Trinitera Malagasy
Alatsinainy fahaenina fankalazana ny Paka

Njara Pascal
  • Asa 16, 11-15
  • Salamo 149
  • Md Joany 15, 26-16,4

Ny Asan’ny Apôstôly dia mitantara ny fibebahan’i Lidia mpivaro-jaky tao Filipy. Ny andro Sabata moa ny Jody rehefa tsy misy Sinagoga dia mivory amin’ny toerana iray, saingy tsy maintsy misy lehilahy folo fara-faha-keliny. Tamin’ireo mpivavaka tafavory teo no nitorian’i Paoly teny, ary anisan’ireo i Lidia sy ny fianakaviany manontolo izay nandray ny Batemy. Na dia nezahan’i Paoly aza ny niahy samirery ny amin’ny fivelomany (Asa 20,34) dia nanaiky ny fiangavian’i Lidia hiantrano ao aminy izy, ary amin’ny taratasy nosoratany dia isaoran’i Paoly ny fahalalahan-tanan’ny Kristianina tao Filipy tamin’ny fanampiana nataon’izy ireo ho azy, raha tojo ny fahasahiranana (Fil 4, 15-16).

Miomana amin’ny fankalazana ny Fiakaran’i Jesoa any amin’ny Ray moa isika, ary mandinika manokana ny asan’ny Fanahy eo amin’ny Fiangonana sy amin’ny fiainan’ny tsirairay, dia ampian’ny Evanjely mba tsy ho tafintohina amin’izay mety ho fanenjehana na fanilikilihana ataon’ny olona. Ny Fanahy Mpanafaka alehelo no irahin’i Jesoa ho antsika (nomeny: Jo 19, 30) avy amin’ny Ray (Jo 14, 26). Mpanafaka alahelo moa no nandikana ny hoe παράκλητος parakletos, fa raha ny marina dia ilay mpisolovava, mitsangana hiaro ka mandray antoka mba tsy hanamelohana izay voampanga, na koa ny mpandika teny, asa ataon’ny raimpianakaviana mampianatra ny zanany ny Torah (paraklita, nampiasaina amin’ny teny arameana) no dikany. Izay no asan’ny Fanahy, ka hahafantarana ny asany. I Satana no mpiampanga, ny Fanahy kosa fitiavana, ka “manala tsiny ny zavatra rehetra” (στέγω, stego: manarona ny zavatra rehetra) (1 Kor 13, 7). Izay tsy mitondra amin’ny fiainana sy amin’ny fiombonana feno dia tsy asan’ny Fanahy.

Ho an’ny Jody, ny voaroaka ao amin’ny Sinagoga dia fahaverezan’ny zo aman-kasina, fahafaham-baraka tsy misy toy izany, saingy ny Fanahy no hanome hery izay mitory ny marina mba hitory izany an-kasahiana sy am-pitiavana, ka hahita fa tsy “fahalavoana” na “faharesena” ny lakroà (izay mariky ny fanilihana sy ny famonoana) fa kosa “fisandratana amin’ny voninahitra”, lalana miakatra mankany amin’ny Ray, ary “fandresena” nahalavoan’ny fahafatesana sy ny herin’ny haizina.

Tamin’ny “anaran’andriamanitra” no namonoana an’i Jesoa; nohendrikendrehana no mpiteny ratsy an’Andriamanitra, toy izany koa i Etiena. Fa amin’ny anaran’ilay andriamanitra torian’ireo mpitondra sy mpifehy mba hanamafisany ny fahefany. Izay mandray ny Fanahy Masina dia mandray ny Fanahy fahamarinana avy amin’ny Ray, ka tsy afaka ny tsy hanambara an’i Jesoa, ilay “endrik’Andriamanitra marina”, izay nanozongozona ny fahefan’ireo izay nampiasa ny endrik’Andriamanitra nodisoiny mba hanjakazakana sy hitadiavana tombontsoa.

Tsy misy fanaovan-dratsy azo ampiarahana amin’ny anaran’Andriamanitra, ary tsy misy afa-manamarina ny ratsy ataony amin’ny anaran’ny Andriamanitra. Matoa mahavanon-doza ny olona iray dia tsy fantany ny Ray, ary tsy fantany koa i Jesoa. Tsy misy lalana hahafahana manala ny olona ao anatin’ny haizin’ny fahotana afa-tsy ny fitoriana ny endrik’Andriamanitra marina araka izany. Izany no iraka napetrak’i Jesoa amin’ny Mpianany: hitory fa fitiavana Andriamanitra, ary fitiavana tahaka ny nitiavan’i Jesoa ny Ray sy ny olombelona rehetra.

Tsy misy tanora ratsy fa tsy nahatsiaro ho notiavina no betsaka, hoy Md Orion. Rehefa tsy mahatsiaro ho tiavina ny olona iray, dia mazava loatra fa hitaky izany amin’ny fomba samihafa: na amin’ny famaliana faty, na amin’ny fananovana “chantage”, hanerena an-kolaka ny hafa mba hanaiky izay tadiavina. Ny olona entanin’ny fanahin’izao tontolo izao dia mitaky amin’ny hafa porofom-pitiavana satria tsy tia fa te ho tiavina, tsy mahatsiaro ho tiana. Ny olona entanin’ny Fanahy Masina kosa dia manolotra porofom-pitiavana, tsy hanao afa-tsy izay mahasoa ny hafa, satria mahafantatra ny Ray sy i Jesoa ka mahalala ny atao hoe “fitiavana”, ka mitia araka izany.

Ho fanehoana ny tena endrik’Andriamanitra Fitiavana anie ny fiainan’ny Zanany sy izay rehetra mino Azy, ka ny fankalazana Azy anie no ho voninahitr’Izy ireo (Sal 149).

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata fahaenina fankalazana ny Paka
PREVIOUS
Alahady faha-6 fankalazana ny Paka Taona A
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.