Trinitera Malagasy
Alatsinainy faha-dimy mandavan-taona

Alatsinainy faha-dimy mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa Jenezy 1, 1-9/Salamo 103/
  • Ankasa 1 Mpanjaka 8, 1-7. 9-13/Salamo 131/
  • Marka 6, 53-56

Taorian’ny alina nampivarahontsana ireo mpianatra namoy sambokely manoha-drivotra, satria tsy niaraka tamin’izy ireo i Jesoa fa nivavaka tany an-tendrombohitra, saingy tonga kosa, nandeha ambonin’ny rano nankahery azy ireo mba tsy hatahotra, dia tonga tao Genesareta izy ireo, raha nianga mba ho any Betsaida (Mk 6, 45). Raha ny marina araka izany, dia tsy tany amin’ny toerana nokendrena haleha no niantsonany satria Genesareta dia tanàna kely atsimo andrefan’i Kapernaoma na dia mifanakaiky amin’i Betsaida ihany aza.

Averimberin’i Marka hatrany fa vantany vao nahita ka nahafantatra an’i Jesoa ny olona dia mifanesika hikasika azy mba hahazo fahasitranana. Ny marary entina amin’ny fandriana hanantona an’i Jesoa, ny osaosa apetraka eny an-kianja hiandry ny fandalovany, ka izay nikasika azy dia voavonjy. Sitrana moa no nandikan’ny Baibolintsika ny hoe ἐσῴζοντο (σῴζω, fototeny soaz = sûr, mahatoky), mahazo hery vaovao hiatrehana ny fiainana satria miombona amin’ilay Tompon’ny aina. 

Mazava ihany koa ny baiko nomen’i Jesoa ny mpianany: “Sitrano ny marary, nahazo maimaim-poana ianareo ka manomeza maimaim-poana” (Mt 10,8). Moramora kokoa anefa ny mamerimberina hoe: “Masina Maria fahasitranan’ny marary, sitrano ny marary rehetra”, noho ny misikim-ponitra mba hamongotra ny aretina mifamatotra amin’ny fahotan’ny olombelona, sarotra ny manolo-tena mba hampihena ny fanaintainana sy hitondra fankaherezana ho an’ireo ianjadiam-pahoriana noho ny aretina. 

Tsara ho fantatra fa araka ny Talmud (Ber. 58b) izany hoe araka ny fampianarana nifandovana teo amin’i Israely (ny Jody) dia noheverina ho sazim-pahotana ny aretina ka izay mahita mondro na jamba na boka na kilemaina dia mila misaotra ilay “Andriamanitra Mpitsara tsy miangatra”. Ho an’i Jesoa anefa dia mba hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra no mahatonga izany (Jn 11,4). Ny Fiangonana ara-tantara no nanomboka nanambatra ny heriny hikarakara ireo marary ka namorona atao hoe nosocome (avy amin’io ny mpamaritoetra nosocomial= qui se rapporte à l’hôpital) ho fikarakarana ny mahantra. Ny Konsily tao Nicée dia nandidy mba hanangana hopitaly amin’izay toerana rehetra misy katedraly: tsy afa-misaraka amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny olona ny fitoriana ny Evanjely ho famonjena ny fanahiny. 

Tsy ny resaka hopitaly ihany no hiantsoan’i Jesoa antsika kristianina ankehitriny fa ny fisoroana ihany koa ny aretina amin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fahadiovana (ara-batana, amin’ny sakafo sy ny rano fisotro). Mampalahelo ny mahita ny fitandrovana ny fahasalamana eto amintsika (hygiène): fivarotana safako masaka sy zavatra hohanina manoloana ny tatatra ikorianan’ny ranomaloto, kanefa tsy misy fiarovana akory ireny matetika; ny menaka sy ny dion’ny fitaovana efa tsy lazaina intsony… efa zatra dia mihevitra fa tsy mampaninona akory. Izay mahatsapa fa mpianatr’i Jesoa dia tsy afaka ny hanao an-tandrevaka izay mety hampidi-doza ny hafa, indrindra amin’ny lafiny ara-pahasalamana. 

Ho haintsika anie ny hijoro ho mpianatra, vonona hikarakara ny marary sy hikolokolo ny tontolo iainana mba ho fisoroana izay mety ho valan’aretina ateraky ny loto.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha-dimy mandavan-taona
PREVIOUS
Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.