana marina tokoa ny hiaina ny Evanjely, dia azo raisina ho Katekomena amin’izay.

Eto no manomboka ny DINGANA VOALOHANY (Vavaka sy Hira p. 99) : ny fandraisana azy ireo ho katekomena. Adidin’ny Eveka manokana moa izany fa azony ankinina amin’ny pretra na amin’ny katesista azo antoka ihany koa.

Ity dia tokony atao amin’ny fiantombohan’ny taona faharoa araka izany ary tsara raha kajiana ao amin’ny Boky mirakitra ny Katekomena ny anaran’ireo voaray ho amin’ny dingana manaraka.

Raisina eo am-baravaram-piangonana izy ireo miaraka amin’ny mpiantoka azy (katesista na mpampiofana hafa na kristianina nofidiany hitantana azy amin’izao firosoany izao), anontaniana ny anarany sy izay angatahany amin’ny Eglizy, raisina ary anontaniana raha vonona tokoa handray an’i Kristy ho mpitari-dalana amin’ny fizorana ho any amin’ny fiainana mandrakizay.

Anontaniana ihany koa ireo mpiantoka raha vonona ny hanampy ireo Katekomena amin’izany lalana izany.

Rehefa izany dia sady iantsoana ny Fanahy Masina izy ireo no iangaviana mba handà an’i Satana sy izay mety ho endrika fanompoan-tsampy sy fomba fivavahana na fomba fiainana nahazatra ka tsy mifanaraka amin’ny finoana kristianina, ary anontaniana ny fahavononany tsy handao mandrakizay an’Andriamanitra marina izay inoany.

Rehefa izany dia asiana ny famataran’ny Hazofijaliana ny handrin’izy ireo, satria io no mariky ny fitiavan’i Kristy izay miaro antsika tsy ho simban’ny herin’ny maizina. Afaka atao amin’ny fitaovam-pandrenesana rehetra koa ny famantaran’ny hazofijaliana: amin’ny sofina mba handrenesany ny feon’Andriamanitra; amin’ny maso mba hahitany ny famirapiratan’ny tavan’Andriamanitra (hahitany ny hazavany); amin’ny vava mba hamaliany (hanarahany)  ny Tenin’Andriamanitra; eo amin’ny tratra mba honenan’i Kristy ao am-po amin’ny finoana; eo amin’ny soroka mba hitondrana ny jiogan’i Kristy mora entina (mamy) ary amin’ny tena manontolo mba hahavelona mandrakizay (jereo Vavaka sy Hira p. 101-102).

Rehefa avy manao famantaran’ny Hazofijaliana amin’izay voaray ny Pretra dia mba manao toy izany koa ny Mpiantoka.

Aorian’izay dia asaina hiditra ao am-piangonana izy ireo. Azo atao mialoha izany ny fanomezana ny anarana vaovao, mifanaraka amin’ny maha-kristianina.

Mandritra ny Sorona Masina handraisana azy ireo ho Katekomena no hanolorana azy ireo koa ny EVANJELY (Vavaka sy Hira p. 103).

Mandritra io Dingana voalohany io dia misy zavatra efatra imasoan’ny Eglizy manontolo mba hanampiana ireo maniry ho tonga kristianina:

  • Ny KATESIZY ataon’ny pretra, ny diakra sy ny katesista na kristianina tsara hofana hafa, entina mampidirana ny Katekomena amin’ny Misterin’ny famonjena, hampianarana azy ireo ny foto-pinoana (dogme) sy ny didin’ny Eglizy, ny taona litorjika miaraka amin’ny Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra;
  • Ny FIOVAN’ny fomba fisainana sy ny fomba fiainana, ka ampifanarahana izany amin’ny Misterin’i Kristy maty fa nitsangan-ko velona, nandresy ny fahafatesana sy ny fahotana, ka handresena ny mety ho alahelo ateraky ny fandaozana ireo fomba nahazatra tsy mifanaraka amin’ny maha-kristianina;
  • Ny toe-piainana mahatarika sy ny fiekem-pinoana;
  • Ireo fomba fivavahana izay mandrafitra ny katekomenà ka hirosoana amin’ny dingana manaraka.

Amin’ny fanombohan’ny Karemy mialoha ny Paka handraisan’ny Katekomena ny Batemy no hirosoana amin’ny  DINGANA FAHAROA.

