Trinitera Malagasy
Alatsinainy fahavalo mandavan-taona

Alatsinainy fahavalo mandavan-taona

Njara Pascal

Tsy ankasa Eklesiatika 17, 19-24/Salamo 31/
Ankasa 1 Piera 1, 3-9/Salamo 110/
Md Marka 10, 17-27

Ny zaza no afaka handray ny Fanjakan’Andriamanitra ary tsy afaka ny hiditra ao isika raha tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka azy ireo (Marka 10, 13-16 : Sabotsy VII).

Ankoatry ny fahafahana migaga, eny fa na amin’ny zavatra madinika indrindra aza dia mampiavaka azy ireo ny tsy fiankinana amin’ny tenany. Heverina ho maha-tonga taona sy maha-olon-dehibe aza ny fisintahana amin’ny Raiamandreny ka hahazakàna tena mba tsy hiankinan-doha amin’izy ireo. Mazava loatra araka izany fa izay manana harem-be dia azom-pakam-panahy hiantehitra amin’izany ka ho voafitaka hihevitra fa mahavita tena.

Lazain’ny evanjely anio anefa fa nisy lehilahy mpanan-karena izay nidodododo nandohalika teo anatrehan’i Jesoa. Inona no tsy ampy aminy? Ny marary efa lany haiky tamin’ny fitsaboana, ny mahantra sy ny kilemaina, ny manana havana na zanaka andohariana tsy miandry afa-tsy fahagagana intsony no matetika midodododo mandohalika tahaka izany. Ny fangatahan’ilay ranamana dia ny hahalala izay atao mba hahazoana ny fiainana mandrakizay! Ampiasain’i Marka moa ny κληρονομησω (klêronomêsô), handray ny anjara lovany (κληρος= anjara lova) amin’ny fiainana mandrakizay. Mazava loatra fa tsy nahafa-po azy ny fiainany, izay nolovainy avy amin’ny raiamanadreny dia tsy maintsy havela ho lovan’ny hafa ihany koa (Sal 49, 8.11) ka hitany tao amin’i Jesoa ilay mpampianatra tsara fanahy, afaka hanoro azy ny lalam-pahasambarana.

Fanontaniana no navalin’i Jesoa azy: fa angaha misy tsara mihoatra an’Andriamanitra? Ka raha Ray tsara fo izy, mazava loatra araka izany fa tsy handà ny anjara lova tandrify ny zanaka tsirairay. Ny lalana natorony hahafahantsika mitahiry izany lova izany dia ny didy izay navelany. Didim-pitiavana mitondra ho amin’ny hafenoan’ny fiainana. Tsipihin’i Marka anefa amin’ny fitantarany fa ireo didy maneho ny fitiavana amin’ny olombelona ihany no notanisain’i Jesoa. Tsy miandry valim-pitia avy amintsika ankoatra ny fanehoantsika ny endriny fitiavana Andriamanitra.

Ny zanaka no mpandova, ka izay te handova dia tsy maintsy miseho ho zanaka amin’ny fiainana araka ny maha-zanaka: taha-dRay. Ny fanajana ny hafa, ny fananany sy ny ainy ary ny asany dia lalana mitondra amin’ny fitiavana, lalana mitondra amin’ny fahasambarana.

Nahoana àry no tsy mbola sambatra ilay lehilahy nidodododo nanatona an’i Jesoa na dia efa nitandrina hatry ny fony kely ireo lalàna rehetra ireo aza? Izay manao ny tsara noho ny tahotra ny ho voasazy dia tsy mbola nanalavitra loatra ny ratsy, hoy i Md Grégoire, satria te hanota ihany izy ary ataony izany raha toa ka tsy maha-voasazy. Araka ny fampianaran’ireo Farisiana teo amin’Israely koa dia mety ho antony hanajana sy hitandremana ny lalàna ny avonavona sy ny fitia te hisehoseho, hanana filakitera lehibebe kokoa noho ny hafa. Dia tsy maha-sambatra izany.

Eto ary, am-pitiavana no nilazan’i Jesoa amin’ilay lehilahy fa ny maha-zanak’Andriamanitra dia lavorary rehefa izy irery ihany no harena ho antsika, ka izay rehetra eo am-pelatanantsika no sitrany hamidyka ampiasaina mba hahasambatra ny olombelona rehetra fa tsy ny vitsy an’isa monja. Raha dinihina ny teny ampiasain’i Md Marka dia azontsika alalinina hatrany. Maninona no tsy zaraina amin’ny mahantra ny harena dia vita fa mbola hisahirana hivarotra indray? Tsy afa-misaraka ny fampivoarana sy ny asa. Lazain’ny Asan’ny Apôstôly fa nifampizara fananana ireo Mpianatra ka ny niafarany dia maty noana tao. Izay manana harena dia mila kolokoloina, amidy, izany hoe asiana “valeur” ka tsy hisy hivarotra zavatra ratsy, ny mivarotra dia maka tombony saingy araka ny evanjely: tombony tsy ho an’ny tena fa ho an’ny mahantra. Mora ny mivarotra ho an’ny tombontsoan’ny tena, fa mahasambatra kosa ny misiki-ponitra mba hiadanan’ny hafa.

Tsy ny olon-drehetra anefa no mahazo izany teny izany. Ny fialan’ilay lehilahy tamin’alahelo teo anatrehan’i Jesoa dia mampandinika antsika tsirairay avy amin’izay zavatra mety hiraiketan’ny fontsika ka manakana antsika tsy ho sambatra.

Fantatr’i Jesoa ny fahasarotan’ny fidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy mpanan-karena hangataka izany. Hisambotra ma hangalarana sy hamitahana angaha dia hataony. Tsy asan’olombelona anefa ny fidirana amin’ny fanjakan’ny lanitra fa an’Andriamanitra izay mahavita ny zavatra rehetra. Ny fitokisana Azy, ilay hany tsara, no lalana tokana hahafahantsika mizotra amin’ny fahasambarana. Izay manana Azy ho harena tokana no hahafoy izay heveriny hananana, ka hanome izany ny mahantra, tsy amin’ny anaran’ny tenany, fa amin’ny anaran’i Jesoa, satria mahatsiaro tena fa “mpiandry omby volavita ihany, tsy tompony fa mpamerin-doha”, tsy azy fa fanomezan’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao ny harena eo am-pelatanany.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata fahavalo mandavan-taona
PREVIOUS
Alahady fankalazana ny Pantekôty
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.