Trinitera Malagasy
Alatsinainy faha-29 mandavantaona

Alatsinainy faha-29 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Efezy 2, 1-10/Salamo 99
  • Tsy ankasa Romana 4, 20-25/Lioka 1, 69-75
  • Md Lioka 12, 13-21

“Famintinana marina tokoa ny Evanjely manontolo ny Fivavahan’ny Tompontsika” (Tertullien). « Tamin’ny nampitan’ny Tompo ho antsika io rijan-tenim-pivavahana io, dia nampiany hoe : “Mangataha, dia hahazo ianareo” (Jn 16,24). Ny tsirairay àry dia samy afaka manondrotra vavaka samihafa any an-danitra araka ny ilainy, nefa ny anombohana lalandava izany dia ny Vavaky ny Tompo, izay mitoetra ho vavaka fototra ». (KFK 2761)

Ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika, amin’ny famintinana ny Fizarana fahatelo mikasika ny fiainam-pinoana fa ny faniriana ny fahasambarana tena izy no manafaka ny olombelona amin’ny firaiketam-po tafahoatra amin’ny haren’ity tany ity, mba ho tanteraka ao anatin’ny fahitana sy hasambaran’Andriamanitra izany. « Mihoatra ny hasambarana rehetra ny fampanantenana hahita an’ Andriamanitra. Ao amin’ny Soratra Masina, ny hoe “mahita” dia “mahazo” no heviny. Izay mahita an’Andriamanitra dia nahazo ny soa rehetra izay azony nosaintsainina » (Grégoire de Nysse). Saingy amin’ny andavanandrom-piainana dia tsy izany loatra no miseho.

Zava-poana dia zava-poana hoy ny Mpitoriteny (Mpitory 1, 2-23, Qoèlet avy amin’ny קָהַל) zava-poana (הֶבֶל hebel fofon’aina, sento tokana) ny hisasarana raha tsy ho fanorenana izay maharitra mandrakizay. Izany no amafisin’i Md Paoly amin’ny taratasiny hoe : katsaho ny zavatry ny lanitra (Kol 3, 1-11). Izany fikatsahana ny zavatry ny lanitra izany anefa dia tsy mamela antsika hidonanam-poana fa hisikim-ponitra hiady amin’i Amaleka (עֲמָלֵק `Amaleq, izay mitoetra amin’ny tany lemaka), tahaka an-dry Moizy sy Josoe (Eksaody 17, 8-13).

Tsara ny mitadidy ny tenin’ny mpanoratra nanamarika ny fanabeazana teto Madagasikara, i E.D. Andriamalala, anisan’ny olomangan’ny fanoratana nianarana fahiny tao amin’ny Ilay vohitry ny Nofy hoe: raha hadihadiana ny loharanon’ny harem-be rehetra dia loto sy fotaka avokoa no miboiboika avy ao. Miankina amin’izay heverintsika ho harena anefa izany. Ilay olona nangataka tamin’i Jesoa ho vavolombelona amin’ny fizarana ny lova, lazain’ny Evanjely anio, dia manambara antsika ny toe-tsaina indraindray mahazo antsika koa, izany hoe manao an’i Kristy sy ny Fiangonany ho antom-pivelomana, na mihevitra azy ho mpitsara hamaly soa ny olo-marina ary hanafay ny mpangalatra sy ny ratsy fanahy. Tsy mpizara lova izy fa “pontifex”, pontifice, tetezana mampiray antsika amin’ny Ray, amin’ny lova iombonana aminy ka mampiombona antsika samy isika koa. Ny Papa koa dia antsointsika hoe “Pontif Romain”, satria izy no mampiombona antsika amin’ny Fitiavan’i Kristy.

Ny te hanana misimisy kokoa noho ny hafa no mahamay indraindray. Soa ihany fa tsy miankina amin’izay fananany ny ain’ny olona, hoy Jesoa. Mety ho fiononana ho an’ny mahantra izany, na tsy mahafoana ny fijaliana vokatry ny  tsy fahampiana aza izany. Ambaran’ny Evanjely mazava anefa fa ny harena ao amin’Andriamanitra ihany no maharitra mandrakizay. Ny vavaka, raha atao araka ny tena izy, dia tokony hampiròna mandrakariva ny saina amam-panahy amin’ny fikatsahana ny haren’ny lanitra na dia miondrika mampiasa ny zava-mandalo aza.

Ny lova no manambatra ny taranaka, ka raha adino ny fitiavan’ny raiamandreny niaviana izay nihary azy dia hanjary fototry ny ady ny zara lova. Ho an’i Abrahama, nino an’Andriamanitra, dia namela an’i Lôta hisafidy ny anjara lova tiany (Jen 13, 1-12). Fantatsika anefa fa ny tany lemaka nosafidian’i Lôta no nivadika ho Gômôra, nolevonin’ny afo noho ny fahalovan’ny mponina tao. Ampahatsiahivin’ny salamo 89 isika hahay hanisa ny androntsika ka hampiròna ny fo ho amin’ny fahendrena.

Mbola zarina amin’ny “sens des autres” ve ny zaza ankehitriny, ka rahefa misy fizarana zavatra dia ny fitsinjovana ny ao aoriana sao tsy mahazo no himasoana voalohany? Fanabeazana tokony hovohizina any anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina izany fifampitsinjovana izany, ary tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny Kristianina.

Toa zary nofy anefa ny harem-panahin’ny Ntaolo, milaza fa “aleo very tsikalakalam-bola, toy izay very tsikalakalam-pihavanana”, kanefa izany no fototry ny “valala iray hifanapahana”. Indrisy fa “ny vola no maha-rangahy” ka te ho rangahy ny ankamaroany, dia adino fa ny rangahy koa mety hiaran’ny fahafatesana. Dia ho an’iza ary izay novorìny?

Hifampitondra am-bavaka isika mba hahaizantsika mandalanjanja ny fampiasana ny haren’ny tany, fanomezan’Andriamanitra maimaim-poana (Salamo 126) ho tonga rakitra maharitra ho lovaina any amin’ny mandrakizay.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma faha-29 mandavantaona
PREVIOUS
HERINANDRRO IVAVAHANA HO AN’NY KRISTIANINA  VOAHENJIKA (17-23/OKTOBRA )
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.