Misy dinika telo amin’ity dingana voalohany ity, saingy ny fifidianana sy ny fanoratana anarana no anombohana azy. Toy izao ary ny mety ho firafitry ny firosoana manaraka ireo alahadin’ny Karemy, ary niezahana narafitra mba hankalazana amin’ny alahady ireo fanolorana izay voalamina ho amin’ny andavanandro, araka ny torolalana.

Alahady I Karemy: FIFIDIANANA SY FANORATANA ANARANA

(Vavaka sy Hira p. 105)

Amin’ity no hanambaran’ireo Katekomena ny anarana nosafidiany mba ho anaram-baovao hanaovana batemy azy ireo.

Alahady III Karemy: DINIKA VOALOHANY NA FANADIOVANA

(Vavaka sy Hira p. 108)

Amporosihin’ny Eglizy mba ho ny Evanjely mitantara ilay Samaritana maniry ny rano velona no vakiana amin’ity alahady ity mba hampifanaraka ny fombam-pivavahana sy ny Vakiteny.  Na ny vavaka fandroahana ny demony na ny fametrahan-tanana amin’ny tsirairay dia manambara ny hetahetan’ireo voafidy tsy miantehitra intsony afa-tsy amin’ny famonjena avy amin’Andriamanitra, andrasany amin’ny fankalazana ny Sakramenta.

Azo ampiarahana amin’ity ihany koa ny FANOLORANA NY FIEKEM-PINOANA
(Vavaka sy Hira p. 116)

Alahady IV Karemy: DINIKA FAHAROA NA FANAZAVANA

(Vavaka sy Hira p. 111)

Amporisihina mba hamakiana ny Evanjely mitantara ilay teraka jamba ka mahita an’i Kristy ilay hany Hazavana tokana manilo ny haizin’ny fahotana sy ny aloky ny fahafatesana. Ny vavaka sy ny fandroahana ny Demony, hametrahana tanana indray amin’ireto voafidy, dia manampy azy ireo kosa mba tsy ho voafitaky ny hevi-diso ateraky ny haizina sy ny demony raiben’ny lainga, ka haniry hiombom-piainana marina tokoa amin’i Kristy.

Azo ampiarahana amin’ity ihany koa ny FANOLORANA VAVAKA NAMPIANARIN’NY TOMPO, vavaka izay tsy mbola azon’ireo voafidy atao, saingy efa hianarany kosa, mba hanononany azy an-kafaliana amin’ny alin’ny Paka.
(Vavaka sy Hira p. 118)

Alahady V Karemy: DINIKA FAHATELO

(Vavaka sy Hira p. 113)

Amporisihina ny hamakiana ny Evanjely mitantara ny fananganana ho velona an’i Lazara, satria ny finoana an’ilay nandresy ny fahafatesana, fa mamelona ihany koa ho amin’ny fiainana mandrakizay ireo mihaino ka manaiky hivelona amin’ny Teniny.

Azo ampiarahana amin’ity ihany koa ny FANOLORANA INDRAY NY FIEKEM-PINOANA SY NY FANOSORANA NY OC.

Azo atao ny sabotsy masina maraina ihany koa.
(Vavaka sy Hira pp. 119-121)

Tsara ho marihina fa raha ny fomban’ny Eglizy no arahina dia alefa mody ireo  voafidy aorian’’ny vavaka sy ny tsodrano omena azy ireo mandritra ny dinika. Ny Sorona Masina kosa tohizan’ny Mpino vita batemy amin’ny ranombavaka sy ny fanolorana…

  • Ny DINGANA FAHATELO moa dia ny FANKALAZANA NY SAKRAMENTA amin’ny alin’ny Paka (Vavaka sy Hira p. 121 ss).
  • Ny neofita sy ny fanazavana ny Mistery (Mistagogie)

Tsy tanjona fa fanomboana  fiainana vaovao ny fankalazana ny Sakramenta, ka araka izany, ny fanohizana ny fandalinana mikasika ireo sakramenta noraisina, indrindra mandritra ny vanimpotoanan’ny Paka dia tsy hoe adidin’ny Mpiantoka fotsiny fa tokony ho fanirian’ireo Neofita, ireo vao teraka ihany koa.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAHADY KAREMY
PREVIOUS
Zoma manaraka ny lavenona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.